Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2021

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Jolay, 2021

Mitaky ny fanivanan-tena avy amin'ireo sehatra media sosialy ny lalàna Rosianina vaovao

Mino ireo manampahaizana fa ny antony lehibe nahatonga an'io lalàna vaovao io dia ny fanirian'ny fanjakana hampihena ny tsy fankasitrahana sy ireo hetsika fanoherana mitombo ao amin'ny firenena.

Noho ny tsindry avy amin'ny fanjakana, nikatom-baravarana ny Team 29, ilay vondrona malaza indrindra amin'ny fiarovana araka ny lalàna ao Rosia

Ny 19 Jolay, nanambara ny Team 29 fa hampiato ny asany mba hiarovany ny mpiasa ao aminy sy ireo mpanjifany tsy hiharan'ny mety ho fanenjehana ara-keloka.

Fidirana amin'ny fampiasa fandraketana an-tsarintany vaovao eny ankalamanjana any Okraina

Ahafahan'ny mpisera manivana ny toerana amin'ny alàlan'ny zava-misy misongadina ihany koa izany, toy ny hoe manao ahoana ny fidirana amin'ny toerana iray, misy trano fandroana azo idirana ve ilay izy, sa misy lisitra sakafo voatokana ho an'ny olona tsy mahita tsara, na afaka hanoloana zaza.

Nitondra sento, fitsipahana didim-pitsarana farany mihatra tamin'ilay jiolahin'ady Ratko Mladic fa tsy nampikatona ny raharaha

Nirohotra niampanga ny fanapahan-kevitra ho porofon'ny tsi-fitiavana Serba ireo gazety mpanaitaitra Serba ary nanandratra an'i Mladic ho maherifo.

Antoko mpomba an'i Eorôpa no mitarika ny fifidianana alohan'ny fotoana ao Môldavia

Ny antoko PAS tarihan'i Maia Sandu no "voalohany amin'ny antoko mpomba an'i Eorôpa tao anatin'ny tantaram-pifidianana tao amin'ny firenena ka nahazony maro an'isa."

Hetsika manoloana ny masoivoho Tseky ao Makedonia Avaratra manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra atao amin'ny Roma sy ny herisetra ataon'ny polisy

Nampahatsiahy ny fahatsiarovana ny tranga iray teo an-toerana nahitana ny polisy nidaroka ny olom-pirenena foko Roma tamin'ny volana Septambra 2020 ihany koa ny hetsika.

Raràn'i Belarus tsy hivezivezy any ivelany ny olom-pirenena, nakaton'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Sidina Belarosiana ny sehatra an'habakabaka

Voaràra vonjimaika tsy handeha any ivelany ny ankamaroan'ny Belarosiana, anisan'izany ireo manana fahazoan-dalana hipetraka maharitra any ivelany, raha noraràn'ny sehatra an'habakabaka Vondrona Eoropeana kosa ny safidy hivezivezy miala sy hiditra ao Belarosy.

Voasazy handoa onitra ilay mpikarakara fihetsiketsehana sarintany antserasera ao Rosia noho ny fanehoan-kevitra mamoa-fadin'ny mpandray anjara

Tsy toy ny fihetsiketsehana an-dalambe, izay mitaky alalana avy amin'ny manampahefana eo an-toerana, tsy iharan'ny fameperana ny famoriam-bahoaka an-tserasera.