Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Desambra, 2013
Esorina Any Amponjan'i Rosia Hamenoana Ny Seza Ao Amin'ny Sochi 2014

Rosiana bilaogera maro no mino fa mitàna toerana lehibe ao anatin'ny famotsoran-keloka nisy tamin'ny herinandro lasa ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny Andro Ririnina Sochi hatao amin'ny taona hoavy ka nanafahana ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny "Arctic Sunrise" Greenpeace sy ireo mpiangaly gadona rock malaza Pussy Riot , ary hatramin'ny famelan-tsazy nomena an'i Mikhail Khodorkovsky
Afaka Nibitsika Ihany Pussy Riot Nony Farany!

Efa mampanonjanonja sahady ny tontolon'ny fitorahana bilaogy kiritika ry Maria Alekhina sy Nadezhda Tolokonnikova.
Tambajotran'i Kaokazy: Momba ny Fiteny

Tsy misy na dia tenin-teratany iray aza ka tsy teny Rosiana mba mahazo vahana any amin'ny sehatry ny famahanam-bilaogy ao Kaokazy Avaratra, eny fa na dia amin'ireo sehatra natokana ho fiadian-kevitra amin'ny raharahan-tokantrano ao amin'ny faritra aza dia atao amin'ny teny Rosiana.
Mety Hanakatona Ireo Habaka Mamoaka Vaovao Momba Ny Famoriam-bahoaka Tsy Nahazoan-dalana Ny Governemanta Rosiana

Hifidy lalàna manome fahefana ny biraon'ny Mpampanòa lalàna hanakatona izay habaka mampiantrano vaovao mandrisika ny vahoaka hanatrika fihetsiketsehana tsy nahazoan-dalana ny parlemanta rosiana
Okraina: Ho Fanoherana Ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana, Nanakana Tranonkalan'ny Governemanta Ireo Mpijirika
Araka ny tatitry ny Global Voices, tsy voalohany izao no naneho ny tsy hafaliany amin'ny governemanta Okrainiana tamin'ny alalan'ny fanidiana ireo vohikalany na ny famoahana antsokosoko ny mombamomba ny governemanta ireo vahoaka Okrainiana mahafehy ny momba ny teknolojia
“Mampatahotra An'i Putin Ny Tontolo Ivelany”: Miady Hevitra Mikasika An'i Okraina ireo Rosiana

Misy "plugin" Twitter iray ve afaka ampiasaina hanapahana ireo mpitsikera politika rehetra izay, mitoetra eo amin'ny tranokely fisotroan-kafe ao Maosko, ka miady hevitra mikasika ny lahatr'i Okraina?
Tsia Amin'ny Fitaovam-Piadiana Shimika Syriana Hopotehina Any Albania
Nandeha ny tatitra fa hopotehina any Albania ny tahiram-pitaovam-piadiana Shimika Syriana. Notsipahan'ny governemanta Albaniana ny tolo-kevitra rehefa nahatezitra ny Albaniana ka nidinan'izy ireo an-dalambe.
Ny Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogeran'i Dagestan Rasul Kadiev

Rasul Kadiev dia mpisolovava, teraka sy lehibe tao Makhachkala, Dagestan. Matetika ao anatin'ireo bilaogera dimy voalohany mavitraika ao amin'ny faritra, manoratra amin'ny teny rosiana izy ary miserasera amin'ny LiveJournal.
Na Handrotsaka Na Hanakana Ny Fanambadian'ny Mitovy Fananahana i Kroasia
Tamin'ny 1 Desambra 2013, nandeha nifidy tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka izay manolotra ny famaritana ny mariazy ho fiarahan'olo-ndroa eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray ho anaty lalàmpanorenana ny olom-pirenena Kroaty.
Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogera Ao Grozny, Ali Suleymanov

28 taona i Ali Suleymanov, mpahay maritrano sy mpanaingo trano teraka tao Tsetsenia, nandany ny fahatanorany tao amin'ny faritr'i Moskoa, nandia fianarana tao ary niasa toy ny mpanaingo ivelan'ny trano