Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2018
Mametraka “Tsangambato” ho an'ireo Fanafody Fampitoniana Ao Skopje ireo Mpanakanto Tsy Mitonona Anarana
Nisy sary sokitra hafakely nipoitra tao Skopje, renivohitr'i Masedonia, ny 9 martsa: tsangambato ho an'ilay fanafody fampitoniana, Diazepam (fantatra ihany koa amin'ny anarany hoe Valium).
Fehezam-boninkazo mena enina sy tapaka lohana ondrilahy: Fandrahonana ho faty ho an'ny gazety Rosiana tsy miankina iray
Napetraka teo am-baravaran'ny gazety Novaya Gazeta, fampahalalam-baovao mahaleotena any Moskoa ireo entana mampatahotra ireo, tamin'ny ezaka mazava handrahona sy hanampim-bava ireo mpanao gazety mpanadihady ao amin'ny gazety.
Shina: Sary Anehoana ireo Fitsaràna an-tendrony Ara-Kolontsaina sy Ara-poko
Lasa nalaza be ny Shinoa vlogger iray niaraka tamin'ny fangalany tahaka ny firokin'ireo Aziatika manodidina azy sy ny kolontsaina manerana izao tontolo izao. Inona koa moa anefa no mahasamihafa ireo tsy fitoviana ireo amin'ny fitsaràna an-tendrony hitanao tany an-kafa?
Rosia: Ireo Mpifidy Tsy Legioma ary Vaovao Hafa Mikasika Ny Fifidianana
Roa herinandroa sisa mialoha ny fifidianana Rosiana Duma; ary tsy dia lavitra ihany koa ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Hitanao etsy ambany ny topimaso maimaika iray amin'ny fandrakofana ny fifidianana avy amin'ny tontolon'ny blaogy.
Rosia: Hifidy sa Tsy Hifidy?
Hifidy - sa tsy hifidy? ''Hifidy amin'ny tongotrao'' - sa hanaraka ny torohevitr'i Mikhail Khodorkovsky ary hifidy ny iray amin'ireo antoko kely indrindra tsy ''ambanianao''? Hanao ankivy ny fifidianana - sa hanimba ny vatom-pifidianana? Ho hahitsy tsara sy hanamarina ny iray amin'ireo efajoro kely fandatsahambato - sa ho lasa maditra ary hanoratra teny ratsy mameno ilay pejy?
Tsy miombon-kevitra amin'i Trump manondro ny fireneny ho fandrahonana ny fandriampahalemana i Montenegro
Nobody except Trump can imagine that Montenegro would start a war with Russia, even though there were many old Yugoslav jokes about Montenegro starting a war with China. /Tsy misy olona afa-tsy Trump no afaka manombantombana fa hanomboka ady amin'i Rosia i Montenegro na dia misy sangisangy Yugoslav tranainy maro aza mikasika an'i Montenegro manomboka ady amin'i Shina.
Mampisahana ny fampiharana lalàna any amin'ny orinasa tsy miankina iray tsy manaja ny zon'olombelona i Okraina
Raha ara-teknika, dia tsy mpitandro filaminana ara-panjakana izy ireo. Mifototra amin'ny fifanarahana nosoniavina teo amin'izy ireo sy ny tanàna ihany ny fe-potoam-piasan'izy ireo - izay miovaova be isaky ny tanàna - ary tsy misy mihitsy ny rafitra momba ny fandraisana andraikitra.
Manampahefana Serba manasazy fikambanana mpanao asa soa ara-pahasalamana noho ny nampisehoany ny tsy firaharahian'ny fanjakana
Manao famotorana orina mpanasoa eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny manampahefana misahana ny fampiharana ny lalàna ao Serbia, mpitsikera ampahibemaso ny fitondrana ny tompon'ny fikambanana ka mahatonga ny olom-pirenena sasany hilaza fa valifaty no anton'ny famotorana.
Feo avy ao amin'ny Wiki
Ampahany amin'ny majikan'ny olombelona sy ny ara-teknika ahafahan'ny Global Voices miasa ny wiki velona, izay ahafahan'ny mpiserasera manerantany milaza amintsika momba ny bilaogy sy ny tranonkala tokony hodinihantsika, sy ahafahantsika miara-manova tahirin-kevitra toy ny ny Torolàlana ho an'ny bilaogy tsy mitonona anarana.
Niteraka fahatezerana ny fiantsoana hanolana vehivavy mpanao gazety iray avy amin'ny propagandista iray ao Makedonia
Naaton'ny masoivohom-baovaom-panjakana Makedoniana (MIA) ny mpiasan'ny fampahalalam-baovao sy ilay mpanao fampielezan-kevitra malaza Cvetin Chilimanov tamin'ny 3 Oktobra taorian'ny niantsoany fanolanana mpanao gazety vahiny iray Valerie Hopkins tao amin'ny Twitter.