Tantara mikasika ny Kroasia
Sevdah: Fampiarahana lavorary eo amin'ny fanavaozana sy ny fikojakojana
Sevdalinka (fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe sevdah) no fomba fanehoana ny mozika folk an'i Bosnia sy Herzegovina, izay niorim-paka lalina tamin'ny kolontsaina ara-mozika any amin'ireo firenena Balkana Andrefana hafa maromaro.
Fanontàna ho amin'ny fiteny Romani ny tantara an-tsary Dikan mivoaka ao Serbia
Nosisihan'ny "Politikin Zabavnik", gazetiboky serba malaza, takelaka tantara an-tsary "Dikan" ny fanontàna roa farany nataony, sambany amin'ny fiteny serba sy romani
Fahatsiarovana ny fandripaham-bahoaka Bosniaka ao Tuzla: ‘Tsy mitafy fankahalana izahay, fa tsy hanadino velively’
“Lasa tamin'ny fandripaham-bahoaka ny olon-drehetra ary avy eo misy milaza fa tsy nisy mihitsy ny fandripahana. Tena maharary sy mangirifiry izany. Toy ny tsy nanana na iza na iza aho,” hoy ny sisam-patin'i Srebrenica antsoina hoe Nura Begović.
Olompirenena sy mpandraharaha Kroaty maneho amin'ny fomba samihafa ny fanohanany an'i Okraina
Namelatra ny sainampirenena Kroaty ireo mpandray anjara amin'ny hetsipanoherana, nihiaka tenifaneva ary nihira hira okrainiàna. Nisongadina tamin'ilay hetsipanoherana ihany koa ny sorabaventy misy sary mampitaha an'i Donbas sy ny fahirano ary daroka baomba nanjo ny tanàna kroaty tao Vukovar tamin'ny 1991
Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia
Tsy niraharaha ity areti-mandringana ity i Serbia tamin'ny voalohany ary nananihany aza
Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao
Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.
Andro Fahatsiarovana Erantany ilay Famonoana Faobe : Auschwitz an-tsary
Navadiky ny tahiry an-tambajotra "Znaci.net" ho nomerika ireo saripika marobe tao Auschwitz avy amin'ireo tranombakoka isankarazany tao Yogoslavia fahiny. Izy ireny no milaza ny tantara, ankoatra ireo zavatra hafa, momba ny fianakaviana Mandić, gadra avy any Kroasia.
Miparitaka any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ny fampifandraisana ny Coronavirus amin'ny fankahalàna vahiny
Tranganà fankahalàna aziatika notaterina tany Makedsonia Avaratra, Repoblika Tseky, Belarosy ary ... any anaty tambajotran-tserasera sosialy manerana ny faritra.
Ampiasain'ny governemanta kroaty hamatsiana vavahadin-tserasera mampiely vaovao tsy marina ny volan'ny Fiombonambe eoropeana, kianin'ny sampan-draharaha mpanamarim-baovao izany
Vavahadin-tserasera iray malaza amin'ny fanapariahana lainga sy fankahalàna ary fitiava-tanindrazana no nahazo ny famatsiambola natokana ho fanohanana ireo orinasa madinika sy salasalany avy amin'ny tahirimbola eoropeana natao hampivoarana ny isamparitra.
Tsy manana olana lehibe amin'ny vaovao faikany i Kroasia, hoy ny mpanolotra vaovao
Hitako fa tsy dia manana olana lehibe amin'ny vaovao diso izahay aty Kroasia, farafahakeliny, tsy amin'ny fampitam-baovao mahazatra, fa saingy misy ny fanolanana ny zava-misy sasantsasany eo amin'ny fetran'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao.