Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Mey, 2015
Ny Fitiavan-tanindrazana Ahazoan-tombon'ny Fifankatiavan'i Vladimir Poutine Sy Ireo Mpitondra Môtô
Tsy vaovao mihitsy ny fifankatiavan'i Poutine sy ireo mpitondra môtô, fa tena mipoaka be tsy mbola nisy ohatra izany ny lanjan'ny mpitondra môtô "Night Wolves" ao Rosia sy any ivelany.
Lavin'ny Google Ny Filazàn'ny Media Rosiana Momba Ny Hetsika Angon-drakitra Fijerena Toerana
Nolavin'ireo solontenan'ny Google ireo tatitra tany anaty media Rosiana nanamafy fa hoe noforitra ny Google teo anoloan'ireo fangatahan'i Rosia ary niroso tamin'ny fitahirizana ny angon-drakitra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina iray ao amin'ny firenena ary nolazainy fa "tsy mitombina" ireny
Bahanan'ny PayPal Ireo Tolo-bola Ho Fanontàna Ny Tatitr'i Boris Nemtsov Momba Ny Ady Tao Okraina
Nampahafantarin'ny PayPal ny ekipan'ny tatitra "Ady.Putin" fa tsy azo ampiasaina ny tolotra mba "hanangonana vola hamatsiana hetsiky ny antoko politika na tanjona politika ao Rosia.”
Manao Fefy Olona Manodidina Ny Mpitandro Filaminana Ireo Vehivavy Makedoniana Mba Hitazonana Ny Hetsika Hilamina
Fandraisana anjara tamin'ny andro faharoan'ny hetsika mitaky ny rariny taorian'ireo horonam-peo niporitsaka hita ho toa mampiseho ireo mpiasam-panjakana miezaka ny hanarona fotsiny ilay famonoana tamin'ny taona 2011 nataon'ny mpitandro filaminana.
Ny ‘Hakanton'ny’ Tsy Fahazakàna Lahy Tia Lahy Na Vavy Tia Vavy, Rosiana
Nitondra ny lohateny hoe "Olona Tsara Tarehy sy ny Zavatra Nolazain'izy Ireo Ahy," ilay fikatrohana mafàna fo miaro ny zon'ny LGBT. Lena Klimova, dia nandefa ireo sarin'ireo olona tsirairay amin'ireo fiainany andavan'andro, sy ireo hafatra mandrahona nalefan'izy ireo ho azy tao amin'ny aterineto.
Mailaka Tafaporitsaka Mamoaka ireo Teny Nolazain'i Vladimir Putin Tamin'ireo Mpitondra any Ivelany
Afaka alahatra ao anatin'ny tatitra karazany telo ireo mailaka tafaporitsaka: safidin-tsakafo amin'ny fivoriana izay natrehin'i Putin, famintinana ny sakafo nokarakaraina nandritra ny fivorian'i Putin tamin'ireo mpitarika any ivelany, ary ny tena mahaliana dia ny resak'i Putin tamin'ireo olona nasainy.
Nahavotra Tovovavy Chechen Tsy Hanambady Kapiteny 57 Taona Ve Ilay Mpanoratra Gazety? Tsia.
Nitatitra ny RuNet Echo tamin'ny herinandro lasa fa nahavita nanakana tovovavy Chechen 17 taona tsy hanambady kapitenin'ny polisy 57 taona tsy vokatry ny fony ilay mpanoratra gazety tsy miankina Rosiana. Fantatra ankehitriny fa tontosa ihany ilay fanambadiana na dia izany aza.
Ny Fomba Mety Hamotehan'ny Dihy Vody Ny Fandraharahàna Madinika Rosiana
Nampiasa fomba fandihy tsy fampiseho masoandro mba hampahafantarana ny vokatra avy aminy ny orinasa Rosiana iray mpanao vokatra ho an'ny fikarakarana tarehy, ary politisiana Rosiana iray no nilaza fa manao "fihetsika fitondrantena ratsy" manohintohina ireo ankizy tsy ampy taona ny dokambarotr'ilay orinasa.
Makedoniana Mpanao Gazety: Manohitra Ny Fandrahonana Ho Faty
Mifamory ireo Makedoniana mpanao gazety mba hanohitra ny fandrahonana nataon'olona tsy fantatra ho anà mpanao gazety iray manana ny lazany, mpilaza vaovao amin'ny fahitalavitra.