Ity lahatsoratra nosoratan'i Klaing Kimhuoy ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Prachatai, tranonkalam-baovao tsy miankina ao Thailandy. Dika iray nasiam-panovàna no averin'ny Global Voices avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizàra votoaty.
Na misy aza ny fandrahonana avy amin'ny manampahefàna kambôdziàna, izay lazaina fa noho ny fanimbàna ny sarin'ny firenena, Prak Pheaktra, 39 taona, Kambôdziàna iray mpila ravinahitra lasa mpanao adisisika, dia miezaka ny manampy ireo Kambôdziàna sasany mpiasa izay miatrika fomba fitondra tsy ara-drariny ataon'ireo mpampiasa an-dry zareo.
Tamin'ny 2000, Pheaktra, izay avy any amin'ny faritanin'i Pusat, dia tonga nitady asa atao Thailandy. Taorian'ny fodiamandrin'ny reniny dia niatrika fahasahiranana ara-bola izy sy ny fianakaviany, ary tsy vitan'ny rainy intsony ny nandefa azy ho any an-tsekoly. Teo am-pikatsahana ilay fampanantenana karama tsaratsara kokoa sy asa tsy dia manahirana, nanapaka hevitra izy ny handeha ho any Thailandy.
Mpiasa tamina orinasa mpanorina trano no niantombohan'i Pheaktra tao amin'ny faritanin'i Don Mueang, saingy taty aoriana izy dia niharan'ny fanararaotana nataon'ilay mpampiasa azy. Indray andro, nogiazan'ny mpampiasa azy ny karamany ary norahonany hotoriana teny amin'ny fitsaràna izy. Noho izy niaina nivantana ny fomba fitondra tsy ara-drariny sy ny fanararaotana ireo mpiasa mpila ravinahitra tao Thailandy, lasa mpiaro ny zo izy mba hahafahany manampy ireo mpiasa hafa hahazo fomba fitondra tsy miangatra eny amin'ny toeram-piasàn-dry zareo.
Ny fanolorantenan'i Pheaktra dia nitondra azy ho amin'ny toeran'ny mpandika teny Khmer-Thai tao anivon'ny Ministeran'ny Asa ao Thailandy tamin'ny taona 2018–2019, fotoana nanombohany nianatra ny lalàna Thai. Taorian'ny nahavitany ny fifanarahany tamin'ny ministera, nanjohy ny Labor Rights Promotion Network (LPN) izy tamin'ny 2019–2020, nitàna ny toerana Tomponandraikitra Voalohany mpandray Fitarainana.
Rehefa avy niasa niaraka tamin'ny governemanta sy ireo fikambanana sivily, ankehitriny izy dia miasa ho toy ny mpisolovava tsy miankina ho an'ireo mpiasa mpila ravinahitra. Manolotra tohana ho an'ireo mpiasa misedra olana mahakasika ny karama izy, na ireo mizaka tsindry avy amin'ny mpampiasa, ny filambaniny ara-nofo, sy ireo fandrahonana hafa — asa maimaimpoana daholo izany. Ampiasainy ihany koa ny media sôsialy mba hanabeazana ireo mpiasa momba izay fomba araka ny lalàna hiainana sy hiasàna ao Thailandy, ary hampitandremana an-dry zareo ireny momba ny fanararaotana ataon'ireo mpanelanelana. Anatina tetikasam-pikarohana, dia miaraka miasa amina ONG maro izy, izay ny iray amin'ireny dia miompana amin'ny fanararaotana zaza ao Phuket sy ireo fanararaotana hafa manjo ireo mpiasa eny anaty sambo mpanjono.
Kanefa, ny adisisika ataony dia niteraka fanakianana sy fandrahonana, indrindra fa avy amin'ireo manampahefana kambôdziàna, izay milaza fa mety hanohintohina ny sarin'ny firenena eny anivon'ny daholobe izy. Tamin'ny Febroary 2023 lasa teo, rehefa nanotrona Kambôdziàna mpiasa niisa 10 izy tao Samut Prakan, izay tsy naloan'ny mpampiasa azy ny karaman-dry zareo, nisedra fanontaniana vitsivitsy avy amin'ny lehiben'ny Birao misahana ny Asa ao amin'ny Masoivohon'i Kambôdza izy. Fony izy tao Rayong, raha niasa tamina tranga iray hafa, dia nanontaniana azy raha fantany hoe mety hanohintohina ny fahitàn'ny olona ny governemanta kambôdziàna ny zavatra ataony, ary norahonana izy hoe hosintonina ny pasipaorony.
Nandrahona ny hisintona ny pasipaoroko ny lehiben'ny Birao misahana ny Asa raha toa aho ka manohy ny fanolorantenako ho amin'ireo hetsika izay mitondra fiantraika miiba amin'ny fomba fijerin'ny olona ny governemanta kambôdziàna. Hoy aho, azonareo bahanana ny pasipaoroko raha heverinareo fa tena manao zavatra tsy mety aho. Tsy matahotra aho.
Niatrika fandrahonana avy amin'ireo manampahefana thailandey ihany koa izy, izay araka ny heviny, dia manana hevitra raikitra mitongilana any amin'ireo mpampiasa sy niampanga azy ho mametraka fitokisana tafahoatra amin'ireo mpiasa. Nanome ohatra iray izy mahakasika tranga iray manokana noraisiny an-tànana izay nisy fanapahankevitra tsy mitombona nitondra tamin'ny fanomezana tsiny tsy an-drariny ny mpiasa iray.
Sosokevitra narosony ny ilàna fahitsiana bebe kokoa any anatin'ireo dingana ao amin'ny Ministeran'ny Asa ary nasehony ny hasosorany tamin'ilay fiampangàna azy ho mametraka fahatokiana be loatra amin'ireo mpiasa. Manainga izy ny mba hisiana fomba fiasa mifandanja kokoa ho entina manome ny rariny sy ny tombontsoan'ireo mpiasa mpila ravinahitra.
Na eo aza ireo fandrahonana atrehany, mikiry hatrany i Phaektra. “Tiako ny zavatra ataoko amin'izao fotoana izao, ary hotohizako ny fanampiana ireo Kambôdziàna mpiasa, na inon-kidona,” hoy izy.
Ireo efa niasa niaraka tamin'i Phaektra dia nanoritra azy ho tsara fanahy sy be fandavantena. Prum Somnang, Kambôdiàna mpiasa amina orinasa mpanamboatra harona plastika, dia nahazo fanohanana tamin'i Phaektra taorian'ny fandroahana azy tampoka nataon'ilay Thailandey mpampiasa azy, tamin'ny filazàna ho tsy mahenjika tsara ny asa. Efa folo taona i Somnang no niasa tao ary voaroaka niaraka tamina mpiasa 40 hafa. Nikasa hitondra azy teny anaterhan'ny fitsaràna ilay mpampiasa azy, hoy izy, noho izy nanomboka hetsipanoherana iray hanoherany ilay fandroahana. Nandritra izany fotoana izany, fito andro aorian'izay dia ho tapitra ny fahazoandàlany mivahiny tao, ary nilainy ny nahita asa nandritra io herinadro io. Ny namany no nanoro hevitra azy hitady fanampiana any amin'i Pheatra.
“Tena tsara fanahy izy. Nanampy ahy izy nahazoako ny volako tany amin'ilay mpampiasa ary nanampy ahy mihitsy aza hahita asa vaovao talohan'ny hahataperan'ny fahazoandàlako,” hoy i Somnang.
Nandritra izany fotoana izany, tamin'ny alàlan'ny tambajotra sôsialy hatramin'ny 2016 i Loeng Sophon, lehibena tetikasa ao anatin'ny vondrona iray mpiaro ny zon'ny mpiasa Centre for Alliance of Labor and Human Rights (CENTRAL), no nahalàla an'i Phaektra .
Olona marin-toetra sy be fandavantena tsy tia sehoseho no namaritany an'i Pheaktra, izay tsy mitsahatra ny manohana ireo mpiasa iharan'ny fanararaotana. Nomarihany ihany koa fa ireo ezak'i Phaektra amin'ny fanabeazana ireo mpiasa momba ny lalàna Thai sy ny fomba ato hahazoana ireo antontan-taratasy toy ny fahazoandàlana (viza) sy ny fanomezandàlana hiasa, hatramin'ny fampahafantarana an-dry zareo rehefa misy fiovàn-javatra any anatin'ny lalàna. Nampian'i Sophon hoe:
Mety tsy fiainana manankarena ny an'i Pheaktra saingy tena tsy nivembena mihitsy izy nanolo-tena hanampy ireo Kambôdziàna mpiasa, tamin'ny fitanisàna fitiavana tanindrazana ifampizaràna sy ny faniriana hanakana ireo mpiasa avy amina firenena hafa mba tsy hanao ratsy fitondra an'ireo Kambôdziàna mpiasa.
Nambaran'i Pheaktra fa iray amin'ireo tena mampiasa loha azy momba ny fiainan'ireo mpiasa mpitady ravinahitra ao Thalinady ny àmbana mety ho tratry ny fisolokiana ketrehan'ireo mpanelanelana na ireo solontenana orinasa mandritra ny fametrahana ny antontan-taratasiny. Notsipihan'i Pheaktra ny filàn'ireo mpiasa mandray an-tànana ny antontan-taratasin'izy ireo mba hialàna amin'ny fisolokiana tahaka izany.
Ho an'ny hoavy, nasehon'i Pheaktra ny fanolorantenany hanohy ny asa sôsialy ikendrena izay hanampiana ireo mpiasa mpila ravinahitra. Na misy aza ireo ONG marobe sy ireo andrim-panjakna manome tohana, misalasala ireo mpiasa ny hangataka fanohanana mivantana noho ny ahiahy mahakasika ireo olona to-teny mifandray amin'ireny fikambanana ireny. Mametraka ny tenany ho mpanao adisisika ho an'ireo mpiasa mpila ravinahitra i Pheaktra, mijoro eo anilany sy mikarakara ny olan-dry zareo.