Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2021
Vehivavy nanamontsana ny zavabita tsara indrindra erantany tamin'ny fifaninanana fitsotsorana maka aina ela indrindra tao Montenegro
Taorian'ny 117 ora nitsorany - miato kely rehefa hisaika - zavabaovao iray no tsapan'ilay mpandresy rehefa niala teo: sarotra ny mitsotsotra.
Ampamoahan'ny fitsarana rosiana trosa matevimbe ny orinasa media sosialy lehibe noho ny fanitsakitsahana ny fitsipiky ny famangitana
Takian'ny lalànan'ny famangitana lahatahiry, nolaniana tamin'ny taona 2015, ny orinasan'aterineto rehetra mikirakira lahatahirin'ny mpisera rosiana hitahiry izany lahatahiry izany amin'ny boatin-drakitra (servers) hita maso miorina ao anatin'i Rosia.
Fampahalalam-baovao tsy miankina nampidirina lisitry ny “kasinga vahiny” fanampiny ao Rosia
"Ary amin'ny lisitry ny kasinga vahiny, amin'izao fotoana izao ahitana olona maotina maro dia maro sy ranty toa izany koa ao izay manjary mahamenatra fotsiny izao ny tsy maha-ao anaty lisitra anao."
Nopetahan'ny fitsarana Belarus ho “extremiste” ny seha-mpampitam-baovao mahaleotena Tut.by, Zerkalo.io
Ny didy dia mihatra amin'ny singam-botoaty tsirairay ao amin'ny tranonkala, sy ny votoaty rehetra naranty tao amin'ny fantsona media sosialiny.
Bielarosiàna mpihazakazaka haingam-pandeha, noroahan'ireo manampahefana Belarosiàna handao ny Lalao Olaimpika, milaza fa hangataka fialokalofana
Nanambara i Krystsina Tsimanouskaya, 24 taona, fa tsy atahorany ny ho ahilika tsy ho ao anaty ekipam-pirenena, fa ny hogadraina raha vantany vao tafaverina ao Belarosia.
Nifampiampanga tamin'ny fifandonana vaovao i Armenia sy i Azerbaijan
Ity no fifandonana nahafatesan'olona betsaka indrindra hatramin'ny fampitsaharana ady notarihin'i Rosia izay natao hamaranana ny ady 44 andro teo amin'i Armenia sy Azerbaijan tamin'ny volana Novambra 2020.
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Nobahanan'ny mpanao sivana aterineto Rosiana ny tranonkalan'ny Ekipa Navalny
Nampiana ho ao anatin'ny lisitry ny tranonkala voabahana ao Rosia miaraka amin'ireo tranonkalan-tambajotram-pirenena ao amin'ny biraom-panentanana ho an'i Navalny miisa 40 hafa ny tranonkala fototra, navalny.com, sy ny free.navalny.com.