Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Febroary, 2011
Tonizia: Iza no tokony ho melohina tamin'ny famonoana ilay pretra poloney?
Nanohina sy nahaontsa ny vahoaka Toniziana ny nahare ny vaovao mikasika ny famonoana ilay pretra poloney tao akaikin'ny renivohitr'i Tonizia tamin'ny faha 18 Febroary. Maro ireo vinavinan-kevitra hita ao amin'ny bilaogy Toniziana sy haino aman-jery sosialy mametra-panontaniana hoe iza no tompon'andraikitra tamin'io vono olona io ary inona no mety anton'izany.
Serbia: Fihetseham-po noho ny Tantaran'ireo Serba Mpikarama an'ady Any Libya
Raha ny azo avy amin'ny loharanom-baovao sasany, dia nandray anjara tamin'ny fandarohana baomba ny mpanao fihetsiketsehana Libiana ny mpanamory fiaramanidina Serba. Nadikan'i Sasa Milosevic ny fihetseham-po vitsivitsin'ireo Serba mponina amin'ny aterineto momba ity tsaho ity
Polonina: Nampahafantarina ireo bilaogy tsara indrindra tamin'ny taona 2010
Mamerina mijery ireo mpandresy tamin'ny fifaninanan'ny poloney tamin'ity taona ity eo amin'ny "bilaogy tsara indrindra nandritra ny taona" i Jakub Górnickilish.
Macedonia: Global Voices Nasongadina tamin'ny Fandaharan'ny Fahitalavitra
Filip Stojanovski, mpanoratra ao amin'ny Global Voices dia noraisim-peo [amin'ny teny makedoniana] ho an'ilay fandaharan'ny fahitalavitra Nie (”Isika”) momba ny lohahevitra : “Kale, Aterineto, Antoko politika, Facebook !? An'iza ny...
Haiti: Fanampiana avy any Slovakia notazonin'ny ladoany mandritra ny folo volana
Kontenera miaraka amin'ny sambo faharoa misy ny fanampiana ara-olombelona avy any Slovakia no notazon'ny ladoany any Haiti efa ho folo volana. Mandika ny fomba fijerin'ny mponina amin'ny aterineto Slovaky ny olana i Tibor Blazko.
Ukraine: Manampy Amin'ny Fampanarahana Fitsipika ny Polisy An-Dalambe ny YouTube
Tetyana Bohdanova mitatitra ny fomba fampiasàn'ny Okrainiana ny Aterineto mba hamakiana bantsilana ny fandikan-dalàna ataon'ireo polisy mpandrindra fifamoivoizana.