Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Jona, 2023
Mpanao gazety avy amin'ny KRIK Serba, voaheloka noho ny fanakianana ireo fitoriana SLAPP anenjehana ilay trano mpamoaka vaovao
"Asehon'ity didim-pitsarana ity mazava fa nanjary fitaovana lehibe ho an'ny fitondrana ny SLAPP mba hanakatonany ireo haino aman-jery tsy miankina vitsivitsy sisa tavela", hoy ny nambaran'i Stevan Dojčinović, lehiben'ny Tonian-dahatsoratra ao amin'ny KRIK, famoaham-baovaom-panadihadiana Serba.
‘Pozor i styd': manana teny roa hilazàna ny ‘henatra’ ry zareo Rosiàna
Matetika ny fiteny rosiàna no manana heviny roa, raha tokana fotsiny ho an'ny frantsay. Ny iray hamaritana ny hita ivelany, ary ny iray hafa ho an'ny tsapa ao anaty
Tatitra Unfreedom Monitor : Fahafaha-miditra
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny fahafaha-miditra amin'ny aterineto. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany
Fitoriana teny amin'ny fitsarana vao nahazoana torohay vidim-pehezantsakafo ho an'ny mahantra mihoa-pampana
Nampiasa ireo antontan-taratasy azo tamin'ny alalan'ny Lalànan'ny Fahalalahan'ny torohay (FOIA) ny mpanao gazety mba hanambara fa nampitomboin'ny governemanta Hongroà 330 isanjato ny vidin'ny fonosan-tsakafo rehefa nividy ronono amin'ny vola vatsian'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny mahantra.
Fahatsiarovana ny seranampiaramanidina iraisampirenena rava ao Donetsk, Okraine
Tamin'ny 2014, nanjary lasa toe-draharaha mafana ilay seranam-piaramanidina namboarina ho an'ny lalao Euro-2012, ao anatin'ny adin'i Okraina manohitra ny fananiham-bohitra antsokosoko nataon'i Rosia ny faritra Donetsk. Korotam-bato ankehitriny.
Nahita paradisan'ny tantely tao Kyrgyzstan ny hongroà mpiompy tantely
Raha nanoritsoritra ny faritra Toktogul, nilaza i Ferenc Takács avy amin'ny Fulmer hoes: “Paradisan'ny tantely ity satria paradisan’ny voninkazo.”
Vondrona Mpanavotra Biby ao Kiev, namindra toerana saka sy alika miisa 300 hiala tao atsinanan'i Okraina
Tsikaritr'ireo mpilatsaka an-tsitrapo fa tena mora mifandray amin'ny olona ireo biby miaina anaty daroka baomba tsy mitsahatra any amin'ireo faritra misy ady. Matahotra izy ireo ary toy ny maniry ny mba ho avotana
Zavakanto manohitra ady teny an-dalamben'i Saint Petersburg: Endrika fifaharana iray
Ranty Instagram manasongadina fanoherana ady hita teny an-dalamben'i Saint-Pétersbourg tamin'ny taona 2022 sy 2023, izay efa voafafan'ny manampahefana avokoa.
Ny tantaran'ireo Koreana ao Kyrgyzstan izay niova ho miozolomana
Ny fiovam-pon'izy ireo dia vokatry ny fanasilamoana indray an'i Kyrgyzstan , izay nanomboka tamin'ny taona 1991 taorian'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena.