Tantara mikasika ny Bosnia Herzegovina
Jelena Milušić sy Merima Ključo : ny fanahin'ny ao Balkàna avoaka amin'ny alàlan'ny mozika
Ahafahana manome aina indray ny lovan'i Bôsnia-Herzegôvina io fampivadiana feona contralto amin'ny angorodao io, ny tononkalon'ny taonjato faha-19 hatramin'ireo hiran'ny Jiosy sefarady
Sevdah: Fampiarahana lavorary eo amin'ny fanavaozana sy ny fikojakojana
Sevdalinka (fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe sevdah) no fomba fanehoana ny mozika folk an'i Bosnia sy Herzegovina, izay niorim-paka lalina tamin'ny kolontsaina ara-mozika any amin'ireo firenena Balkana Andrefana hafa maromaro.
Lasa malaza any amin'ny firenena Balkana maro ny sarimihetsika Serba mikasika ilay mpihira Romà
Nahazo fahombiazana ara-barotra tany amin'ny firenena Balkana mifanakaiky maromaro i Džej Ramadanovski, mpihira Serba avy amin'ny foko Romà, sarimihetsika momba ny tantaram-piainana sy ny asan'i Džej Ramadanovski.
Fanontàna ho amin'ny fiteny Romani ny tantara an-tsary Dikan mivoaka ao Serbia
Nosisihan'ny "Politikin Zabavnik", gazetiboky serba malaza, takelaka tantara an-tsary "Dikan" ny fanontàna roa farany nataony, sambany amin'ny fiteny serba sy romani
Barbie ao Balkàna : Avy amin'ny vaovao diso mankany amin'ny alahelo an'i Yogoslavia
Nampiasaina ho toy ny fitaomam-panahy ho amin'ny vaovao diso ao Balkàna ny vaovao mikasika ny fandraràna ilay sarimihetsika Barbie ao Vietnam, miaraka amin'ny filazana diso mikasika ny sivana ao Serbia.
Fahatsiarovana ny fandripaham-bahoaka Bosniaka ao Tuzla: ‘Tsy mitafy fankahalana izahay, fa tsy hanadino velively’
“Lasa tamin'ny fandripaham-bahoaka ny olon-drehetra ary avy eo misy milaza fa tsy nisy mihitsy ny fandripahana. Tena maharary sy mangirifiry izany. Toy ny tsy nanana na iza na iza aho,” hoy ny sisam-patin'i Srebrenica antsoina hoe Nura Begović.
Nodimandry i Moris Albahari, iray amin'ireo sisa mpiteny ny fiteny Ladino ao Bosnia,
Ny Ladino na jiosy-espaniôla dia fiteny romàna iray andalam-panjavonana, nipoitra avy amin'ny espaniôla fahagola, nampiasain'ireo Jiosy sefarady 60.000 eo ho eo nonina tao Israely, Tiorkia, Balkàna, Afrika Avaratra ary tany amin'ireo ampahany fahiny tamin'ny Ampira ôtômana.
Tonelin'ny Fanantenana: Fomba iray nivoahana velona nandritra ny fahirano nahazo an'i Sarajevo
Tanaty ezaka iray mba hivoahana velona sy hifandraisana amin'ny tontolo ivelany nandritra ilay fahirano naharitra efatra taona (1992.1996), nandavaka tonelina tao an-tokotanin'ny fianakaviana Kolar ireo mponina tao Sarajevo
Diaspora avy ao Bosnia & Herzegovina : Manjavozavo ny fijery ny tokantrano sy ny tanindrazana
Navoitran'ny fanadihadian'ny Balkan Diskurs fa mifanohitra ny fomba fijerin'ireo Bosniaka miaina any ivelany, miainga avy amin'ny sary lafatra anehoana ireo endrika miabon'ny fireneny fahiny, ary tonga hatramin'ny hadisoam-panantenana miverimberina manoloana ny zavamisy, tsy fivoaran'ny pôlitika sy toekarena.
Manohana an'i Okraina sy ny vahoaka Okrainiana i Sarajevo
Naneho fangorahana tamin'ireo vahoaka mijaly ao Okraina ny Bosniaka, mifototra amin'ny fahatsiarovany ny fijaliany manokana nandritra ny ady tamin'ny taona 1990, anisan'izany ny fahirano an'i Sarajevo naharitra 3 taona.