· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Janoary, 2019

Rosia: Bilaogera ao Kemerovo iray hafa notoriana noho ny fanalam-baraka

GV Mpisolovava

Nanomboka ny raharaha heloka bevava nanenjehana an'i Alexander Sorokin monina ao Kemerovo (aka mpisera LJ commentator40), hoy ny tatitra [RUS] avy amin'ny Echo Moskvy. Voampanga ho nanala baraka ny governoran'i Kemerovo, Aman Tuleev [EN] tamin'ny lahatsoratra [RUS] izay nampitaha ny governoram-paritra Rosiana tamin'ireo mpanao didy jadona Amerikana Latina i Sorokin.

15 Janoary 2019

Maty novonoina ny mpamorona sady webmaster-n'ny mpanohitra ao amin'ny tranonkalam-baovao Ingush

GV Mpisolovava

Maty novonoina i Magomed Yevloyev, mpamorona sady webmaster-n' ny tranonkalam-baovaon'ny Ingush mpanohitra, Ingushetiya.Ru, nandritra ny fihazonan'ny polisy azy. Nitatitra ny tranonkalany fa voatifitra teo amin'ny lohany i Magomed rehefa avy nosamborin'ny manampahefana Ingush tamin'ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina Nazran (Magas). Nodimandry tany amin'ny hopitaly izy.

09 Janoary 2019