Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Marsa, 2018

31 Marsa 2018

Armenia: Mahatsiaro Ny Vono Olona Tao Budapest

Nanamarika ny faha-dimy taona namonoana an'i Gurgen Margarian, 26 taona, manamboninahitra Armeniana nanatrika ny programa Fiarahamiasan'ny OTAN momba ny Fandriampahalemana tany Budapest, Hongria ny andron'ny omaly. Maty novonoin'i Ramil Safarov, Azerbaïdjani nanatrika izany fotoana izany koa, tamin'ny alalan'ny famaky izy raha tao anatin'ny torimaso.

30 Marsa 2018

Bolgaria: Mpilalao Baolina Kitra Nidaroka Mpilatro

Tafintohina tamin'ny vaovao momba ny mpilalao iray ao amin'ny klioba mpilalao baolina kitra ao amin'ny firenena, CSKA, izay nidaroka mpilatro ambony Kristin Vacheva i Bolgaria.

29 Marsa 2018

Rosia: Vavahadin-tserasera Iray Niharan'ny Fanarahamaso Momba Ny Ekstremisma

Akon'ny RuNet

Lasa rafitra manerantany ampiasain'ny manampahefana Rosiana hiadiana amin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera ny ady amin'ny ekstremisma. Tamin'ny 11 Febroary, nanomboka nanao fisavana tamin'ny tranokalan'ny mpanohitra Grani.ru ny polisy, miezaka mamantatra raha mampiroborobo ny ekstremisma ny tranonkala na tsia.

Mpanao Gazety Vehivavy Miampanga An'ilay Rosiana Mpanao Lalàna Malaza Ho Manao Fanorisorenana Ara-nofo, Tohanan'ny Depiote Namany Anefa Izy

Akon'ny RuNet

Mpanao gazety vehivavy telo farafahakeliny no niampanga an'i Leonid Slutsky (tononina hoe Sloo-tski), mpikambana malaza ao amin'ny parlemanta, tamin'ny fanorisorenana ara-nofo. Na izany aza, manohana azy ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa aminy ara-politika, misy vehivavy amin'izany.

28 Marsa 2018

Inona Avy No Nahaliana Ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 19 Feb – 25 Feb ?

Nandritra ny herinandron'ny 19-25 Febroary 2018, nahasarika mpamaky marobe avy amin'ireo firenena maro manerana izao tontolo izao ireo tantara sy fandikana nataonay. Ny nomerao 31 ao amin'ny lisitra? Makedonia. Ary ny nomerao 191? Kaomoro.

22 Marsa 2018

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 12-18 Marsa?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 208 ny tantaranay sy ny fandikanteninay!

21 Marsa 2018

An-tapitrisany Ireo Nidina Eny An-dalambe Mba Haneho Fanohanana Ny Tolon'ny Vehivavy Eo Amin'ny Tantaran'i Espaina

Olona dimy tapitrisa mahery (mety ho enina tapitrisa mihitsy aza) no nanao fitokonana tany Espaina tamin'ny 8 martsa mba hampiseho ny fanohanan'izy ireo ny tolona feminista amin'ny hetsika goavana iray izay heverin'ny maro ho fotoana manan-tantara eo amin'ny ady ho amin'ny fitovian-jòn'ny lahy sy ny vavy.

15 Marsa 2018

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny (5 – 11 Marsa 2018)

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 209 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices

07 Marsa 2018

Ny Nahaliana Ny Mpamaky Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 26 Feb- 4 Mar?

Nandritra ny herinandron'ny 26 Febroary hatramin'ny 4 Martsa, nahasarika mpamaky avy aminà firenena 204 ireo tantara sy asa fandikàna nataonay. Ny laharana faha-129 ao amin'ny lisitra ve? Martinika. Ary ny faha-13? Taiwan