· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Novambra, 2018

Fanaovana Topimaso Blaogy: Ny Fisamborana An'i Radovan Karadzic

Na teo aza ny valisoa 5 tapitrisa dolara [teny anglisy] nokasain'i Etazonia homena ho an'izay manome vaovao marina hahafahana misambotra azy, ireo didy iraisam-pirenena fampisamborana nalefan'ny Interpol sy ny tetika nataon'ireo sampam-pitsikilovana miafina sasantsasany, vitan'i Karadžić hatrany ny niàla tamin'ireo fisamborana nandritra ny 13 taona. Namoaka betsaka, naneho hevitra ary nifanakalo vaovao mikasika ny antsipirihan'io tantara mampivanaka io, ireo blaogera ao Balkana.

30 Novambra 2018

Hita tanaty Fandikàna teny

Iray amin'ireo fanamby lehibe indrindra amin'ny fampandehanana ny adihevitra eratany ety anaty aterineto ny fandikana teny. Tsy zavatra moramora ny manolotra hevitra sy fandinihana amin'ny teny sy kolontsaina iray ho any an-kafa ary matetika mandany fotoana bebe kokoa noho ny fanoratana ilay lahatsoratra tany am-boalohany. Na izany aza, mirotsaka hanolotra feo betsaka amin'ny fiteny samihafa ny Global Voices

15 Novambra 2018

Belarosy, Rosia: Lavanty Fanaovana Asa Soa Anaty Aterineto Ivarotana Olona

Akon

Tsy vaovao ny fanaovana ny lavanty ho fitaovana fanangonam-bola eo amin'ny tontolon'ny fanaovana asa soa -- varotana amin'ity fomba ity avokoa ny zava-drehetra miainga amin'ny sary hosodoko ka hatrany amin'ny fitsidihana miavaka. Misy mihitsy aza ireo mivarotra olona: lavantinà sakafo hariva miaraka amin'olomalaza sy sakafo maraina miaraka aminà mpandraharaha.

12 Novambra 2018