Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2013

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Septambra, 2013

30 Septambra 2013

Mandeha Ny Tsaho Fa Nanambady Fanindroany i Putin

Akon'ny RuNet

Nisy ny tsaho niely fa mifankatia amin'ilay mpanao fanatanjahatena Alina Kabaeva i Putin. Mbola nipariaka indray izany tsaho izany taty aoriana, ka nampisy ahiahy fa natao mariazy mihitsy izy ireo.

21 Septambra 2013

Nahafaty Olona Sivy Ny Tondra-drano Tany Romania, An'Arivony Nafindra Toerana

Nampiakatra ny rano tampoka ny orambaratra tamin'ny 12 Septambra. Anisan'ny maty tamin'izany ny zazavavy iray valo taona votsotra lasan'ny rano teo an-tanan-drainy.

20 Septambra 2013

Fanandrinana an'i Rosia Ve Ny Tsangambato Ho an'ny Vehivavy Tsetsenina?

Akon'ny RuNet

Niteraka sahotaka tao amin'ny tontolom-bolongana Rosiana i Ramzan Kadyrov tamin'ny fanokanany tsangambatom-pahatsiarovana andiam-behivavy Tsetsenina maty nandritra ny adin'i Kaokazy tamin'ny taonjato faha-19.

GV Face: Fahatakarana Ny #RussiaVotes 2013 Iarahana amin'i Kevin Rothrock Sy i Andrey Tselikov

Akon'ny RuNet

Niresadresaka mivantana momba ny tohin'ny #RussiaVotes tamin'ny 13 Septambra 2013 ary nilazalaza ihany koa ny fahitàny ny tontolon'ny media rosianina tia mihantsy sy mampihomehy matetika ny tonian'ny [akon'ny] RuNet avy ato aminay Kevin Rothrock sy Andrey Tselikov.

15 Septambra 2013

“Milamina Any Damaskosy “: Tatitra Rosiana Avy any Syria

Akon'ny RuNet

"Tsy hino ianareo, saingy milamina i Damaskosy. Mipetraka eny amin'ny trano fisotroana kafe, mandeha eny an-dàlana ary lavitry ny fitaintainana ny olona"

14 Septambra 2013

Moske Tsetsenina Ve No Tena Mari-Pamantaran'i Rosia?

Akon'ny RuNet

Fihodinana faharoa amin'ny fifidianana toerana fivahinianana tsy dia malaza miisa 10 any Rosia (ka asiana dika mitovy ao amin'ny zaridainan'i Moskoa) nivadika gidragidra ny sabotsy, 31 Aogositra 2013, rehefa notorahan'ny vahoaka ao Grozny atody ny trano fiasana momba ny fifandraisan-davitra.

08 Septambra 2013

Andro Alohan'ny “Fifidianana Mangina,” Mihetsiketsika Ireo Kandidà Rosiana

Akon'ny RuNet

Hanomboka (rahampitso) 7 Septembra 2013 ny “Androm-pifidianana mangina” ao Rosia, 24 ora alohan'ny handehanan'ny firenena hifidy solombavambahoaka, ben'ny tanàna ary governora isam-paritra.

Fitantarana am-Bilaogy Mivantana Ny Fifidianam-Paritra sy Monisipaly Any Rosia

Akon'ny RuNet

Manolotra fitantarana am-bilaogy mivantana ny fandrotsaham-bato amin'ny fifidianam-paritra sy monisipaly 2013 ao Rosia arakaraka ny fivoaran-draharaha ny tonian'ny tetikasa [Ru-Net] Kevin Rothrock sy Andrey Tselikov.

06 Septambra 2013

SARY: Mamantatra Toeram-pitsangatsanganana Ao Slovenia

Andao hijery toera-pizahantany mahafinaritra na dia ho amin'ny fijerena sary fotsiny ihany aza. Misy ny toera-pizahantany mahasondriana amin'ny firenena tsy ampoizina tahaka an'i Slovenia