Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2021

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Avrily, 2021

Nandona ny setriny ataon'India amin'ny Covid-19 ny fisavoritahan'ny fotodrafitrasa sy ny tsy fahampian'ny oksizena

Ny tsi-fahampian'ny fandrian'ny hopitaly sy ny fanomezana oksizena miampy ireo famoriana olona amin'ny fifidianam-bahoaka sy ny fetim-pivahvana no tsy nahavitana intsony mamaly amin'ny fielezan'ny aretina.

Nipoaka ny hetsi-panoherana tao Bangladesh rehefa maty tany am-ponja ny mpanoratra iray voampangan'ny Lalam-Piarovana Nomerika

Nosamborina noho ny fitsikerany tao amin'ny media sosialy ny setriny amalian'ny governemanta ny areti-mandringana i Ahmed. Voampanga ho "manaratsy endrika ny firenena" sy "miteraka fifandirana, fankahalana ary fisaraham-bazana" izy - fanitsakitsahana voalazan'ny DSA avokoa izany rehetra izany .

Mpiasa mpifindramonina Nepali nody rehefa nandany 40 taona tany amin'ny rafi-pamonjana Indiana

Nahazo fahafahana vonjimaika taorian'ny fanentanana nataon'ny mpiray fonja azy taloha i Durga Prasad Timsina, izay tsy mbola niatrika fitsarana mihitsy noho ny resaka famonoana olona,

Nampiato ny varotra ho an'i Belarosia sy Rosia ny orinasam-pitsikilovana finday Israeliana

Nanambara ny Cellebrite, orinasam-pitsikilovana nomerika Israeliana fantatra amin'ny fanamboarana fitaovana rindrambaiko ampiasaina hanangonana angondrakitra avy amin'ny finday avo lenta, fa hampitsahatra ny varotra amin'ny fanjakana sy amin'ny mpitandro ny filaminana Rosiana sy Belarosia.

HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza

Tsy nahita ny fandefasana mivantana ny fivoriana Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any amin'ny firenena miisa dimy tamin'ny 7 Aprily ve ianao ? Indro ny famerenana.

Fanamarinana ny zavamisy ao Nepal amin'ny fotoanan'ny valan'aretina

"Misy ny fironana hifantina zava-misy ary hampiseho azy ireo hifanaraka amin'ny teti-panorony manokana."

MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza

Miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30,000 isan-taona ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Manasa anao hihaino ireo vehivavy avy any Oganda, Thailandy, Brezila, Pakistan ary Polonina hiresaka momba ny zo ara-pananahana any amin'ny firenena misy azy ireo.