Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Janoary, 2023
Hiteraka disadisa ara-diplaomatika eo amin'i Kazakhstan sy i Rosia ve ny fijoroan'ny yurt iray ao Okraina?
Nipongatra tao Okraina ny yurt kazakh manome fanampiana mahaolona. Raha mahita izany ho fanohanana amin'ny fomba ofisialy an'i Kyiv dia namaly tamin'ny alalan'ny fanerena ny manampahefana kazakh i Moskoa.
Novalian'ilay Rosiana mpihira ilay hoe ‘Voninahitra ho an’i Okraina’. Tian-dry zareo hofoanana ny zom-pireneny ankehitriny
Nanohitra an-karihary ny ady nanomboka tamin'ny volana Febroary 2022 ilay mpihira Valerii Meladze. Ankehitriny dia mety hiharan'ny voka-dratsin'izany izy noho ireo teny sendra nambarany tao Dubai ho fanohanana an'i Okraina.
“Ho fahavalon'ny fitondrana Rosiana mandrakizay aho” hoy ilay TikToker ao Moldavia
Ity no tranga voalohany nijoroan'ny TikToker iray monina tany Rosia teo aloha manohitra ny fitondrana Rosiana ampahibemaso ary manohana an'i Okraina.
Fomba fito nataon'i Môldavia hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny 2022
Ny Newsmaker, Media Moldavy mahaleotena, no nandrafitra lisitra iray misy ireo fomba fito nataon'ny firenena hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny taona 2022.
Nahatezitra ny governemanta tao Azerbaidjan ny tsy fahatongavan'ny iraisampirenena nitsidika ilay faritany antom-pifandirana teo aloha
Toa nanafintohina an'ireo manampahefana ny tsy fisian'ireo solontenan'i Etazonia sy Frantsa nandritra ilay hetsika natokana ho an'ny "famerenana amin'ny laoniny sy fanarenana" ireo faritany tafaverina amin'i Azerbaijan taorian'ny ady.
Fanafihana iray hafa nahazo ny foibe LGBTQ+ ao Podgorica no manasongadina ny filàna fiarovana ny zon'olombelona ao Montenegro
Jiolahimboto tanora miisa enina mitondra bara vy no nikasa hiditra ankeriny tao amin'ny ivon-toerana LGBTQ+ Drop In center tao Podgorica. Ny andro mialohan'io dia nisy andiana tovolahy mitovitovy tamin'ireo nandrahona ny mpiasa.
Kosovo: Fanafihana enina natao tamin'ny mpanao gazety tamin'ny volana Desambra rehefa nitombo ny fihenjanana
Tandindonin-doza ny tontolon'ny media ao Kosovo noho ny fanafihana ara-batana vao haingana sy ny fiantraikan'izany amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny tatitra momba ny fivoarana any amin’ny faritra avaratry ny firenena.
Undertones any Rosia: Ady, Fampielezan-kevitra, ny Tandrefana
Mizara ny sasany amin'ireo fitantarana matanjaka indrindra miparitaka any Rosia sy izay azontsika antenaina amin'ny taona 2023 ireo mpikaroka.