Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Marsa, 2019
Mpandraharaha Slovaky voampanga ho nanome baiko ny famonoana ilay mpanao gazety Ján Kuciak sy ny fofombadiny
"Dingana iray manan-danja izany, ary anisan'ny tsy fahita firy amin'ny famonoana ireo mpanao gazety. Manantena izahay fa hitazona ny fampanantenany amin'ny hitondrana ireo nahavanon-doza rehetra any amin'ny fitsarana ny manampahefana."
Mpanao gazety Rosiana noterena hiala noho ny fitsikerany ireo manampahefana ao St. Petersburg tao amin'ny fantsona Telegram
Nilaza i Maria Karpenko, mpanao gazety ao amin'ny Kommersant, iray amin'ireo gazety mpivoaka isan'andro malaza ao Rosia fa noterena hametra-pialana izy rehefa avy nifanatrika taminy momba ny fantsona Telegram tantaniny ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra.
‘Tsy raboto izahay!’ Fihetsiketsehana ao Berlin manohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eoropeana momba ny sivana amin'ny fampidirana votoaty antserasera
Olona 5.000 teo ho eo no nivory tao Berlin tamin'ny 2 martsa mba hanohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eorpeana mifehy ny zon'ny mpamorona izay mety hanova tanteraka ny fahavitrihana amin'ny fandefasana sy fizarana votoaty an-tserasera.
Mampiasa vola be amin'ny fanatanjahantena ara-miaramila sy famelomana tantara mba hanatsarana ny fitiavan-tanindrazana i Viktor Orbán ao Hongria
Nandrotsaka euro an-arivony tany amin'ireo fikambanana ara-panatanjahan-tena sy ireo vondrona mpamelona tantara ny minisiteran'ny fiarovana Hongroà mba hampiditra ao an-tsaina ny fahatsapana fitiavan-tanindrazana eo amin'ny tanora, araka ny tatitra avy amin'ny Atlatszo.hu, fampahalalam-baovao tsy miankina mpanao fanadihadiana.
Noraràn'ny manampahefana Rosiana ny famokarana teatira ho an'ny tanora noho ny fampiroboroboana ny ‘fifandraisana ara-pianakaviana tsy nentim-paharazana’
Vao haingana i Rosia no nandany andianà lalàna mpandala ny nentin-drazana ara-tsosialy mikendry ireo mpikatroka, vondrona mpiaro ny zo ary ny fampitam-baovao an-tserasera ho an'ny rehetra izay lazaina fa "mampiroborobo ny faha-pelahana ho an'ny ankizy tsy ampy taona."
Mihantsy Ny Fankahalan'i Makedonia Ireo LGBT Ny Hetsika Fanentanana ‘Olombelona Koa Ireo Mpankahala Pelaka’
Ratsy ny toe-draharaha mikasika ny zon'ny olona LGBT any Makedonia, miaraka amin'ny rafitra tsimatimanota ho an'ireo heloka bevava noho ny fankahalana atao an'ireo vitsy an'isa ara-pananahana ao amin'ny firenena.
Sangy Ratsin-dry zareo Rosiana Momba ny Sivana Anaty Aterineto
Namorona fomba saro-takarina sy tsy hampahazo aina an'ireo mpanivana, ary hatramin'ireo tranonkala mpomba an'i Kremlin ireo mpikatroka ao amin'ny RuNet mba hialàna amin'ny sivana sy ho famaliana bontana.
Simba ny demaokrasia ao Albania, miala ao amin'ny parlemanta ny mpanohitra ka manao famoriam-bahoaka goavana
Albaney an'arivony no nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka notarihan'ny mpanohitra tamin'ny 21 Febroary tao an-drenivohitra Tirana. Mitaky fifidianana vaovao izy ireo taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Voice of America sy ny Balkan Investigative Reporting Network nilaza fa niara-niasa tamin'ny andian-jiolahy tamin'ny tetikady fividianam-bato ireo manampahefam-panjakana tamin'ny fifidianana 2017.