Tantara mikasika ny Azia Atsimo tamin'ny Aogositra, 2014
Mpamono Ilay Mpiaro Ny Zon'ny Indiana “Tsy Azo Atonina” Miriaria Malalaka
"Dory ! Foano ny momba azy"- hoy ny fitabataban'ny mpamono an'i Sanjay Khobragade ilay Mpiaro ny zon'ny Dalita avy any Maharashtra, India. Iray amin'ireo Dalita marobe niharan'ny habibiana.
Pakistane Miisa Iray Alina, Nihoatra Ny Fefy Nanodidina Ny Trano Fonenan'ny Praiminisitra Mangataka Azy Hametra-pialàna
Imran Khan, mpilalao cricket malaza lasa mpanao politika, sy i Tahirul Qadri, Pakistane-Kanadiana, Sufi, manampahaizana lasa mpanao politika, samy nilaza fa nisy hosoka ilay fifidianana solombavambahoaka natao ny volana May 2013.
Resaka Am-Pinday Mampihena Ny Fisamatsamahana Eo Amin'ny Indiana sy ny Pakistaney
Efa tamin'ny taona 1947 no nisian'ny rà mandriaka teo amin'i India sy Pakistana, mbola marefo ankehitriny ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta.
Fisorohana Ny Toetrandro Ratsy Ao Bangladesh
Ny tanjon'ny rodobe ho an'ny famantarana ny toetrandro ao Bangladesh dia ny fandalinana ny toetrandro ratsy any, anisan'izany ny tondradrano, ny rivomahery ary ny haintany.
Hiafara amin'ny Harena sa Hadisoam-panantenana ny Fikarohan'i Inde “Vola Maloto” Avy Any Ivelany?
Miankina amin'izay anontanianao izany. Araka ireo vinavina sasantsasany, mahatratra 1,34 arivo lavitrisa dolara ny sandan'ny vola miafina any ivelany, izay mety ho hampiasain'i Inde amin'ny fampandrosoana.
Sambo Mpitondra Mpandeha Be Olona Loatra Rendrika tao Bangladesh; 2 No Maty, Mihoatra ny 100 Nanjavona
Nisy olon-tsy fantatra naka sary tamin'ny finday ilay sambo rendrika avy amin'ny sambo iray hafa teo akaikiny. Nifampizarana imbetsaka tao Facebook sy YouTube izany lahatsary izany.
India: Tehina “SmartCane” Misy SONAR Noforonin'ny Mpianatra Mba Hanampiana Ny Jamba
"Tena fatratra izany hoe afaka mandehandeha irery izany," hoy ny mpanjifa iray faly. Fitaovana iray mora vidy ny SmartCane izay mandrava amin'ny alàlan'ny fampiasàna ny SONAR ny fetran'ny tehina nentin-drazana.
Misoroka Ny Fanafihan'ireo Elefanta Mpirenireny Amin'ny Alalan'ny Vaovao Alefa Amin'ny TV sy Hafatra An-tsoratra Ireo Siantifika Indiana
Olona an-jatony vitsivitsy no mamoy ny ainy isan-taona ao India noho ny fanafihan'ireo elefanta mpirenireny satria atosika ao amina toerana kely kokoa ireo biby ireo honina ao. Nisy nahita fomba vaovao hamahana ny ady eo amin'ny olombelona sy ny elefanta ity.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...