Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Janoary, 2017
Ndeha Hamantatra an'i ‘VKgoeswild,’ Mpitendry Piano Klasika Tao Okraina Lasa Mpiangaly Rock
Na teo aza ny nahazoany loka marobe taminà fifaninanana piano tamin'ny sehatra iraisampirenena, ... ary ny fiofanana niaraka tamin'ny sasany amin'ireo anarana goavan'ny mozika klasika amin'izao fotoana, nanapaka hevitra i Yermolyeva fa hilalao karazana gadona mozika iray hafa: rock.
Zoma 20 Janoary ao Rosia: Fety Hataon-dry Zareo Hanandratana an'i Amerika ho Goavana Indray
Misy ny fanasàna naely tamin'ny media sosialy tamin'iny herinandro iny, nampahafantatra ireo mpanao gazety ny momba ireo fety karakarain'ny andianà mpanakanto “White Star”, izay ahitàna endrika malaza maro avy amin'ny hetsiky ny tanora mpomba an'i Kremlin.
Mikarakara Fifaninanana Tantara Fohy Ho an'ny Gadra ao Polonina Ilay Britanika Mpanoratra Tantara Horohoro, Graham Masterton
"Afaka manoratra izay tian'izy ireo ny gadra. Na dia mihidy ao am-ponja aza, te hahita azy ireo hampiasa malalaka ny eritreritr'izy ireo aho."
Ilay Kroaty Mpanatontosa Sarimihetsika Tsy Amerikana Voalohany Nahazo ny Oscar Tamin'ny Fanaovana Sarimiaina
Amin'izao ankatoky ny fanolorana Oscar izao, fantaro ilay mpanatontosa avy any Kroasia nahazo ny Oscar tamin'ny taona 1961 amin'ny Sarimiaina Fohy Tsara Indrindra.
Lavin'i Rosia Ny Fanangonambola Ataon'ny Isam-batanolona Hanohanana Politika
Nakaton'ilay dika mitovy amin'ny PayPal ao Rosia ny famindràna vola ataon'olontsotra ho an'ny resaka politika—fanapahankevitra iray hanimba ny mpirotsaka ho filohampirenena hifaninana amin'i Putin amin'ny 2018.
Tsara sy Eo Ho Eo ihany, Izay Niova Tao Rosia Ny 1 Janoary 2017
Tsara na ratsy, ireo fiovàna ho hita eo amin'ny fiainana andavanadron'ny Rosiana ho entin'ny fomban-drazan'ny 1 Janoary amin'ny fepetra fanaovana lalàna.
Mivangongo Ao An-tanàndehibe Rosiana Ny Fako, Lazain'ny Mpitondratenin'ny Ben'ny Tanàna ho ‘ Kisoa ‘ Ireo Mponina ao An-Toerana
Misy toerana kely iray mangina antsoina hoe Yugorsk ao Rosia. Ao anatin'ny Okrug mizakatenan'i Khanty-Mansi, tanàndehibe lemaka, feno ala ,ary manankarena ny tanànan'i Yugorsk, maloto tahaka ny kisoa ny mponina ao Yugorsk.
Miasa Toy ny Uber ny Fampiasa Rosiana Vaovao, Fa Natao Ho Amin'ny Fandevenana Ihany Izany
Manana ny ilaina rehetra sy ny fahavitrihana ara-teknika toy ny tambajotra-pitaterana Uber izy, kanefa kosa manampy anao amin'ny fandaminana ny fandevenana, fa tsy amin'ny fitaingenam-piara.
‘Manao ny Asany Mifanaraka amin'ny lalàna’ ireo Mpifehy Raha Nanivana ny Fampiharana Fandefasan-kafatra Nandritra ny Androm-pifidianana
Nilaza ireo mpanohitra ara-politika sy ireo mpikambana malaza ao amin'ny fiarahamonina sivily ao amin'ny firenena fa nandrahona ny fahalalahana miteny tao Montenegro tamin'ny fotoana tena nilaina izany ny fangejan'ny governemanta ny media sosialy
Mamaly ny Drafitra Hanitarana ny Fampianarana Ortodoksia Amin'ny Sekoly Rosiana ny Mpampianatra
Ankoatra ny fanaovana tsianjery ny renivohitra manerantany sy ny daty lehibe mana-tantara, tian'ireo mpanapa-kevitra ara-politika ao Rosia ireo mpianatra mba hahavita mahafantatra ireo karazana lakolosim-piangonana sy mahafantatra ny alimanaka Ortodoksa Rosiana ihany koa.