Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2014
Herintaona Tamin'ny 21 Aogositra, Notafihan'i Assad Taminà Fitaovam-Piadiana Simika i Al Ghouta
Raha mba androany fotsiny, nanoratra i Hiba Dlewati, andao mba hahatsiaro ireo Syriana efa ho 1.000 isa izay maty novonoin'ny fitondràn'i Assad tamin'ny entona.
Dibo-Drano Ny Tanànan'i Mizia Ao Bolgaria Taorian'ny Tondradrano Lehibe
Olona an-jatony no very trano fonenana tao amin'ny tanànan'i Mizia, tondraka ny reniranon'i Skat nohon'ny firotsahan'ny orana tsy nisy fitsaharany. Nanao ny ezaka rehetra ny vahoaka Bolgara teo amin'ny fanangonana ireo fanampiana hatolotra ireo traboina.
Mafy Tsara Ve Ireo Sazy Avy Amin'ny Tandrefana Ho an'i Rosia?
Mbola namely mafy an'i Rosia tamin'ireo sazy faran'izay henjana ihany ny tandrefana, nilaza fa tena lasa zava-dehibe tokoa ankehitriny ny fitohizan'ny fanampian'i Rosia ireo mpisintaka any atsinanan'i Okraina. Fa mafy tsara ve anefa ireo ?
Tsy Ara-dalàna Intsony Ity Dokam-barotry Ny Hena Ao Rosia Ity
Noraràn'ny Rosiana ilay dokambarotra momba ny vokatra hena Ostankino satria voalaza fa manitsakitsaka ny lalànan'ny dokambarotra.
Soavaly “Trojan” Rosiana Mankany Okraina
Ny misiterin'ireto filaharan'ny fiarabe zavontany mizotra mankany amin'ny sisintany Okrainiana ireto no mampitarika ny sain'ny maro ao amin'ny RuNet haminavina izao ao anatin'ireo fiarabe ireo—na izay ahiahian'ny miaramila Okrainiana ho ao anatin'izy ireo.
Nanambatra Hery ny Mpanolo-tena avy any Slovenia, Makedonia ary Serbia Hanangana Indray Ny Ravan'ny Tondra-Drano
Nihoatra ny 50 ny mpanolo-tena avy any Slovenia, Makedonia, ary Serbia tafangona tao Kraljevo, Serbia tao anatin'ny hetsika iray hanao asam-pananganana indray ny fahasimbana nateraky ny tondra-drano tao amin'ny faritra.
Te-Hampiasa Wi-Fi Ankalamanjana Ao Rosia? Mila mampiseho Pasipaoro Na Kara-Panondro
Tsy afaka hampiasa onjam-pifandraisana eny amin'ny toeram-bahoaka tsy manonona anarana intsony ireo mpiserasera ao Rosia. Hitaky amin'ireo olona miditra Wi-Fi ankalamanjana eny amin'ny toerana be olona ny governemanta Rosiana mba hampiseho pasipaoro na kara-panondro.
Misedra Tondra-drano Indray i Serbia 2 Volana Taorian'ny Iray Nandravarava
Niharan'ny tondra-drano mahery indray i Serbia nandritra ny andro faraparan'ny volana jolay. Jereo ireo saripikan'ny fahapotehana voaangona avy amin'ny mpiseraseran'ny media sosialy.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...