Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Mey, 2012
Rosia : Miverina Ao Anatin'ny Fiadiana Izay Ho Tompon-daka Eran-tany Amin'ny” Hockey” Taona 2012 ireo Kintan'ny NHL
Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , ary nirehareha tamin'ny fisian'ny All-Star tao aminy, Ny ekipa nasionalin' i Rosia dia niatrika an'i Norvezy amin'ny lalao ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny Hockey 2012. Bilaogera maro no nirehareha noho ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin, niaraka tamin'ny fahatsiarovana ny lasa ratsin'ny Rosia teo amin'nyfifaninanana iraisam-pirenena .
Makedonia: Zavakanto Graffiti Nandritra”Fotoan'ny Antikite Velomina Indray”
Nisy Lahatsary fampafantarana fohy momba ny graffiti Makedonianina ao anatin'ny fotoan'ny fanohanan'ny fitondrana ny zavakanto sady mampiroborobo ny fananganan-trano sy fanorenana goavana nokarakarain'ny manampahaizana vehivavy sady bilaogera roa–Vasilka Dimitrovska sy Ilina Jakimovska–naseho...
Rosia: Vohikala Mampiseho Ny Karaman'ny Mpiasam-Panjakana
Najoro ny tetikasa “Tombontsoam-bahoaka” [ru] mba hahitan'izay liana hahafantatra ny mombamomba ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lefitry ny manampahefana ambony. Narafitra tamin'ny alalan'ny nangonin'ny olona ary navoaka araka izay mifanaraka...
Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana
Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana] izay tsy iza fa i, reggamortis1 [ru], ilay nampita ny fivorian'ny mpanohitra sy ny hetsi-panoherana ao Moskoa.
Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany
Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao...