Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Novambra, 2023
Mpanao gazety ao Makedônia Avaratra, manohitra ny didim-pitsaràna manome alàlana ny sivana
"Tsy misy na iza na iza afaka ny hanampina ny vavanay na hakanana anay tsy hanandratra ny feonay na hamoaka ny marina, izay zavadehibe ho an'ny olom-pirenena"
Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020
"Tsy biby fiompy izahay, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona izahay, Bielôrosiàna izahay!" hoy ny hiran'ny "Tor Band". Ankehitriny, any am-ponja ireo mpikambana ao aminy, mizaka sazy henjana hatramin'ny sivy volana.
Mivoady fandriampahalemana i Armenia sy Azerbaijan – amin'izao fotoana izao
Mety hifanaraka mikasika ny fifanarahana fandriampahalemana izay hosoniavina “amin'ny volana ho avy” ihany angamba ny mpitondra Armeniana sy Azerbaijanita.
Ao Bôsnia sy Herzegôvina, artista iray mampiasa ny olona ho loharanon'ny aingampanahiny, ny sary ho fifaliana
Rehefa nahatsapa izy fa ny sary no tena ilay fitiavany dia niala tamin'ny asa maha-mpampianatra azy amin'ny Anjerimanontolo ilay Bôsniaka artista, Aida Redžepagić, ary nanokana manotolo ny fotoanany ho amin'izay mitondra hafaliana bebe kokoa ho azy.
Ankoatra ireo fifanarahana matoatoa, tsy misy vokatra hita maso ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'i Bielôrosia sy Zimbaboe
Na teo aza ireo fitsidihana samihafa sy fifanarahana vita sonia, tsy misy zavatra mivaingana hita amin'ny fifandraisan'i Zimbaboe sy Bielôrosia taorian'ny fitsidihan'ny mpitondra bielôrosiàna an'i Zimbaboe tamin'ny Janoary 2023, fony izy nampanantena vokatra tsy mbola fahita hatrizay
Nifarana tamin'ny zava-bita tsara indrindra ny fifaninanana miala sasatra Montenegro: 50 andro mandry tamin'ny tany
Fanindroa ambin'ny folony izao no naneso ny fitsaratsaram-poana miely patrana momba ny hakamoan’ny Montenegro ny fifaninanana isan-taona.
Nihena be ny isan'ny vazimba teratany ao amin'ny nosy Sakhalin any Rosia
Vitsy ankehitriny ny vazimba teratany Sakhalin, antsoina hoe Nivkhs, Ainu, Uilta. Mampiseho ny iray amin'ireo tanàna efa ho faty, Rybnoe, izay misy ny Nivkhs ny fanadihadiana iray .
Manodidina ny 40,000 taonina ireo neurotoxine tahirizina tsy misy fiarovana any Makedonia Avaratra
Nandritra ny taona maro, nampiasain'i Skopje ho toeram-pitsangatsanganana mandritra ny andro iray "anaty natiora" ilay faritra mandra-pahitan'ireo mpanao gazety mpanaramaso ny tsiambaratelo matroka izay niafina tao ambanin'ireo ahi-maitso : fako misy poizina avy any amin'ny taona 1970.