Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Jolay, 2012
Pakistana: Ankizy 240.000 Tsy Nahazo Fanefitry Ny Lefakozatra
Tandindonin-doza ny fiainan'ireo zaza bodo 240.000 noho ny fandraràna,vao haingana, ny fidiran'ny fanefitry ny lefakozatra ataon'ny Taliban any amin'ny faritry ny FATA. Ireo mpikomy dia mihevitra fa hetsika fitsikilovana io fanentanana ho fanfefitry ny lefakozatra io, ary manohana azy ireo amin'izany ny filohan'ny foko.
Lahatsary: ‘Ndao Hotetezintsika Ny Tsena Manerana Ny Tany
Feno loko , feo sy fiainana maro ny tsena, na aiza na aiza misy azy eto amin'izao tontolo izao. Miaraha aminay mandritra ny fitsidihanay - an-tsary sy lahatsary - ireo tsena any El Salvador, Meksika, India, Indonezia sy Thailand.
Azia Atsimo: Fihaonam-be Voalohany Momba Ny Media Sosialy i Pakistana Sy i India
Mafana tanteraka ny andron’ny Zoma sy Asabotsy tao Karachi nandritra ny fihaonam-be Pakistana-India SOCMM12. Nanomboka tamin'ny 9:30 maraina ary nitohy hatramin'ny 5:00 hariva ny fandahara-potoana, nisy ny adiny iray natokana...
India: Fifandonana Ara-poko Ao Assam
Namono olona 32 raha kely ary nandratràna maro hafa ny ady teo amin'ireo foko Bodo zanatany sy ireo voanjo miozolmana tao amin'ny fanjakan'i Assam. Manodidina ny 70.000 ireo mponina no nandositra ny toeram-ponenan-dry zareo hatramin'ny nipoahan'ny herisetra ary nialokaloka any amin'ireo toby vonjimaika. Raha kely dia tanana 60 avy amin'ny andaniny sy ny ankilany Bodo sy Miozolmana tao amin'ny distrikan'i Kokrajhar sy Chirang no voaroba sy voadoro.
Bangladesh: Nahazo Vokatra Tsara Ireo Zazavavy Na Dia Teo Aza Ny Sakana
Araka ny valin'ny fanadinan'ny Ambaratonga Faharoa Ambony any Bengladesh dia nanao tsaratsara ny zazavavy noho ny zazalahy. Taona vitsy lasa izay, niakatra ny taham-pahafahan'ny mpianatra zazavavy amin'ny fanadinam-panjakana noho ny dingana maro noraisin'ny governemanta.
Bangladesh: Lasa Renivohi-kolontsaina Islamika i Dhaka
Notokanana ho renivohi-kolontsaina Islamika ny renivohitr'i Bangladesh, Dhaka, miaraka amin'ireo tanàn-dehibe anankiroa hafa. Ny Fikambanana Islamika momba ny Fampianarana, ny Siantifika ary ny Kolontsaina (ISESCO), sy ny departemanta fanampiny an'ny Fikambanana Konferansa...
Lahatsary: Internet Society Miresaka Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Sivana Iraisam-pirenena Eny Anivon'ny Aterineto
Handresy manoloana ireo fitaovana fanaraha-maso vaovao ve ny teknolojian'ny tsy fitononana anarana? Ary hampiroborobo ny demaokrasia va re ny teknolojia finday - sa hitarika bebe kokoa ho any amin'ny fihazàna sy fanaraha-maso misimisy kokoa? Resadresaka iray teo Washington, DC ny 25 Jona 2012 niarahana taminà mafàna fo 6 avy any Syria, India, Burkina Faso, Kambodza, Venezoela sy Azerbaijan no niezaka hamaly ireo fanontaniana ireo.
India: Miparitaka Ny Lahatsary Mampiseho Herisetra Sy Vetaveta, Mampieritreritra Ny Fitsipiky Ny Fampielezam-baovao
Raha tokony nanampy ny zazavavy Indiana iray notafihan'ny lehilahy 20 ivelan'ny toeram-pisotroan-toaka any Guwahati ny "caméraman" iray avy amin'ny fahitalavitra any an-toerana, naleony kosa nandrakitra lahatsary 30 minitra avy amin'izany tranga izany. Niparitaka be izany lahatsary izany, ka be ny fanontaniana mipetraka momba ny fitsipiky ny fampielezam-baovao, ary mampanontany tena hoe lasa firenen'olona mpitazam-potsiny ve India.
Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana
Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.
Bengladesy: Mampianatra ny Zaza Madinika Hiteny Teny Vahiny sy Handainga Ve Ny Sarimiaina?
Niteraka adihevitra tany Bengladesy ny sarimiaina nalefan'ny Fantsom-pahitalavitra Disney India. Maro no mitaraina fa manosika ny zaza hianatra ny teny Hindi an'ny tany mifanila vodirindrina amin'i Inde, ity sarimiaina ity, ary mahatonga azy ireo handainga ny fandefasana ela loatra ity fandaharana sarimiaina Japoney Doraemon ity.