Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Febroary, 2023
Lehilahy nampangaina ho nandoro birao fandraisana ho miaramila tao Transnistria, miatrika fampidirana am-ponja mandritra ny 30 taona
Tsy mitovy amin'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona maro hafa mitovy amin'izany tao Transnistria, ny raharaha fisamborana an'i Alexander Dimov sy ny sazy famonjana mety ho tonga hatramin'ny 30 taona hanjo azy dia tsy niteraka fanehoan-kevitra betsaka akory teny anivon'ny vahoaka.
Ny hoavin'ny fanarahamaso faobe ao Serbia?
Nisintona – fanindroany – ny volavolan-dalàna mifehy ny asan'ny polisy miaraka amin'ny fepetra ahafahana manalokaloka ny fiainana manokana ny governemanta Serba, taorian'ny fitarainan'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanerena iraisam-pirenena.
ONU, nataon'ny governemanta Maliàna lasibatra mivantana tamina fandroahana nisesy ireo solontenany
Mandroaka solontena avy amin'ny Firenena Mikambana ry zareo manampahefana Maliàna. Nohitrikitrihany tamin'zany ny tsy fanekeny ny fanakianana, na avy ao anatiny io na iraisam-pirenena, miresaka ny toedraharaha momba ny zon'olombelona
Manao izay hanaratsiana ny Átlátszó, hongroà mpanao fanadihadiana, ireo mpiantsehatra rantsan'ny Fanjakana
Miezaka ireo fampitam-baovao pro-governemanta mamoaka lahatsoratra manala baraka fa nahazo 'volan'i Jodasy' sy ho 'fikambanan-jiolahy' voarohirohy amin'ny famadihan-tanindrazana sy hetsika mamely ny firenena ny Átlátszó izay fikambanana tsy mitady tombontsoa.
‘Mangataka famelan-keloka izay fantatray fa tsy ho azonay mihitsy izahay’: Manatitra voninkazo eny amin'ny tsangambaton'ny Okrainiana ny olona ao Rosia
Tany amin'ny tanàndehibe miisa 17 farafahakeliny ao Rosia, mitondra voninkazo sy ny sarin'ilay trano rava tao Dnipro, Okraina, voadaroka baomban’ny Rosiana ny olona tamin'ny 14 Janoary 2023, mba ho fahatsiarovana izany.
Any Rosia, tsy azo antoka ho an'ny ankizy ny lalao video. Saingy tsy noho ny antony mahazatra
Migadra dimy taona noho ny fikasana hanorina ny tranoben’ny FSB sy hanapoaka izany ao amin'ny Minecraft i Nikita Uvarov, zatovo avy any Siberia.
Nihira ny ‘Zhyve Belarus’ (Ho ela velona i Belarosia!) ny tarika nambaran'i Lukashenka fa mahery fihetsika
Zara raha resahana ao amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, mampiasa famoretana tahaka an'i Stalin amin'ny olom-pireneny ny fitondran'i Lukashenka. Notazonina sy enjehina ireo mpanohitra ary, amin'ny tranga maro ankehitriny, dia toy izany koa ny fianakaviany.
Fankalazana ny tontolon'ny mozika iôgôslavy teo aloha, endrika Tranoben'ny Laza
Nahazo ny aingam-panahin'ny Musicians Hall of Fame, ilay Amerikana mpila ravinahitra Will Richard no namorona ny EX-Yugo Rock Center (EYRC) tao Sarajevo, tamin'ny fankalazana ny lovany sy ny fiantraikany nandritra ny taompolo farany tamin'ny taonjato faha-20.