Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2017
Nivaha ny Gidragidra Diplaomatika teo amin'i Serbia sy i Makedonia, Tsy Hisy ny Ady
Koa satria efa nigedraka ny fifanenjanana ara-diplaomatika teo amin'i Serbia sy i Makedonia, dia mbola nanamafy ny tanjona iraisany hiaina milamina tsy misy rahon'ady ny olompirenena.
Bosnia Sy Herzegovina: Tsingerintaonan'i Srebrenica
Nankalaza ny faha-13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica i Bosnia sy Herzegovina tamin'ny 11 Jolay izay nofaritan'ny ny Fitsarana iraisampirenena tao La Haye ho fandripahana mamely ny mponina Miozolomana tao amin'ny faritra. Mitatitra ilay fahatsiarovana antserasera ao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy Facebook i Elia Varela Serra.
Bitsibitsika Afghana
Afghan Reality mandrisika ireo tafika vahiny tahaka ny miaramila Kanadiana mba hijanona ao Afghanistan. Hoy ilay bilaogera:
Okraina: Ao Amin'ny Twitter Ny Filoha
Manana kaonty Twitter ofisialy amin'izao fotoana ny Filohan'ny Okraina Victor Youshchenko : hita mitsivalana ery ankavanana ny rohin'ny Twitter misy ny vohikala ofisialy. Hita ao amin'ny siokan'ny Filoha ny fanambarana ofisialy isan'andro sy ny lahatsoratra an-gazety nivoaka farany izay hita ihany koa ao amin'ny tranonkala ofisialy.
Mihevitra Ve Ianao Fa Mahafehy Ny Fehezanteny Sarotra Tononina ? Andramo Amin'ny Teny Lezgi Izany!

Raha be mpampiasa ao Kaokazy, fiteny tandindonin-doza ny teny Lezgi. Kanefa manao izay hafany ireo mpisera YouTube mba hanavotana izany.
Albania: Voasoratra Ho Vakoka Manerantany Vaovao an'i UNESCO i Berat
Natao tamin'ity taona ity tany Québec, Canada, tamin'ny 2 ka hatramin'ny 10 Jolay ny fivorian'ny Komitin'ny Vakoka Manerantany UNESCO fanao isan-taona. Toerana vaovao miisa 27 no nosoratana ho Vakoka Manerantany, izay miisa 878 ankehitriny. Araka ny bilaogy Stepping Stones, tafiditra ao amin'io lisitra io ny tanàndehiben'i Berat, any Albania.
Makedonia: Tsy Misy Mpanao Gazety Any Am-ponja Intsony, 15 Volana Aty Aoriana, Afaka i Zoran Božinovski Rehefa Nandoa Onitra

Taorian'ny nandaniany efa ho taona telo tany am-ponja tany Serbia sy Makedonia, nafahana tamin'ny 15 Jolay teo ilay mpanao gazety Zoran Božinovski.
Wikipedia Bolgara Manambara Ireo Fampidirana Nasionaly Tamin'ilay Fifaninanana Sary ‘Tia ny Tany ny Wiki ’
Nambaran'ny Wikipedia ireo sary 10 voalohany hisolo tena ny firenena amin'ilay fifaninanana iraisampirenena maka sary ireo toerana natoraly arovana, "Tia ny Tany ny Wiki ."
Mikatsaka Ny Hamerina Hamaritra ny Atao Hoe Fianakaviana i Romania

Fa araky ny fisehon'ny fitombon'ny isan'ny ankizy nilaozan'ireo ray aman-dreniny hiasa any ivelany, no hamerenan'ny tsindry ara-toekarena sahady ireo fitsipika.
Nanao Fifaninanana Vehivavy Manao Takokenatra Fitondra Milomano Ny Toby Nokleary Tseky (Czech) Mba Hifidianany Izay Ho Mpianatr'asa Manaraka
Vetivety dia natrika fiampangana ho feno fanavakavahana ara-pananahana ilay hetsika: "Toa mananihany koa izany! Nampanaovina akanjo takokenatra fitondra milomano ve ireo lehilahy mba ho lasa mpianatr'asa?"