Makedonia: Mitohy Ny Raharaham-Panarahamaso Ny Fahalotoan-dRivotra ao Skopje

Nandray fepetra tamin'ny tsy fisian'ny rafi-pandrefesana ny taha-pahadiovan'ny rivotra an-tserasera ao Skopje tamin'ny alalan'ny famoahana saripika eo amin'ny bolongana ny ONG Greenbox.

Nitsahatra tsy nanome vaovao an-tserasera intsony nanomboka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2012 [mg] ny rafi-pandrefesana ny fahadiovan'ny [fahalotoan'ny] rivotra tao an-drenivohitra Makedonianina. Ela loatra ny fandraisan'ny fiadidiana ny tanàna ny andraikiny, ka niteraka fahatezerana teo amin'ny mponina ao an-toerana izany, izay naneho ny fisalasalany tamin'izay antony nanapahana ny  fanatanterahana ity fomba mampiseho mangarahara ity.

Manohy mijery akaiky ny fandrosoan'izany raharaha izany ny Greenbox, mandefa vaovao farany foana ao amin'ny bilaoginy sy ny pejy Facebook. Tamin'ny Febroary, niteraka tsy fifaliana faobe teo amin'ny olom-pirenena ihany koa ny tsy fahaizana manatanteraka ny fandraisana andraikitra.

Hafatra tao amin'ny Fisefoana Skopje Milaza fa misy zavatra tsy mety kely tamin'ny 15 Feb 2012. Saripika: bilaogin'ny Greenbox.

Namaly ihany ny tanàna tamin'ny fanofana orinasa iray hanamboatra ny efijery toa andro taoriana [mk], ary taorian'izany dia namoaka filazana fa eo ampikarakarana [mk] mandritra ny taona. Manoratra ny Greenbox:

Araka ny antontan-kevitra navoakan'ny tanànan'i Skopje eo amin'ny fitaovana elektronika mampanao tolo-bidy dia tokony hametraka tolo-bidy mialoha ny 2 marsa ny orinasa, ka izay mahavita ny mora indrindra no hofantenana. Tsy milaza manokana ny filazana raha voatery hamelona indray ny takelaka an-tserasera “Fisefoana Skopje”, fitaovana mamoaka mivantana ny marik'isa tondroin'ny mari-pandrefesana,  izay mahazo ny tolo-bidy na tsia. Io takelaka io no ahafahan'ny mponina an'arivony mahalala vaovao haingana indrindra momba ny fahalotoan'ny rivotra, izay avy folo heny noho izay fetra farany ambony azo leferina indraindray. […]

Screenshot of a post from Greenbox blog with photos of the Skopje Breathing display.

Nandritra izany fotoana izany, Greenbox nanambara fa hamoaka izay marik'isa miseho amin'ny alalan'ny bolongana ny mpikambana ao aminy isa-maraina ary nanao izany nandritra ny folo andro farany.

Nanasa ny mpiara-monina ihany koa ry zareo haka sary izay hita eo amin'ny efijery amin'ny fotoana hafa mandritra ny andro k handefa izany any amin'ny Greenbox, satria mety hiova noho ny fiasan'ny orinasa sy ny fifamoivoizana ny taha-pahalotoana. Ny fandrefesana voarakitra mivoaka ao amin'ny Sokajy “Fisefoana Skopje” [mk] ao amin'ny bolongana Greenbox dia nampiseho ny ambaratongan'ny kalitaon'ny rivotra nandritra ny andro faramparany, miainga amin'ny “mahafarofy” mankany amin'ny “eo ho eo ny fahalotoana” ka hatramin'ny “madio.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.