Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Marsa, 2012

31 Marsa 2012

Rosia: Ny Fiainan'ny Silamo Ankehitriny Ao Mosko – Ny Zava-misy

Ny fitomboan'ny mponina silamo ao Moskoa dia maneho ny lalana izoran'ny foko sy finoana Rosiana eo anivon'ny tantara sy zava-nisy izay nanova ny fijerin'ny Rosiana sy ny fandraisany ny vahiny, izay namolavola ny fomba teo amin'ny fiarahamoniny sy ny politikan'ny governemantany ankehitriny momba azy ireny

23 Marsa 2012

Lahatsary Gafin'ny “Fifandonan'ny Riba” Navoakan'ny Vondrona Eoropeana

Nisy lahatsary natao ho an'ny tanora efa lehibe nangala-tahaka ny sarimihetsika Kill Bill ary miompana amin'ny "fifandonan'ny riba" nataon'ny Vondrona Eoropeana entina hivelaran'ny Firaisambe Eoropeana. Saingy nesorina ny lahatsary ny 6 Marsa 2012 rehefa niteraka adihevitra mafana noho ny fiampangana azy ho mampiroborobo ny fanavakavaham-bolonkoditra.

18 Marsa 2012

Makedonia: Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana Nokarakaraina Hatao Ny Sabotsy 17 Martsa

Nikarakara Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana tamin'ity Sabotsy (17 Martsa) ity ireo vahoaka avy amin'ny foko maro ao Makedonia ho toy ny fanehoana ny ahiahin'izy ireo fa hoe ireo heloka bevava atosiky ny fankahalàna tato ho ato dia fambara ratsin'ny ady an-trano. Filip Stojanovski no mitatitra.

15 Marsa 2012

Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika

Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany

14 Marsa 2012

Rosia: Firaisana ara-nofo, Vehivavy, Putin ary ny Lahatsary

Akon'ny RuNet

Toa nanjavona ireo tovovavy niantso sy nanentana mba hiboridana ho an'i Putin tamin'ny fahavaratra lasa teo. Koa satria efa hifarana ny fotoam-pifidianana any Rosia, ndeha asiana topi-maso kely ny fomba nivoaran'izany fihetsiketsehana izany, sy ny fomba nampirisihany ireo vehivavy hafa - na manohitra an'i Putin na momba azy - hanana...

08 Marsa 2012

Rosia: Fomba fijerin'ny Mpiblaogy ny Minitra Farany Alohan'ny Fifidianana

Akon'ny RuNet

Ny fifidianana filoham-pirenena ny Alahady dia mifangarika tanteraka tamin’ny fifidianana an’i Vladmir Putin voalohany tamin’ny taona 2000, raha foto-kevitra tokana nijoroany ny ady amin’ny fampihorohorona any amin’ny faritra avaratra Caucasus. Donna Welles dia nanome Fomba fijerin'ny Mpiblaogy ny Minitra Farany Alohan'ny Fifidianana.

05 Marsa 2012

Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?

Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana...

04 Marsa 2012

Rosia: Ankamantatra alohan'ny Fifidianana ao Vladivostok

Akon'ny RuNet

Mialoha ny fifidianana filoham-pirenena rosiana amin'ny 4 Martsa izao, mafampana tanteraka ny rivo-politika. Sady odian'ny manam-pahefana Rosiana fanina ny fisian'ny fihetsiketsehana goavana manerana ny firenena, no tsy mamaly araka ny tokony izy ny fitakian'ny vahoaka izy ireo. Lasa resa-politika avokoa ny ataon'ny tsirairay sy ny zava-drehetra ankehitriny, tratran'izany rivo-politika mafana mialoha...

03 Marsa 2012

Makedonia: Mitohy Ny Raharaham-Panarahamaso Ny Fahalotoan-dRivotra ao Skopje

Nandray fepetra tamin'ny tsy fisian'ny rafi-pandrefesana ny taha-pahadiovan'ny rivotra an-tserasera ao Skopje tamin'ny alalan'ny famoahana saripika eo amin'ny bolongana ny ONG Greenbox. manoratra momba ity fanapahan-kevitra ity i Filip Stojanovski.

Global Voices Podcast: Mahatsiaro Ireo Androntsika Tany An-tsekoly

Ato anatin'ity famoahana ity isika dia handeha ho any an-tsekoly. Miainga amin'ny fanabeazana henjana be any amin'ny Reniranon'i Niger, ary hatramin'ny fisaintsainana ny sasany amin'ireo fotoana mamy sy tsy hay hadinoina indrindra tamin'ny fotoana nandratoan'ireo mpandray anjara manerana izao tontolo izao ato amin'ny Global Voices fanabeazana. Kadoa: Ny fomba nahaizan'i...