Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Mey, 2019
‘Tsy hifidy izahay raha tsy vita ny làlana': hetsika tsy fankatoavana sivily any amin'ireo faritra any India
Nanosika ny Goans hanao ankivy ny fifidianana Lok Sabha ao amin'ny tananakelin'i Marlem any amin'ny fanjakana Indiana any Goa ny lalan-dratsy, ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ary ny tsy fisian'ny famatsiana herinaratra.
Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra i Kami Rita Sherpa raha nahanika ny Tendrombohitra Everest in-24
Raha nifanamby tamin'ny mety ho zava-bitany rehetra ilay mpitari-dia Sherpa Nepali dia nahanika ny faratampony avo indrindra amin'ny tendrombohitra erantany indroa tao anatin'ny herinandro tamin'ity taona ity - izay nahatonga ny isan'ny fiakarana an'i Everest ho 24.
Andron'ny Bilaogy 2005
Nalaza tao amin'ny tontolon'ny bilaogy maneran-tany ny andron'ny bilaogy 2005. Nanampy pejy misy ireo lahatsoratra manan-danja ao amin'ny Technorati isan'ora ny andron'ny fankalazana, izay mandrisika ny bilaogera mba hanolotra bilaogy dimy vaovao avy amin'ny kolontsaina na fomba fijery vaovao hafa ho an'ny mpamaky azy ireo.
Lahatsoratra Facebook miteraka fisamborana any Bangladesh, mampiahiahy ny mpiserasera
Olona roa no voasambotra tamin'ny 14 sy 15 Mey noho ny fanehoan-kevitra nalefa tao amin'ny Facebook. Niteraka hatezerana sy ahiahy tao amin'ny fampitam-baovao sosialy ny fisamborana.
Andron'ny Bilaogy 2005
Mandritra ny fotoana lavalava amin'ny 31 Aogositra, handefa soso-kevitra amin'ny blaogy dimy vaovao, tsara raha bilaogy tsy mitovy kolontsaina, fomba fijery sy fihetsika amin'ny tena ireo bilaogera manerana izao tontolo izao. Amin'izany andro izany, dia hahita ireo mpiserasera bilaogera fa niditra sy nahita bilaogy vaovao sy tsy fantatra.
Fanafihana Anti-silamo mitarika fifandirana sy miteraka tahotra eo amin'ireo Sri Lankey misaona
Ny 13 mey, trano teo amin'ny 500, fivarotana, masikiriny sy foibe ara-pivavahana hafa no simba, olona ray no maty ary folo hafa no naratra mafy. Nametraka ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina manerana ny firenena hatramin'ny 14 may maraina ny manampahefana, tao anatin'ny tahotry ny fiparitahan'ny fanafihana .
Syria: Nosakanana ny Blogspot? Inona no atao manaraka?
Araka ny tatitra farany avy any Syria, dia toa voalaza fa nakaton'ireo mpamatsy tolotra aterineto Syriana rehetra ny sehatra Blogger an'ny Google, izay mampiantrano ny bilaogy malaza blogspot.com. Nakaton'i Syria imbetsaka ny fidirana ao amin'ny Blogspot.
Nanavotra olona an'arivony ny fiomanana rehefa namely ny morontsiraka atsinanan'i India ny rivodoza Fani
Ain'olona maro no voavonjy tamin'ny faharavana vokatry ny rivodoza mahery vaika Fani noho ny famindran-toerana efa voahomana nataon'ny fitondram-panjakana tao an-toerana niaraka tamin'ny fanohanan'ny mpialatsaka an-tsitrapo an'arivony.
Azia atsimo: Mihaino bilaogy
Azia atsimo, mihaino bilaogy
Manomboka ao Dhaka ny fihaonambe SAARC faha-13
Nanomboka ao Dhaka, renivohitr'i Bangladesh ny andro nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy ny fihaonambe faha-13 ho an'ny Fikambanana Fiarahamiasa Ara-paritra ho an'ny firenena fito Aziatika Tatsimo (SAARC) ahitana an'i Bangladesh, Bhutan, India, Maldiva, Nepal, Pakistan ary Sri Lanka.