Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Janoary, 2011
Polonina: Mpamaham-bolongana voampanga fa nitsikera nataony ny Ben'ny tanàna iray
Nanoratra momba an'i Łukasz Kaprowicz mpanao gazety sady mpamaham-bolongana Poloney nomelohina ho nanao fanaratsiana noho ny tsikera nataony tamin'ny Ben'ny tanànan'i Mosina tao amin'ny bolongany i Jakub Górnicki.
Rosia: Jery todika ny aterineto 2010
Nanasongadina fironana manan-danja maro ny aterineto Rosiana ny taona 2010. Nitombo haingana niaraka tamin'ny olona nahazo vaovao malaky amin'ny aterineto sy tena mavitrika amin'ny fampiasana tambanjotra sosialy ny mpanaraka amin'ny aterineto. Amin'ny lafiny maro, dia nitondra fankatoavana ny tanjaky ny aterineto teo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny taona 2010.
Hongria: Fanentanana ho fanamaintisana manerantany
Ireo olon-tsotra mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra dia miezaka mitazona ny haavon'ny fandrakofana iraisampirenena amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana ao amin'ny aterineto. Vondrona iray antsoina hoe Blackout for Hungary (Haizina ho an'i Hongria) no nanainga fanentanana iray maharitra 24 ora nanomboka tamin'ny 5 Janoary teo hanoherana ilay lalàna vaovao momba ny media...
Hongria: Ice-T sy ny lalàna Hongroa vaovao mifehy ny Media
Marietta Le dia mitatitra ny fisian'ny fanadihadiana atao amina foibena fampielezam-peo iray nandefa hiran'ilay mpiangaly gadona rap Ice-T ataon'ny National Media and Infocommunication Authority (Manampahefana miandraikitra ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana) any Hongria.
Mametraka sivana amin'ny fanaovana gazety i Hongria
Efa zava-mahazatra any amin'ny faritra maro ny sivana atao amin'ny fampahalalam-baovao, saingy tsy nisy nisaina mihitsy hoe firenena iray ao afovoan'i Eraopa no handeha hizotra amin'izany làlana izany. Eny, te-hanova an'izany i Hongria.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...