Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Jolay, 2011
Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?

"Ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo." Io andian-tononkalon'i Kipling io dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka ao Belarosia, izay, mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, manontany hoe : "Iza no mba miraharaha an'i Belarosia?"
Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro
Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy - fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.
Bolgaria: Andro Iray Tsy Misy An'i Boyko Borisov PM
5 Jolay 2011, nisian'ny fanamby mahaliana ho an'ireo fampahalalàm-baovao Bolgara efa mahazatra : Hamaly ny antso iray ao amin'ny Facebook hoe "Andro iray tsy misy an'i Boyko Borisov" [bg; tsy mandeha intsony amin'izao ilay pejy, satria taorian'ny hetsika dia noraisin'ireo mpikarakara ny fanapahan-kevitra hamafa azy, mba hisorohana ny spam, hafatra tsy iriana afafy amin'ny aterineto] - sa mbola hanohy ny hitatitra ireo zavatra ataon' ny Praiminisitra Boligara ry zareo?
Rosia : Sambom-pizahantany niteraka resabe

Ny folakandron’ ny Alahady 10 jolay 2011, dia nitsimbadika teo amin'ny tohodranon'i Kouibychev tao amin'ny ony Volga ilay sambo fitsangatsanganana “Bulgaria”. Araka ny atontan'isa ofisialy, dia mpandeha 129 no mbola tsy hita...
Okraina: ny tantara ratsin'i Yula Tymoshenko
Nanomboka tamin'ny faran'ny volana jona teo tany Kiev renivohitra ny fitsarana ny praiminisitra taloha tany Okraina, Yula Tymoshenko, izay mpitarika ny hetsika vonimboasary, noho ny fanararaotam-pahefana. Araka ny nambaran'ny mpanao famotorana, nanampatra...
Makedonia: Fijery ivelan'ny firenena mikasika ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy
Manoratra mikasika ny fomba fahitan'ny olona avy any ivelany ny fanoherana atao amin'ny herisetra ataon'ny polisy any Masedonia i Filip Stojanovski .
Rosia: Misafidy ny sainan'ny tanànany ny bilaogeran'i Vladivostok

As the Asia-Pacific Economic Cooperation (APEC) summit of 2012 approaches, local authorities of the Russian maritime city of Raha manantomotra ny Vovonan'ny Fiaraha-miasa ara-toekarena Azia sy Pasifika (APEC) 2012, sahirana anaty fikarakarana Vladivostok, ny mpisera tia famoronana kosa nanoratra fa tsy manana saina ofisialy [ru] handraisana ny lanonana ny tanàna. Indreto ny sasany amin'izay novolavolaina hamenoana izany fahabangana izany.
Rosia: Nipoitra Indray Ilay Fikambanana Mpanao Asa Soa “Nanjavona”

Tena nanohina ny fo ny fahaizan'ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin nilalao piano sy nihira ilay hira “Blueberry Hill” tamin'ny fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa natao tamin'ny volana desambra 2010 saingy ...
Makedonia: Fivorian'ny Antenimiera Vaovao Manamafy Orina ny Fandresen'ny Antoko Vaventy
Nanatontosa ny fivoriany voalohany tamin'ny Asabotsy 25 jiona 2011 teo ny Solombavambahoaka Masedoniana voafidy farany teo. Ny firafitr'io Antenimiera io dia mampiseho ny fironana mankamin'ny fivangogoam-pahefana miaraka amin'ny fihenan'ny mpandray anjara politika, izay mampanantena...
Rosia: Ireo Hagaigen'ny Ministera Tao Amin'ny Aterineto

Ny Ministera Rosiana misahana ny Raharaham-Bahiny (MVD) dia vao avy nanomboka fanentanana tao amin'ny Aterineto ary tato anatin'ny tapa-bolana dia hetsika goavana roa no nahasarika ny saina tamin'ireo hetsika nataon'ny Ministera.