Manazava ny firotsahan'i Zeorzia ho anatin'ny Vondrona Eorôpeana ny Vaomiera Eorôpeana

(Fanamarihana : lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 10 Novambra 2023)

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany teo amin'ny OC Media. Dika  iray nasiam-panitsiana no naverina navoaka indray teto noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tamin'ny 8 Novambra, nanoro hevitra ny Vondrona Eorôpeana ny mba hanomezan'ny Vondrona Eorôpeana an'i Zeorzia ny sata maha-kandidà ho afaka fidiana, izay manokatra làlana ihany koa ho an'ny vondrona mba hanombohana ny fizotran'ny fidiran'ilay firenena amin'ny fivorian'ny Filankevitry ny Vondrona Eorôpeana amin'ny volana Desambra :

Raha ireo vokatra azo hatramin'ny volana Jona 2022 no jerena, ao anatin'ireo rafitry ny laharam-pahamehana roa ambinifolo sy mihoatra, dia manoosoka hevitra ny Vaomiera mba hanomezan'ny Filankevitra an'i Zeorzia ny sata maha- firenena kandidà .

Tao anaty lahatsoratra iray teo amin'ny X, fantatra taloha tamin'ny hoe Twitter, dia nilaza i Josep Borrell, ilay solontena ambony ao amin'ny Vaomiera Eoropeana misahana ny raharaham-bahiny sy politikam-piarovana/Lefitry ny Vaomiera Eoropeana, fa :

Im-betsaka nasehon'ny vahoaka Zeorziana ny fanoloran-tenany tsy voahozongozona amin'ny soatoavina Eoropeana.

Androany dia manosoka hevitra ny Vaomiera Eorôpeana ny mba hanome an'i Zeorzia ny sata maha-kandidà azy ho azo anatin'ny Vondrona Eoropeana.

Misokatra ny varavaran'ny Vondrona Eoropeana. Mitohy ny fanohananay an'i #Zeorzia amin'ny làlany mankany amin'ny Vondrona Eorôpeana. pic.twitter.com/OLg1hwiCfH

— Josep Borrell Fontelles (@JosepBorrellF)  8 Novambra 2023

Tamin'ny Alarobia 8 Novambra, raha nanambara ilay fanapahan-kevitra, ny filohan'ny Vaomiera Eorôpeana, Ursula von der Leyen dia nilaza fa, “Voalohany indrindra, andro tena manantantara ho an'i Zeorzia izao”, ary nampiany hoe : “Tena dingana iray goavana ho an'i Zeorzia ity, ary manantintrantitra ihany koa ny toerana miezinezina sy tsy amim-pisalasalàna ananan'ny ankabeazan'ny mponina Zeorziana mirona mankamin'ny fidirana ho ao amin'ny Vondrona Eoropeana”.

Vahoaka Zeorziana marobe no nifamory tao an-dalamben'i Tbilisi renivohitra sy nanoloana ny tranoben'ny Filoham-pirenena Salome Zourabichvili mba hankalaza ilay fanapahan-kevitra.

#Tbilisi izao alina izao. 🇬🇪 ny olom-pirenena mankalaza ny faneken'ny @EU_Commission hanome ny satan'ny maha-kandidà an'i Zeorzia. Fotoana izao hiraisana hina sy handrosoana miaraka. Dia ho olom-pirenena 🇪🇺 ihany koa ny olom-pirenena 🇬🇪 . pic.twitter.com/kqgLjtSk0r

— Peter Fischer (@Diplo_Peter) 8 Novambra 2023

Nanao lahateny ho an'ireo vahoaka nanoloana ny lapany Rtoa Filoha Zurabishvili. Niarahaba ny vahoaka izy noho ilay fanapahan-kevitra androany. Nanomboka ny lahateniny izy tamin'ny alalan'ny fiarahabana ihany koa ireo Abkhazians sy ny Ossetians : “Ny hoavinay Eorôpeana dia hoavinareo Eorôpeana ihany koa”, hoy ny nambarany. pic.twitter.com/M0Gh036dDZ

— Mariam Nikuradze (@mari_nikuradze) 8 Novambra  2023

Ny dia

Nangataka tamin'ny fomba ofisialy ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eorôpeana (UE) i Zeorzia tamin'ny 3 Martssa 2022, ka nofaritan'ny Praiminisitra Irakli Garabishvili ho “dingana iray hafa eo amin'ny fidiran'i Zeorzia ho Eorôpeana izany”.

Tao anaty fanambarana iray navoaka teo amin'ny tranokalan'ny governemanta ny androtr'io ihany, dia nilaza i Garabishvili fa : “dingana iray mamadika pejy vaovao amin'ny tantarantsika [io] ary manohy ny ezaka nataon'ireo razambentsika, izay mikatsaka ny fidiran'i Zeorzia ho anaty fianakaviambe eorôpeàna iombonana.”

Taorian‘ny fanapahankevitr'i Okraina hangataka ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eorôpeana tamin'ny 28 Febroary 2022, tao anatin'ny fananiham-bohitra nataon'ny Rosiana ny fireneny, dia tamin'ny 2 Martsa  nambaran’ny governemanta Zeorziana ny fikasany manokana hangataka ho mpikambana.

Kihon-dàlana iray ho an'ny Georgian Dream Party ity fanapahan-kevitra ity, izay, hatry ny vao haingana dia nanizingizina fa tsy hanafaingana ny tetiandrony tany am-piandohana izy momba ny  fangatahana hiditra ho mpikambana amin'ny taona 2024.

Tamin'ny ampahany betsaka, io fiovana tamin'izany vanim-potoana izany io, dia noho ny tsindry tsy niato nataon'ny mpanohitra teo an-toerana, ary koa ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony izay nidina an-dalambe tao anatin'ilay “Diabe ho an'i Eorôpa“, nokarakarain'ny vondron'ireo mpikatroka liberaly tao Zeorzia, ny Hetsiky ny Henatra sy ireo hetsika maro hafa mpandàla ny demokrasia, ka tanjona ny ho “fanehoana ny fanolorantenan'ny vahoaka Zeorziana manoloana ny safidy Eorôpeana nataony sy ny soatoavina Tandrefana”.

Tamin'ny Jona 2022 dia nolavina ny sata maha-kandidà an'i Zeorzia, fa nomena lisitra iray izy misy ireo fepetra 12 izay tsy maintsy notanterahin'ilay firenena mialoha ny hamerenana mandinika indray ny firotsahany.

Ilay fanapahan-kevitra

Ny tolokevitry ny Vaomiera Eoropeana hanome ny sata maha-kandidà an'i Zeorzia dia tonga nitranga tao anatin'ny fotoana nitomboan'ny fisaraham-bazana teo amin'ny governemanta Zeorziana amperinasa sy ireo Tandrefana mpiara-dalana aminy, ary koa ny vondron'ireo fiarahamonim-pirenena eo an-toerana izay manitrikitrika ny tsy nahatanterahan'ny governemanta ireo sehatra 12 laharampahamehana na ireo fepetra.

Anisan'ireny fepetra ireny ny fampihenana ny fifanenjanana ara-politika, ny fanavaozana ny rafi-pitsarana, ny fiantohana ny fandehanana tsaran'ireo andrim-panjakana, ny fanamafisana ireo fepetra fanoherana ny kolikoly, anisan'izany ny “désoligarchisation” sy ny hafa koa. Na dia tsy manonona anarana manokana aza ny fehezan-dalàna momba ny  “désoligarchisation” dia takatry ny maro ny fanondroana an'ilay Bidzina Ivanishvili, mpanorina ny Georgian Dream sady miliardera.

Olo-malaza amin'ny politikan'i Zeorzia i Ivanishvili. Nanangon-karena tany Rosia izy tamin'ny vanim-potoana talohan'i Poutine ary nanangana ny antoko Georgian Dream tamin'ny taona 2012. Raha nanambara ampahibemaso ny fanapahankeviny hiala amin'ny politika i Ivanishvili tamin'ny taona 2021 dia nino ny sasany fa mbola izy no mibaiko any ambadiky ny sehatra. Tamin'ny volana Jona 2022, ny Parlemantera Eorôpeana dia naka fanapahankevitra iray “mikasika ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny haino aman-jery sy ny fiarovana ny mpanao gazety tao Zeorzia”. Angatahan'ila y antontan-taratasy ireo Zeorziana tompon'andraikitra mba hametraka sazy manokana amin'i Ivanishvili “noho ny anjara andraikiny tamin'ny famotehana ny dingana ara-politika tao Zeorzia”.

Nandany taona iray ny governemanta tao Zeorzia hametrahana volavolan-dalàna iray mikasika ny désoligarchisation, izay nolanian'ny parlemantera Zeorziana tamin'ny 13 Jona 2023, na dia eo aza ny fanoherana napetraky ny Vaomieran'i Venise, izay nanamafy fa mbah ahomby ny désoligarchisation dia tsy ampy ny fandaniana fotsiny na fanitsiana ny lalàna fa mila mandray “fepetra mivaingana” mikendry ny “fampihenana ny fitaoman-kevitra oligarsika”.

Tsy nahavita namaha an'ireo ahiahy nofaritan'ilay fanambaràn'ny Vaomieran'i Venise ilay volavolan-dalàna sady, araka ny voalazan'ny media ao an-toerana, mpanohitra maromaro no nokendren'ilay volavolan-dalàna fa tsy Ivanishvili.

Nandritra ny lahateny ho an'ny gazety tamin'ny 8 Novambra, dia nilaza ny solontenan'ny Raharaham-bahiny ao amin'ny Vondrona Eoropeana, Josep Borrell, fa ny telo monja tamin'ireo “laharam-pahamehana” roa ambinifolo ho an'ny sata maha-kandidà no tratran'i Zeorzia hatreto : ny fitovian'ny lahy sy vavy sy ny ady amin'ny herisetra atao amin'ireo vehivavy, ny fitsarana mikasika ny zon'olombelona nandritra ny fifampidinihana teo amin'ny tribonaly ary ny fanendrena mpiaro vahoaka tamin'ny alalan'ny dingana iray mangarahara. “Ilaina atao aloha ny asa fanesorana ny fifanenjanana amin'ny fiainana ara-politika”, ny désoligarchisation an'ny fiainana ara-toekarena, ara-politika sy ara-tsôsialy, amin'ny fanavaozana ny fitsaràna, amin'ny fanavaozana ny resaka fifidianana, mikasika ny fahamaroan'ny haino aman-jery sy mikasika ny zon'olombelona. Tsy misy hintsin-dalana”, hoy ny fanamarihan'i Borell.

Nasongadina ihany koa ireo ahiahy ireo sy ny hafa, tao anatin'ny tatitra voalohan'ilay Vaomiera momba ny fanitarana mahakasika an'i Zeorzia, navoaka ihany koa tamin'ny 8 Novambra.

Ny vahoaka Zeorziana

Tao anatin'ireo fanambaràna rehetra natao tamin'ny 8 Novambra, anisan'izany ny an'ireo diplomaty Tandrefana, ireo mpandinika sy ireo mpanohitra mpikatroka dia votoatin-dresaka ireo olom-pirenena Zeorziana. Miainga avy amin'i Borell ka hatrany amin'i von der Leyen, mandalo an'ireo solontenan‘ny Georgian Dream sy ireo antoko mpanohitra ao amin'ny firenena, dia samy niarahaba ny vahoaka Zeorziana sy ny fanoloran-tenany ho an'i Eorôpa. Nandritra ny lahateny iray ho an'ny gazety taorian'ilay fanapahankevitra, ny masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana ao Zeorzia, Paweł Herczyński, dia niteny fa “Voalohany indrindra, arahabaiko amim-pahatsoram-po ny vahoaka Zeorziana izay nanohana tsy tapaka sy tsy azo nohozongozonina ny fampidirana an'i Zeorzia ho ao anivon'ny Vondrona Eorôpeana.”

Nisy vondrona Parlemantera Eorôpeana iray ihany koa narahaba ny vahoaka :

Izahay, sakaizan'ny 🇬🇪#Zeorzia ato amin'ny Parlemanta Eorôpeana dia miarahaba ny vahoakan'i Zeorzia noho ny tolo-kevitra manan-tantara nataon'ny Vaomiera 🇪🇺 hanome ny sata maha-kandidà an'ilay firenena. Ny vahoaka Zeorziana ny nahazoana io fandresena io.👇 pic.twitter.com/s1eZ1KTb1P

— Viola von Cramon 🇺🇦🇪🇺 (@ViolavonCramon) 8 Novambra 2023

Tao anaty lahatsoratra iray tao amin'ny X, dia nanambara Tom de Waal, manam-pahaizana momba ny faritra, fa : “Ilay fanambarana nandrasana hatry ny ela avy amin'ny Vondrona Eoropeana mikasika an'i Zeorzia dia karazana fanapahankevitra tsy misy tena fanapahankevitra. Mahazo sata maha-kandidà Zeorzia, izay azo [n'ny governemanta] heverina ho fandresena. Saingy mbola mitoetra ireo fepetra – mbola any ankibon'ny omby ilay fidirana. Fanampin'izay, aseho ho sahala amin'ny loka atolotra ny daholobe ilay izy fa tsy ho an'ny [governemanta].

Tamin'ny fakankevitra ny daholobe nataon'ny National Democratic Institute and the Caucasus Research Resource Center (CRRC) tao Zeorzia, tamin'ny volana May 2023, ny maro an'isa tamin'ny olona namaly – 82 isan-jato – dia nilaza ny fanohanany tsy azo hozongozonina ny firotsahana ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eorôpeana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.