Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Mey, 2017
Rosia: Voaheloka Hiditra Toby Fanasaziana Mandritra ny Roa Taona Latsaka ny Mpitoraka Blaogy Iray ao Tatarstan
Ny 12 Septambra 2008, nitoraka blaogy momba ireo tsaho milaza ny fahafatesan'i Mintimir Shaimiev, filohan'i Tatarstan, i Irek Murtazin, mpitoraka blaogy iray ao Tatarstan. Tamin'ny Novambra 2009, voaheloka ho nanala baraka sy nampirisika ny fankahalan'ny olona i Murtazin ka voasazy hiditra toby fanasaziana mandritra ny herintaona sy 9 volana.
Hàlatàhaka Manàla Baràka Mahavoarohirohy Ny Minisitry Ny Siansa Sy Ny Fanabeazana, Miteraka Savorovoro Ao Kroasia
Andianà manampahaizana, tohanan'ireo sonia maherin'ny 11.000 voahangona tety anaty aterineto, no mbola mitohy mitaky ny fanesorana ireo mpanao hàlatàhaka tsy ho anisan'ireo mitàna birao ambony amin'ny asam-bahoaka ao Kroasia.
Polonina: Ampitsikio ny Ankizy! – Mora ny Manao Izany!
Mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika hatrany i Tomek sy Weronika na dia mbola tanora tokoa aza izy ireo. Tamin'ny taona 2009, nanomboka ny Dream Mail izy ireo, fanentanana asa fanasoavana izay mampiroborobo ny fanoratana taratasy sy ny karatra paostaly ho an'ireo ankizy marary mafy.
Mpihira Rosiana Nanatevin-daharana Ny Ezaka Fisarihana Mpizahatany Ao Atsinanan'i Okraina Rotiky Ny Ady
Efa ho telo taona tao anatin'ny ady ao atsinanan'i Okraina, niezaka indray hanintona mpizaha tany vahiny ao amin'ny fanjakany tsy nankatoavin'ny iraisam-pirenena ny Repoblikam-bahoakan'i Donetsk sy Luhansk (DNR sy LNR) -miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny iray amin'ireo mpihira (crooner) malaza indrindra ao Rosia.
Okraina: Ny Faharavàna sy ny Fitiavan-karena Tafahoatra
Nandefa sary misy ny sisa tavela tamin'ny faharavàn'ny tobin'ny tanora mpisava lalana taloha teny amoron-dranomasina ao Odesa ilay mpisera LiveJournal, sabeloff ary nizara tantara vao haingana momba ny toerana (amin'ny teny Rosiana) - izay indrisy fa fahita mahazatra ao Okraina ankehitriny:
Maniry Hanomboka Ny Fandikàna Ny Fiteninao Amin'ny Informatika Ve Ianao ?
Torohevitra roa ambin'ny folo ho an'ny rindrambaiko fandikàna teny maimaimpoana ho an'ireo vitsy an'isa sy fiteny indizena.
Makedonia: Hira Adaladala Manao Politika
Rehefa avy nitatitra lohahevitra momba ireo hira amin'ny dokam-barotra mahatsikaiky ao Makedonia ny GVO, nipoitra tao amin'ny habaka Masedoniana ireo ohatra vitsivitsy maromaro. Ny tena voaresaka dia ny hira fanevan'ny Tanora Sosialista [MKD], sampan'ny tanora ao amin'ny Antoko Sosialista Makedonia.
Anjerimanontolo Rosiana Saika Hanolotra Mariboninahitra “Doctorat Honoraire” an'i Duterte, Saingy Nandray Sidina Nody Aloha Loatra Lery
Nanome 'doctorat honoraire' ho an'ny filoha Filipiana Duterte ny MGIMO. Ilay olona iray izay nikarakara rà mandriaka sy nitifitra ny vahoakan'ny fireneny. “Ny mariboninahitra 'Doctorat Honoraire' avy amin'ny MGIMO dia atolotra ireo olom-panjakana, politika sy olontsotra ary diplaomaty miavaka,.." Ireo efa nahazo izany tany aloha : Nicolas Sarkozy, Tayyip Erdogan ary Ban Ki-moon.
Mbola Mitoetra Ao Balkans Ny Nandikana ny Voambolana ‘Alien’ Telopolo Taona Sy Sarimihetsika Hafa Maro Tatỳ Aoriana
"Avy eo nisy ny Alien na Osmi Putnik, izay adika ara-bakiteny hoe "Ilay Mpandeha Fahavalo ". Inona no nandikana ny tohiny? Ireo mpandeha hafa?"
Domà Rosiana, Nanasa Olomalaza Avy Ao Amin'ny Youtube Mba Hiresaka
Vehivavy iray nilona tanaty koveta be iray fandroana feno ovy fisaka voaendy ho an'ireo 5 tapitrisa mpanjohy azy ao amin'ny YouTube, tonga nitsidika ny Domàm-panjakana i Sasha Spilberg ny Alatsinainy teo.