Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Avrily, 2019
Rosia: Hetsi-panoherana An-kerim-po sy ny Lalàna
Tamin'ny 17 Novambra 2006, nankatò volavolan-dalàna iray manafoana ny tahàm-pandraisana anjara farany ambany indrindra (20%) ho an'ireo fifidianana rehetra any Rosia ny Duma Rosiana. Androany, nanao sonia izany ho lalàna ny filoha Vladimir Putin.
Nihantsy ny fampahalalam-baovao tsy miankina ny fampahalalam-baovaom-panjakana Rosiana noho ny fampiasana teny ‘tsy mitanila’ amin'ny tati-baovao momba ny ady amin'ny mpampihorohoro
Nandrehitra ny adihevitra momba ny fiteny "tsy maha-olombelona" tamin'ny tati-baovao momba ny fampihorohoroana ny siokan'ny RT. Niaro ny fanapahan-kevitry ny RT ireo mpomba ny fanjakana amin'ny fampiasana ny teny toy ny hoe "nofongorina" sy ny tsikerany tatỳ aoriana tamin'ny gazety izay tsy mampiasa izany.
Tantara iray avy amin'ny Global Voices manampy ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana fandikanteny amin'ny fanehoana ny firehetampony ho an'ny teny Tseky
Manolotra loka ho an'ny mpandresy manerantany tamin'ilay fifaninanana iraisam-pirenena nampiasàna tantara iray an'ny GV ho adika amin'ny teny Tseky
Hitsidika an'i Makedonia Avaratra ny Papa François amin'ny volana Mey, fotoana fohy aorian'ny fifidianana filohampirenena
Voalohany hitsidihan'ny papa iray an'i Makedonia Avaratra izao.
Venezoela: Fifampiraharahana momba ny angovo nokleary miaraka amin'i Rosia
Tantosa soa aman-tsara ny fanantenana nateraky ny fitsidihany noho ny fifanarahana hanangana toby toerana atomika 500 megawatt. Haharitra 10 taona eo ho eo ny fanorenana ilay toerana. Venezoela no firenena Amerikana Latina voalohany hanasonia fifanarahana momba ny angovo atomika amin'i Rosia.
Rosia: Miresaka ny tsingerintaona faha-20 nirodanan'ny rindrin'i Berlin ny bilaogera
Folo taona taorian'ny nianjeran'ny Rindrin'i Berlin, tsy dia maro ireo bilaogera Rosiana mahatsiaro, mankalaza sy miresaka ity zava-nitranga ara-tantara izay antsoin'ny sasany hoe "zava-nitranga tena manan-danja indrindra tamin'ny tantaran'ny taonjato faha-20." Ho an'ny ankamaroan'ny bilaogera Rosiana 'ny firodanana' dia fahatsiarovana avy amin'ny fahazazana / fahatanorana, zavatra angano fa tsy tena marina.
Naneho hevitra momba ny horohorontany tany Haiti ny bilaogera Rosiana
Horohoron-tany mahery vaika tany Haïti no nanjary loza voalohany manerantany tamin'ny taona 2010. Na dia lavitry ny loza aza ireo bilaogera Rosiana, dia nirohotra naneho ny fanohanan'izy ireo [RUS] ho an'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany. Tsy ela dia nanjary iray tamin'ireo lohahevitra noresahana be indrindra tao amin'ny RuNet ny zava-doza tao Haiti.
Manampahefana voarohirohy ho nanao fihetsika mahery ara-nofo no alefan'i Rosia hitarika ny Vaomieran'ny Satan'ny Vehivavy amin'ny fivorian'ny Firenena Mikambana 2019
Raha jerena amin'ny fahalaviran'i Rosia amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy sy ny fiantohana ny miralenta, dia fandotoan-drindrina madiodio ny fanendren'i Rosia an'i Slutsky ho mpitarika delegasionam-pirenena.
Mamelively mpianatra lisea iray mitsikera ny governemanta ny fampitam-baovao mpanohana ny fanjakana Hongroà
Niaritra fanaratsiana amin'ny fahaizany sy iharan'ny fanohintohinana ara-nofo mihitsy aza i Nagy, tamin'ny niantsoan'ny sehatra iray azy ho "makorelina".
Rosia: Tantara tsangana “handrafetana indray” ny fahafatesan'ilay mpisolovava Magnitsky
Mitohy ny adihevitra momba ny fepetram-pamonjana, nateraky ny fahafatesan'i Magnitsky - ary azo inoana fa hiditra amin'ny dingana vaovao izany: eo am-pamolavolana ny tantara izay "handrafetana indray" ny horohoron'ny ora farany niainan'i Magnitsky i Mikhail Ugarov (mpisera LJ m_u), mpilalao sarimihetsika mahatsikaiky sady tale ara-java-kanto ao amin'ny Teatr.doc (RUS), teathra ao Moskoa.