Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Novambra, 2019
Noraràna tsy hiditra tamin'ny resaka nataon'i Poutine tao Budapest ny sasany tamin'ireo vahiny mpanao gazety
Ity tantara ity dia navoaka tao amin'ny Atlatszo, sampanasa iray mpanadihady an'ny asa fanaovangazety hongroà, .Ny dika omena eto ambany dia tafiditra ao anatin'ny fiarahana miasa amin'ny Global Voices. Toy...
21 no maty ary anjatony ny maratra tamin'ny fihovitrovitry ny tany mahery tao Albania
Farafahakeliny 21 no maty ary mihoatra ny 600 no naratra taorian'ny horohorontany mahatratra ny maridrefy 6,4 nahazo an'i Albania ny marainan'ny talata 26 Novambra 2019. Ny foiben'izany dia tao an-tanàna seranantsambon'i Durrës, tokony ho 32 km avy ao an-drenivohitra Tirana.
Mitsapa ny fampiasan'ny miaramila rosiana ny media sosialy ny fialan'i Etazonia ao Syria
na teo aza ny fepetram-piarovana vaovao momba ny torohay, dia maniry ny tafika rosiana hanome vahana ny lahatsoratra media sosialin'ny miaramilany rehefa mety ny manao izany.
Tanora te-hanampy ireo iharan'ny herisetra an-tokantrano ao Albania amin'ny alàlan'ny fampiharana vao noforoniny
Fampiharana iray mampifandray ireo efa sisampatin'ny herisetra an-tokantrano aminà toeram-pialofana, ny polisy ary ireo vondrona mpanohana.
Mitaky RuNet madio ilay reniben'ny aterineto rosiàna
Raha ny fijerin'i Yelena Mizulina, toerana iray mampahatahotra ny aterineto rosiàna. Miaraka amin'ity famelabelarana avy amin'ny RuNet Echo ity, fantaro ny momba ilay hetsika farany fanivànana ataon'ny Reniben'ny Aterineto.
Tsy manana olana lehibe amin'ny vaovao faikany i Kroasia, hoy ny mpanolotra vaovao
Hitako fa tsy dia manana olana lehibe amin'ny vaovao diso izahay aty Kroasia, farafahakeliny, tsy amin'ny fampitam-baovao mahazatra, fa saingy misy ny fanolanana ny zava-misy sasantsasany eo amin'ny fetran'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao.
Mandà ny fangatahan'ny antoko avy any amin'ny farany havanana hanidy ONG mpiaro ny zon'olombelona ny mpampanoa lalàna Bolgariana
Tamin'ny 30 Septambra, nangataka tamin'ny fomba ofisialy ny hanafoanan'ny mpampanoa lalàna ny BHC ny mpikambana roa avy ao amin'ny VMRO-BND noho ny "fitsabatsabahany ny asan'ny fitsaràna" sy ny fanaovany "hetsika manohitra an-karihary an'i Bolgaria."
Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana
Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.
Miady amin'ny fahadisoam-panantenana amin'ny alalan'ny vazivazy ny mpisera Twitter avy ao Makedonia Avaratra
Tsy tontosa ny daty hanombohana fifampiraharahana amin'i Albania sy Makedonia Avaratra hidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, noho ny tsy fisian'ny fanohanana avy amin'i Frantsa.