Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Desambra, 2022
Hetsika mba hahafahan'ny rehetra misitraka amin'ny vidiny mora ny “salàkam-bavy” ao Azia Atsimo
Misy ezaka atao ao Bangladesh, India ary Népal mba hanomezana salàka fidiovana ho an'ny vehivavy ka mba hanatsaràna ny fahasalaman'izy ireny sy hamongorna ireo fanilikilihana ara-tsôsialy mifamatotra amin'ny resaka fadimbolana.
Ny krizin'ny toetrandro dia krizin'ny rano ao Himalayas
Manafana an'i Himalaya haingana kokoa ny fiovan'ny toetrandro miohatra amin'ny antonony manerantany, manakorontana ny tsingerin'ny rano. Manjary tsy ara-dalana intsony ny orana, mihena ny rano ao anaty tany ary mitsiaka ireo vongan-dranomandry.
Nosakanana nandritra ny fotoana fohy ny YouTube tao Pakistan nandritra ny fihetsiketsehana politika nataon'ny PM teo aloha
Taorian'ny fanakanana ny lahatenin'i Khan tamin'ny fahitalavitra alaina amin’ny zanabolana, toa miezaka manakana ny fampielezan-keviny mba tsy ho re amin'ny aterineto ihany koa ny governemanta.
Fanamarinana ny zavamisy misoko amin'ny toedraharaha sôsialy sy pôlitika ao India: ny raharaha Zubair
Maneho ny zavamisy misoko ao anatin'ny fiarahamonina indiàna ireo fanehoankevitra sy fampiasàna ankolaka ny fiteny sy fanosorana ataon'ny / na atao an'ireo mpisehatra samihafa ao anatin'ny rafi-piarahamonina indiàna
Nolavin'i Qatar ny fanonerana ny mpiasa nanangana ireo fototrafitrasan'ny amboara erantany FIFA 2022
Telo herinandro mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany FIFA 2022, nolavin'ny minisitry ny asa ao Qatar ny antson'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hanonerana ireo mpiasa mpifindra monina nandray anjara tamin'ny fananganana ny kianja sy fotodrafitrasa hafa.
Ny fomba nahatongavan'ilay sakay mafana ‘Akabare’ nanitikitika ny retsikanin'ireo Nepaley mpankafia paty
Nameno ny indostria mikasika ny paty Nepaley ilay sakay mahamay indizeny ao Nepal, miendrika boribory, fantatra amin'ny anarana hoe ‘Akabare’ ao an-toerana, ary efa mandroso mankany amin'ny tsena iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao.
Charles Norris-Brown sy ny fitiavany an'i Nepal, ireo tigra sy ny fiarovana – Fanomezam-boninahitra iray
Bokin'i Charles Norris-Brown "Did Tiger Take the Rain?" dia mampiseho ny mahazava-dehibe ny fiarovana. Nanoratra boky iray hafa izy mikasika ireo tigra sy ny fiarovana, saingy maty tampoka tamin'ny 19 Oktobra.
Nepal: fifidianana nisy fandraisana anjaran'ireo antoko politika nampangain'ny vahoaka ho namono ny havany, zara raha nisy olona nandeha nifidy
Ny 20 Novambra, nilahatra handatsa-bato ireo Nepaley manerana ny firenena, ka 11.453 no fitambaran'ireo mpirotsaka hifaninana ho amina seza 825, 275 ho ao amin'ny parlemanta ary 550 any amin'ireo antenimieram-paritra.
Undertones: Maninona ny nasionalista haindò ao India no manandratra ny praiminisitra UK Rishi Sunak
Manatsonga sy misafidy izay "Indiana feno" ireo Haindò nasionalista hifanaraka amin'ny tombontsoa ara-politikan-dry zareo