Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Mey, 2019

Mifaly Ny Rosiana Noho Ny Fibatan'ilay Mpanao Hatsikana Tsy Manana Traikefa Politika Ny Fandresana Ny Fihodinana Voalohany Tamin'ny Fifidianana Ho Filoham-Pirenena Okrainiana

Nisarika ny sain'ny Rosia, firenena mpifanolo-bodirindrina aminy, ny fifidianana filoham-pirenena tao Okraina, niaraka tamin'ny ezak'ireo televizionam-panjakana —izay tena tsy miraharaha an'i Okraina taorian'ny raharaha Maïdan --handoko ny sarinà korontana sy saritaka:

Polonina: Nanomboka nibilaogy ny Praiminisitra teo aloha Jarosław Kaczyński 

Ny 18 Febroary, nanokatra bilaogy i Jarosław Kaczyński, mpitarika ny antoko nasionaly mpandala ny mahazatra ho an'ny Lalàna sy ny Rariny, niteraka fanehoan-kevitra maherin'ny 1.650 ny lahatsorany voalohany tao anatin'ny roa andro monja. Indreto misy ohatra sasantsasany izay mampiseho ny habetsahan'ny fihetseham-po manodidina ity bilaogera vaovao ity.

Belarosia Hafa

litota mpampiasa LJ , any Minsk izy amin'izao fotoana izao, dia nitsidika an'i Vileika tanàna nahaterahany tamin'ny andro fialantsasatra lasa teo ary nandefa ny sarin'ireo ora telo nitsangatsanganana izay nataony nandritra ny naha tany azy (Bel)

Ry Vaomiera Eoropeana ô: Aza avela hampiasa ny tahirinay mba hanodikodinana vato ireo antoko politika ireo

Amin'ny toe-javatra sasany, raha tokony hiaro ny zon'ny tsirairay, dia mametra ny fahalalahana maneho hevitra, manimba ny tsiambaratelo, ary manome vahana ny fanapariahana vaovao diso ireo fiavahana ireo.

Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto

Andron'ny Bilaogy 2005

Nalaza tao amin'ny tontolon'ny bilaogy maneran-tany ny andron'ny bilaogy 2005. Nanampy pejy misy ireo lahatsoratra manan-danja ao amin'ny Technorati isan'ora ny andron'ny fankalazana, izay mandrisika ny bilaogera mba hanolotra bilaogy dimy vaovao avy amin'ny kolontsaina na fomba fijery vaovao hafa ho an'ny mpamaky azy ireo.

Andron'ny Bilaogy 2005

Mandritra ny fotoana lavalava amin'ny 31 Aogositra, handefa soso-kevitra amin'ny blaogy dimy vaovao, tsara raha bilaogy tsy mitovy kolontsaina, fomba fijery sy fihetsika amin'ny tena ireo bilaogera manerana izao tontolo izao. Amin'izany andro izany, dia hahita ireo mpiserasera bilaogera fa niditra sy nahita bilaogy vaovao sy tsy fantatra.

Moldavia: fakàna an-keriny ireo solosaina manokan'ireo tanora 12 noho ny fandefasana tsikera antserasera

Tamin'ny 4 Jona 2008, nandidy ny fandraofana ireo ordinatera manokan'ireo tanora 12 izay naneho hevitra mitsikera ny antoko komonistan'ny fitondrana ao amin'ny Repoblika Moldavia tao amin'ny sehatra fifandraisana amin'ny aterineto sy ny vavahadim-baovao toy ny forum.md, torrentsmd.com, desteptarea.info sy ny unimedia.md ny Fitsarana ao amin'ny Distrikan'i Râşcani ao an-drenivohitr'i Kishinev.

Fihaonana tamin'i Poutine, Arian'ireo mpitarika orinasa any an-tatatra ny zo nomerikan'ireo mpampiasa

Nanatrika fihaonana iray tena nandrandraina fatratra niarahana tamin'ireo mpitarika ny indostrian'ny aterineto Rosiana, tao Maosko, i Vladimir Poutine. Niresaka fahalalahan'ny aterinteo ve ry zareo? Zara raha nisy.

Lehilahy Kroaty nosamborina noho ny fananganana vondrona Facebook manohitra ny praiminisitra

Nosamborina i Niksa Klecak, Kroaty 22 taona izay namorona vondrona Facebook manohitra ny Praiminisitra " Miloka aho fa hahita olona 5.000 tsy tia ny Praiminisitra" [Ivo Sanader] noho izy voalaza fa mampiroborobo fitaovana vaovao-Nazi. Nanambara ny polisy fa nahita marika sy fampielezan-kevitra Nazi tao an-tranony nefa tsy nisy porofo izany.