· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Marsa, 2012

India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra

Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.

28 Marsa 2012

India: Ilay Gazety Soratànana Farany Indrindra Eto An-tany

Ny endrika voalohan'ny gazety dia nosoratana tamin'ny tànana ary ankehitriny dia ny 'The Musalman' angamba no hany sisa gazety soratana amin'ny tànana mùanerana izao tontolo izao. Ao an-tanànan'i Chennai ao India, mitohy avoaka isanandro ity gazety efa ho 85 taona ity, ataon'ireo mpiangaly kalisoratra sora-tànana amin'ny fiteny Urdu.

27 Marsa 2012

Sri Lanka: Fihetseham-Po Tamin'ny Fanapahan-Kevitr'i Etazonia Tao Amin'ny UNHRC

Tamin'ny 22 Marsa 2012, firenena 24 no nifidy ny tolo-kevitr'i Etazonia tao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'Olombelona nandritra ny fivoriana miresaka momba an'i Sri Lanka ary mandrisika ny fitondrana hametraka ny hafatra avy amin'ny Lessons Learned and Reconciliation Commission (LLRC) [Vaomieran'ny Lesona Nianarana sy ny Fampihavanana] sy hanao famotorana amin'ny fomba azo itokisana ihany koa ny fisian'ny lazaina fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona ,nitranga nandritra ny ady an-trano naharitra dia naharitra nifanaovana tamin'ny LTTE misy ny Tigra Tamola mpitaky ny fizakan-tena.

26 Marsa 2012

Pakistana : “Oscar” Iray Ao Pakistana

Tsy ela akory izay, Sharmeen Obaid Chinoy, mpanao gazety iray mizaka zom-pirenena Kanadiana sy Pakistane sady mpamokatra horonantsary fanadihadiana no nahazo ny loka "Oscar" momba ny horonantsary (fohy) fanadihadiana tsara indrindra.. Ny horonantsariny fanadihadiany mitondra ny lohateny hoe Saving Faces (na Manavotra Ny Tava), dia mampiseho ny vokatry ny herisetra amin'ny asidra mahazo ireo vehivavy ao Pakistana.

07 Marsa 2012