· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Marsa, 2013

Nanolotra Tatitra Farany Ho An'ny Parlemanta Ny Praiminisitra Shinoa Wen Jiabao

  07 Marsa 2013

Tamin'ny 5 Martsa 2013, noho ny fandehanan'ny Praiminisitra Wen Jiabao hisotro ronono, namaky ny tatitra momba ny zava-bitan'ny governemanta teo imason'ireo mpitati-baovao sy mpanao lalàna tao amin'ny Efi-trano malalaka ao Beijing nandritra ny fivoriana isan-taoana fanaon'ny parlemanta izy, fotoana farany ahitana azy  mikabary ho an'ny firenena ao amin'ny fahitalavitra. Ny tatitra lavabe momba ny...

Fifandonana Nahafatesan'olona Teo Amin'ny Polisy sy ny Mpamboly Ao Myanmar

  05 Marsa 2013

Nizara lahatsary  fohy ahitana ireo vehivavy notafihan'ny polisy nandritra ny fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy tao Maupin, Myanmar i Pacerunning. Ahitana miaramila manamboninahitra iray manosika vehivavy ny lahatsary ary miaramila manamboninahitra iray hafa kosa miezaka midaroka azy raha toa ka miezaka manakana azy ny hafa. Nanomboka tamin'ny 26 Febroary 2013...

Mila Politika Azo Tsapain-tànana Ny SIDA Ao Shina

  03 Marsa 2013

Voatery nanafina ny mahazo azy mba hahazoana ny fandidiana ny homamiadan'ny havokavoka ny olona iray mitondra ny otrikaretina VIH tao Tianjin. Vantany vao nasehon'i Li Hu ankarihary ity raharaha ity, i Li Hu izay mpisolovava amin'ny VIH/SIDA, nandritry ny herinandro nisian'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny VIH/SIDA, ary niteraka akony tena nanaitra tokoa tao Shina sy nahasarika ny sain'ireo Shinoa mpitantara vaovao.