Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2020

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Avrily, 2020

Mahazo tohana avy amin'ny Fiangonana Ortôdôksa Rosiana ireo vondrona manohitra ny vaksiny any Balkana

Arovan'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ny zon'ireo Ray aman-Dreny hisafidy ny tsy hanao vaksiny ny zanany.

Rosiàna mihiboka (mamerina) mamorona asakanto malaza ety anaty aterineto

Hafaliana tsy omby tratra ny an'ny RuNet, nahita Rosiàna an'arivony maro namerina namokatra ireo asakanto malaza tamin'ny alàlan'ireo fitaovana tsotra fampiasa andavanandro ao an-tokantrano - tamin'ny fomba mahatsikaiky sy indraindray hafahafa.

Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao

Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.

Bernie Sanders no nokendren'ireo Rosiana mpanao sangy ratsy

Nisandoka ho Greta Thunberg sy ny rainy ireo Rosiana roa malaza mpanao sangy ratsy niantso an'i Bernie Sanders mba hanome ny valinteniny. Avy eo niha-ratsy vetivety teo ny resak'izy ireo.

Lahatsary malaza haingana maneso ny fanandratana an'i Potinina tafahoatra

Nanantona sarintava goavana an'i Potinina tao amin'ny toeram-ponenana marorihana iray tao Moskoa ilay bilaogera rosiana Bashir Dokhov. Avy eo izy nametraka fakantsary handraketana ny fihetsiky ny mponina talanjona nijery izany.

Ny governemantan'i Kosovo no voalohany nidaboka ao anatin'izao krizin'ny coronavirus manerantany izao

Niteraka fifanenjanana tao amin'ny ankolafy miara-mitondra nankany amin'ny fialàny eo amin'ny fahefany ny fepetra noraisina vao haingana hiadiana amin'ny COVID-19.

Noteren'ny fitsarana hamoaka ny toe-bolan'ny orina mpanasoa Amerikana ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Hongroà

Nivoaka tao amin'ny dosie ny nitsabahan'i Richard Grenell, talen'ny Sampam-pitsikilovana Amerikana am-perinasa, ao amin'ny orina mpanasoa Hongroa, tranga izay tsy nambara tamin'ny fomba ara-dalàna tany amin'ny Departemantan'ny Fitsarana.