Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2016

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Novambra, 2016

Mihemotra Ny Fahalalahan'ny Aterineto Ao Rosia, Ao Okraina, Mihatsara Kosa Ao Belarosia

Voasokajy ho "tsy malalaka" tamin'ny tondro Fahalalahan'ny aterineto taona 2016 avy amin'ny Lapan'ny Fahalalahana (Freedom House) i Rosia, Okraina, Belarosia sy ny fanjakana Azia Afovoany.

Mafana Fo Te-hanangana Tsangambato Ho an'ilay Mpanao Ratsy Malaza Indrindra Anty Sarimihetsika Any Rosia

Mafana fo Rosiana nanangona vola hananganana tsangambato ho an'i Sergei Bodrov Jr., ilay mpiantsehatra nilalao ny toeran'ilay maherifo, Danila Bragof, tao anatin'ilay sarimihetsika "Brat".

Miafina Ambadiky Lambam-Baravarana Ny Adihevitra Tati-baovao Momba an'i Putin ao amin'ny Esquire Rosiana

Teo amin'ny fifanakalon-kevitra hitam-bahoaka, nangatahan'i Minaev i Kuandykova mba tsy "hampitondra enta-mavesatra" ny mpamakin'ny Esquire, taorian'ny nanaovany fanamarihana vao haingana ao amin'ny "ny tsongan-teny androany" an'i Vladimir Putin .

Mifidy Filoha Vaovao i Boligaria, Saingy Iza No Mahalala Izay Hanjò ny Praiminisitra

Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tao Boligaria tamin'ny fiandohan'ity volana ity sy ny fanapahan-kevitry ny praiminisitra Boyko Borisov avy eo hametraka ny fialàny tao amin'ny parlemanta, tafiditra ao anatin'ny fihenjanana ara-politika ny firenena.

“Zava-Poana Miloko Volamena”: Artista An-Dalamben'i St. Petersburg Maneso Ireo Mpiasam-Panjakana Ambony  Mandefa Ny Zanany Any Ampitan-Tsisintany

Nanomboka nanangana ny asakantony tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity ilay mpanakanto Rosiana iray izay tsy fantatra anarana fa antsoina amin'ny solon'anarana hoe Hioshi ary fantatra tamin'ny fampirantiana asakanto madinika teny an-dalamben'ny Saint Petersburg. Mampiseho manampahefana Rosiana maro apetraka ao anaty fitotoan-kena miloko volamena ny “Golden Ridicule (Na, Mba Ento Ny Zanako)";...

Manontany Tena Ireo Mpifanandrina Amin'i Putin ao Rosia Hoe Hanao Ahoana Ny Fiharatsian'ny Toe-javatra Noho i Trump

“Ho antsika, mazava ho azy, Amerika no mariky ny fahalalahan'izao tontolo izao. Nanao zavatra marobe ho amin'ny fampandrosoana ny demaokrasia manerantany izy, saingy miova ao anaty fijery manamaro ny zavatra rehetra miaraka amin'ny mpitarika tahaka ity izany" Hoy i Milov momba an'i Trump

Izao Tontolo Izao Araka Ny Fomba Fijery Rosiana Mahazatra

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanamarika tampoka ny fanohanany ilay lalàna federaly vaovao natao mba hanazavana ny faneken'ny governemanta ofisialy "ny firenena Rosiana" i Vladimir Putin.

Manenjika Ireo Piraty An'Aterineto I Okraina

Nanambara tamin'ny Alarobia ny EX.UA, tolotra fifampizarana rakikira malaza indrindra ao Okraina, fa hitsahatra amin'ny asany noho ny fankatoavana ny lalànam-pirenena vaovao miady amin'ny piraty.

Mariazy Tajik Manetriketrika Manafina Akanin'ny Tetika Ambany Latabatra

Niteraka karazana fahagagam-pitsiriritana ny mariazy iray manetriketrika tao Moskoa na dia teo amin'ireo Rosiana zatra mampiseho harena aza.

Menatra Noho Ny Fandresen'i Trump Ireo Mpanao Fampielezan-keviny Avy Ao Makedonia

Tahaka ny tale Jeneralin'ny Facebook Mark Zuckerberg, tsy mino ireo mpandoto fanehoan-kevitra ara-politika avy ao Makedonia, izay mitantana tranonkalam-baovao sy pejy Facebook hosoka manohana an'i Trump fa nanana fiantraikany tamin'ny voka-pifidianana Amerikana izy ireo.