· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Janoary, 2018

Makedonia : Manamafy Ny Filàna Serasera Malalaka Amin'i Gresy Ireo Mpitoraka Bilaogy

  25 Janoary 2018

Ao anatin'ny korontana anatiny naterak'ireo hetsiky ny Grika hisakanana ny fidiran'i Makedonia ho ao amin'ny OTAN sy ny Vondrona Eoropeana, ary noho ny fitombon'ny isan'ny tatitra momba ny fanafihana ireo Makedoniana mpamily fiarabe ataon'ny hetsika nasionalista any Gresy ( famaliana ôfisialy), dia maro ireo makedoniana mpitoraka bilaogy no miezaka manentsina ny hantsan'ny tsy fahalalàna misy eo amin'ny firenena roa tonta

Serbia: Fahafatesana Mpanohana Baolina Kitra Frantsay Iray

  16 Janoary 2018

Nodarohan'ny mpanohana ny ekipan'i Partizan i Brice Taton, Frantsay iray 28 taona, mpanohana ny ekipan'i Toulouse Nitranga tao afovoan-tanànan'i Belgrade izany fotoana fohy talohan'ny nanombohan'ny lalao teo amin'ny ekipa roa tonta. Maty tao amin'ny hopitalin'i Belgrade izy tamin'ny 29 septambra. Nahatonga fanehoan-kevitra tamin'ireo mpibilaogy maro ity vaovao mahatsiravina ity.