Makedonia: Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana Nokarakaraina Hatao Ny Sabotsy 17 Martsa

Nikarakara Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana tamin'ity Sabotsy (17 Martsa) ity ireo vahoaka avy amin'ny foko maro ao Makedonia ho toy ny fanehoana ny ahiahin'izy ireo fa hoe ireo heloka bevava atosiky ny fankahalàna tato ho ato dia fambara ratsin'ny ady an-trano.

Nomanina hatao ny Sabotsy 17 Martsa 2012 ao amin'ny Kianja Malalaky ny tanàna ao Skopje amin'ny 2 ora tolakandro ny Diabe , ary efa naely ny antso tamin'ny alalan'ity  hetsika Facebook ity [mk], hetsika Tweetvite [mk], ny kaonty Twitter Zaedno za mir (Mivondrona ho an'ny Fandriampahalemana) ary ny tenifototra #PEACEmk, #ZaednoZaMir, #zzm na #marshnamirot

Ilay hetsika [mk] dia ireo mafàna fo sy fikambanana sivily manodidina ny 50 teo ho eo no nikarakara azy, nahitàna ny firotsahan'ireo mpanakanto sy olo-malazan'ny filazam-baovao avy amin'ny foko samihafa ao an-toerana izay tsy maniry ny hahita ny hiverenan'ny fifandonana nisy tamin'ny 2001 (fantatra ihany koa tamin'ny hoe ny  “antsasa-potoana faharoa” [mk]). Hoy izy ireo :

Together for Peace poster. The symbol of overlapping word balloons also spreads as a Facebook profile pic.

Saribe'ny Mivondrona ho an'ny Fandriampahalemana. Sary famantarana ahitàna balaonina roa mifampiditra misy teny, nampiasaina koa ho famantarana ao amin'ny Facebook.

Izahay dia:
MANKAMAMY fandriampahalemana!
MANKAMAMY fiaraha-miaina fa tsy fitsitokotokoana!
MANKAMAMY fampitoniana ny fifanenjanana!
MANKAMAMY ny tsara amin'ny olon-drehetra!
MANKAMAMY Finamànana!
MANKAMAMY Fiarahamonina lavitry ny herisetra!
Tsy misy fanohintohinana ny zo sy fanodinkodinan-tsaina!
Raisinay an-tanan-droa ireo rehetra izay mitolona ho fampihenana ny fifanenjanana sy manangana fanairana mba hiainan'ny rehetra miaraka!
Ity dia olana iray amin'ny fahatsiarovantena amin'ny maha-olom-pirenena sy ny maha-olona.
Ndeha isika hamboly ny voan'ny fitiavana.
Irintsika izany ary azontsika atao!

Ilay Diabe dia ho setrin'ireo fivoaran'ny andianà herisetra nitohitohy teo amin'ireo foko , tafiditra amin'izany koa ny fandraisana andraikitra milona be [mk, sq] sy mampanontany tena ny maro ataon'ny manampahefana mikasika ny famonoana an'i Gostivar taoriana/nandritra ny fifamaliana mikasika resaka toerana hametrahana fiara tamin'ny 28 Febroary, ireo hetsi-panoherana taorian'ny fandevenana ary ny fitoraham-bato ireo toeram-pivarotana, narahana andiana herisetra nahitàna fanafihana miendrika “valifaty”  “tampoka” – fidarohana ireo mpandalo teny an-dàlana taminà tanàna  Makedoniana maro sy tany anaty fitateram-bahoaka tao Skopje, nahatonga faharatràna mafy ho an'olona efa ho am-polony.

Izany rehetra izany dia nitanila avokoa ny fomba nitateran'ny fampahalalam-baovao azy, tonga hatramin'ny kabary feno fankahalàna ankarihary [mk] any anatin'ireo media ara-barotra mitsinjarazara ara-poko/ara-piteny izay mbola amperin'asa. Ny vanim-potoana niharatsian'ny toe-draharaha ara-pandriampahalemana tao Makedonia dia nanomboka tamin'ny faramparan'ny Janoary, ary nialohavan'ny  hetsika nasionalista efa nanaovana ezaka elabe avy amin'ny foko eo amin'ny fitondrana ao Makedonia, sy ny antokon'ireo foko avy any Albania teo anivon'ny vondron-dry zareo “manokana”, ary ny rafit-pitsarana “nentin-drazany” momba ny tsimatimanota na ny famelan-keloka omena ireo nahavanon-doza tsy nahy noho ny heloka bevava natosiky ny fankahalàna. (Ny fomba fteny hoe heloka natosiky ny fankahalàna dia tsy misy araka izay famaritana izay ao anatin'ny rafitry ny lalàna Makedoniana, na dia hoe aza raisina ho heloka goavana ny fihaikàna fankahalàna ara-poko sy ara-piaviana.

March for Peace poster by Nebojsha Galevski - Bane. Published with intend to be shared and republished.

Sary lehibe momba ny Diabe Ho an'ny Fandriampahalemana avy amin'i Nebojsha Galevski – Bane.

Ireo mpandray anjara amin'ity hetsika ity dia samy naneho ny faniriany hiara-hiaina amin'ireo olona mitovy aminy avy amin'ny foko samihafa amin'ny alàlan'ny fanolorana dikanteny samihafa avy amin'ilay antso, ary koa amin'ny famokarana zavatra isan-karazany maro samihafa. Ohatra, ilay mpanome endrika, Nebojsha Gelevski-Bane, dia namorona ilay saribe etsy ambony, ary ilay talem-pamokarana sarimihetsika, sy seho an-tsehatra, Srđan Janićijević, dia nampakatra sary iray hafa manohana ny hisian'ny fandriampahalemana, ary lahatsary iray fanaovana dokambarota.

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.