Rosia: Ankamantatra alohan'ny Fifidianana ao Vladivostok


Mialoha ny fifidianana filoham-pirenena rosiana amin'ny 4 Martsa izao, mafampana tanteraka ny rivo-politika. Sady odian'ny manam-pahefana Rosiana fanina ny fisian'ny fihetsiketsehana goavana manerana ny firenena, no tsy mamaly araka ny tokony izy ny fitakian'ny vahoaka izy ireo.

Lasa resa-politika avokoa ny ataon'ny tsirairay sy ny zava-drehetra ankehitriny, tratran'izany rivo-politika mafana mialoha ny fifidianana izany ihany koa ny  tanàn-dehibe farany atsinanana indrindra ao Vladivostok .

Ny ohatra farany indrindra izao dia ny fisian'ny dokambarotra fanentanana mifono misitery izay miteraka adihevitra eo amin'ireo mpiserasera maro ao Vladivostok amin'izao fotoana izao. Mety ho lasa resa-barotra fotsiny ihany izany, fa tsy resa-politika – kanefa mahaliana indrindra ny vahoaka sy mampafàna ny adihevitra eo amin'izy ireo izany amin'ny alalan'ny fampiasana ny vaovao farany momba ny kisarisari-politika.

Voalohany tamin'izany, sora-baventy  lehibe manontany hoe “Iza? Iza?” no miharihary ao amin'ny arabe ao antanàn–dehibe (avy amin’ ity lahatsoratra tao amin'ny on PrimaMedia.ru ity ny sary eto ambany, navoaka teto izany ary mifanaraka tsara amin'ny fitsipika momba ny famoahana indray ny lahatsoratra

 

:Who? Who? by Anton Balashov

Mety tsara amin'ireo kandidà mirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa izao izany fanontaniana izany – na tsy mety. Mitovy amin'ny fanentanana ara-barotra sy ara-politika avokoa ny fomba fijery eto: ny dokam-barotra voalohany tsy mampisongadina tsara ny mampiavaka ny entana/kandidà. (dokam-barotra ara-politika mitovy amin'izany no niseho tao Vladivostok vao haingana,  eto sy eto: ny voalohany milaza fa nanomboka tamin'ny taona 1917 no nopotehana ny firenena , nandritra ny revolisiona Rosiana, ary avy eo tamin'ny taona 1991, tamin'ny fiafaran'ny vanim-potoana Sovietika, ho hita eo izay hitranga amin'ity taona 2012 ity; ny faharoa kosa manontany hoe, “Faharavana, indray?”.)

Tsy niandry ela ny valinteny – saingy, toy ny tamin'ny voalohany “Iza? Iza?” variana sy sanganehana ny mponina ao Vladivostok: sora-baventy lehibe mirangaranga manerana ny tanàn-dehibe, ahitana toy izao ny amin'izany, Sponge Bob (Bob spaonjy – sarimiaina), sarintavan”i Toruk Makto , Michael Jackson sy Andrimatoa Bean, ary  Soavaly-Mipalitao avy amin'ny vazivazy malaza ao Rosiana.

Fotoana fohy taty aoriana, mpamahana bolongana gaga tamin'izany dokam-barotra izany ahitana sarin'olona mitovy amin'i PrimPogoda.ru, vavahadin-tserasera momba ny toetr'andro ao an-toerana:

Who? Who? Answers: Sponge Bob, Horse in a Coat (rhymes in Russian), Turuk Manto (character from Avatar) screen shots taken from PrimPogoda.ru

Pikan-tsary avy amin'i PrimPogoda.ru

Mpisera LJ alexhitrov nanome vahaolana amin'izany ankamantatra izany izay toa nankasitrahan'ireo fikambanana mpiserasera an-toerana. Nanamarika izy  fa ahitana boaty misy marika ny dokam-barotra mikasika an'i PrimPogoda.ru ary ahitana tarehimarika koa isaky ny sarin'olona eo ambony – ary namoaka pikan-tsary avy amin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra ihany koa izy izay mampiseho santionana vato-pifidianana ampiasaina amin'ny fifidianana hoavy:

Ny kandidà tsirairay hirotsaka hofidiana [ao anatin'ilay santionana vato-pifidianana avokoa] no asehon'ny sarin'olona iray [ao amin'ny dokam-barotra hafahafa] ary, eny, ahitana nomerao mifanaraka amin'izany amin'ilay vato-pifidianana.

Araka ny hevitr'i alexhitrov, Toruk Makto no misolo tena an'i Vladimir Zhirinovsky, lehiben'ny Antoko Liberaly Demokraty; Bob Spaonjy kosa Sergey Mironov, lehiben'ny antoko Just Russia(rosia ihany); ary Vladimir Putin, #5, no mety ilay Soavaly mipalitao.

Mpisera LJ  vladimir_golev nanoratra ity, raha mijery ny sarin'i Bob Spaonjy ampiasaina amin'ny sary miaina fa tsy ny kandidà politika, dia i Spaonjy Bob no toa hita misolo tena amin'izany :

Nifidy an'i Bob Spaonjy aho. Bob Spaonjy no toa hitondra fahamarinan-toerana mihoatra ny rehetra.

Tsy ho ela dia ho fantatr'i Rosia ny anaran'ny filoham-pireneny manaraka. Ho fantatry ny mponina ao Vladivostok ihany koa ny dikan'ireo dokam-barotra fanentanana mifono misitery, sy ny fehin'izany.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.