Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2019
Rosia: Nisondrotra ny saran'ny fiarakaretsaka ary miseho ny mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra taorian'ny daroka baomba Moskoa

(2010) Mielipatrana ny fiantraikan'ny daroka baomba tanaty metro vao haingana. Misaona ireo niharam-boina ny vahoaka, mitady valiny amin'ireo fanontaniana maro, mandinika ny ho avin'i Rosia ary maneho fahatezerana amin'ireo ... mpamily fiarakaretsaka sy mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra izay toa manararaotra ny voina.
Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok

Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.
Mikasa ny hanakatona ny ONG mpiaro ny zon'olombelona ela niainana indrindra ao amin'ny firenena ny farany havanana ao Bolgaria
Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana nanomboka tamin'ny taona 2007, nivadika ho farany havanana i Bolgaria tamin'ny taona 2017 raha niara-dia niaraka tamin'ny fiaraha-mitantan'ny antoko nasionalista madinika ny antoko afovoany-havanana GERB an'ny Praiminisitra Borisov.