Ao RDC, nampangain'ny mpanohitra ho feno hosoka ny fahalanian'i Félix Tshisekedi ho filoha indray

Félix Tshisekedi, nalaina tao amin'ny Félix Tshisekedi, YouTube de France 24

Voafidy indray  ho filohan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa i Félix Tshisekedi tamin'ny faran'ny volana Desambra 2023, saingy miatrika fanoherana avy amin'ny mpanohitra izay tsy mankatoa ny fifidianana azy.

Nambaran’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) tamin’ny 31 Desambra 2023 ny fahalanian'i Félix Tshisekedi indray ho amin'ny fe-potoana dimy taona faharoa taorian’ny fifidianana tamin’ny 20 sy 21 Desambra 2023. Araka ny vokatra, dia nahazo vato 73,34%  avy amin'ny Kongoley ny filoha lany. Mpifidy maherin'ny 40 tapitrisa no nandrasana hifidy tamin'ireo mponina tombanana ho 100 tapitrisa mahery, saingy Kongoley 18 tapitrisa monja no nifidy, izay maneho ny taham-pandraisana anjara 43%.

Vakio : Hamaky inona, hanaraka an'iza mba hahafantarana ny vaovao sosialy sy politika ao RDC? [mg]

Mizara ny sisa ambin’ny vato ireo kandidà hafa ho amin'ny fahefana faratampony. Nahazo 18,08% tamin'ny vato Moïse Katumbi, avy amin'ny antoko Ensemble pour la République (Miaraka ho an'ny Repoblika) sady governora teo aloha tao amin'ny faritanin'i Katanga (any atsimo-atsinanan'ny firenena); Nahazo 5,33% kosa i Martin Fayulu avy amin'ny antoko Fandraisana Andraikitra ho an'ny maha Olom-pirenena sy ny Fampandrosoana (Ecidé); Adolphe Muzito, praiminisitra teo aloha (2008-2012) teo ambany fitarihan'i Joseph Kabila, filoha teo aloha (2001-2019) afa-po tamin'ny vato 1,12%. Denis Mukwege, nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana tamin'ny taona 2018 kosa nahazo latsaky ny 1% tao anatin'ny anjoria ara-politika voalohany nataony.

Fandresena fantatra mialoha

Talohan'ny fifidianana dia efa nisy fanadihadiana maromaro nametraka an'i Félix Tshisekedi ho mahery indrindra amin'ny fifidianana. Araka ny fitsapa-kevitra natao tamin'ny 16 Septambra ka hatramin'ny 20 Novambra 2023 nataon'ny GeoPoll, barometatra ara-tsosialy sy ara-politika miorina ao Etazonia, mihoatra ny 70% ny Kongoley vonona hanome fe-potoam-piasana faharoa ho an'i Tshisekedi.

Namoaka ny valin'ny fitsapa-kevitra fahefatra nataon'ny GeoPoll tao amin'ny kaontiny X (ex-Twitter) ny fampahalalam-baovao The Voice of Congo:

“Mbola mihamafy hatrany ny fikasana hanohana ny firotsahan'ny filoha Tshisekedi ho amin'ny fe-potoam-piasana faharoa, ka ny 77% tamin'ireo namaly no naneho ny fahavononany hifidy azy. »

Manamafy ny tarehimarika tamin'ny fitsapa-kevitra ny vokatra navoakan’ny Ceni, araka izany.

Fandavan'ny mpanohitra tanteraka ny voka-pifidianana

Saingy lavitra ny faneken'ny mpanohitra ireo vokatra ireo: tamin'ny 31 Desambra 2023, nanameloka ny fifidianana indray an'i Tshisekedi tao amin'ny kaontiny X ilay mpanohitra Martin Fayulu tamin'ny alàlan'ny hafatra an-dahatsary, ary manasa ny vahoaka Kongoley hanao hetsi-panoherana:

Laviko marindrano ny saritsarim-pifidianana hosoka sy ny voka-pifidianana diso navoakan'ny #CENI. Mangataka ny vahoaka Kongoley aho mba hanohitra ity fanonganam-panjakana vaovao ity araka ny voalazan’ny andininy faha-64 ao amin’ny Lalàmpanorenantsika.

Etsy ankilany, miantso ireo Kongoley tao amin'ny kaontiny X hanao diabe milamina i Moise Katumbi, mpanohitra mba hitaky ny hanaovana fifidianana tena marina:

Taorian'ny saritsarim-pifidianana nokarakarain'ny CENI, nanapa-kevitra ny vahoaka Kongoley – araka ny zo omen'ny Lalàmpanorenana azy – handray andraikitra sy hanao diabe am-pilaminana mba hitaky ny fisian'ny fifidianana madio. Valiny tokana no azo, notsenain'ny tifitra sy ny herisetra an-jambany nataon'ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka. Marobe ireo naratra. Tsy azo ekena! Manameloka amin'ny heriko rehetra ny famoretana aho izay lasibatra tamin'izany ireo Kinois (mponina ao Kinshasa, renivohitr'i RDC) sy ireo mpanohana marobe ny #ECIDE, antoko rahalahin'i @martinfayulu. Tongotra mby an-dakana izao. Ho arahin'ny hetsika hafa manerana ny firenena ity diabe voalohany ity. Tsy ho tafita ny fisolokiana, ny hosoka ary ny lainga. Maneho ny fiarahamiory amin'ireo naratra sy ireo niharan'ny didy jadona aho. Mirakitra ao anatin'ny maherifontsika ny herim-pon'izy ireo hiaro am-pilaminana ny fahalalahana sy ny demaokrasia. Tsy maintsy handray an-tanana ny hoavintsika isika. Azo atao ny mametraka Congo vaovao!

Manondro ny Andininy faha-64 amin'ny lalam-panorenana Kongoley ireo kandidà roa ireo izay milaza hoe:

Tout Congolais a le devoir de faire échec à tout individu ou groupe d’individus qui prend le pouvoir par la force ou qui l’exerce en violation des dispositions de la présente Constitution

Ny Kongoley rehetra dia manana adidy hanakana ny olona tsirairay na vondron'olona izay maka fahefana an-keriny na mampiasa izany amin'ny fanitsakitsahana ireo fepetra voalazan'ny Lalàmpanorenana

Fifidianana feno tsy fahatomombanana

Marina fa nahitana fanitsakitsahana maro ny zotram-pifidianana. Nanimba ny fanomanana ny fikarakarana ny fifidianana ny olana ara-pitaovana. Taraiky be ny fisokafan'ireo birao fandatsaham-bato sasany raha tsy nahitana fitaovam-pifidianana kosa ny hafa rehefa nisokatra ny birao. Nilaza tao amin'ny tatitra momba ny tapak'andron'ny 20 Desambra ny iraka mpanara-maso ny fifidianana napetraky ny fiangonana katolika sy protestanta, notononin'ny France24 fa:

(…)31,37 % des bureaux de vote n’ont pas ouvert ce matin, 45,1 % ont connu le dysfonctionnement des Dispositifs électroniques de vote. Par ailleurs, 9,8 % de bureaux de vote ont été interdits d’accès aux observateurs et 7,84 % ont enregistré des actes de violence dont 5,88 % saccagés.

(…)31,37%-n’ny birao fandatsaham-bato no tsy nisokatra androany maraina, 45,1% no niharan’ny tsy fahatomombanan’ny fitaovana elektronika fandatsaham-bato. Fanampin'izany, noraràna tsy hidiran'ny mpanara-maso ny 9,8%-n'ny biraom-pifidianana ary 7,84% no fantatra fa nahitana herisetra, ka voaroba ny 5,88%.

Fanehoan-kevitra iraisampirenena

Raha tsy mitovy hevitra amin'ny fahalanian'ny filoham-pirenena indray ny eo anivon'ny antoko pôlitika kongoley, manao totoafo kosa ny fiarahabana eo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Nandefa hafatra fiarahabana tamin'ny 31 Desambra 2023 ny tany Afrika Afovoany, Evariste Ndayishimiye, filohan'i Burundi:

Miarahaba am-pitiavana ny mpiara-miasa amiko sy ny Rahalahy S.E Félix Antoine Tshisekedi aho tamin'ny naha-lany filohan'ny #RDC azy indray taorian'ny famoahana ny vokatra vonjimaika. Raha sanatria misy ny fifandirana ara-pifidianana, dia manantena ny hisian’ny famahana am-pilaminana amin’ny alalan’ny fantsona ara-dalàna aho.

Manaraka azy i João Lourenço, filohan'i Angola. Raha ny voalazan’ity farany dia antoka amin’ny famerenana indray ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena sy any amin’ny faritra afovoan’i Afrika ny fifidianana indray an’i Tshisekedi. Nampitain'ny fampitam-baovao Le Potentiel tao amin'ny kaontiny X ny teniny:

Araka ny voalazan'i João Lourenço, hahatonga ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin'ny firenena sy ny faritra io fifidianana io.

“Matoky aho fa ny fanavaozana ny fitarihana ny Filohan’ny Repoblika Demaokratikan’i Kongo dia antoka fa hanao dingana fototra mankany amin’ny famerenana indray ny Fandriampahalemana eto amin’ny faritra misy antsika, ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo anivon’ny SADC ary ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana ara-piarahamiasa misy eo amin'ny firenena roa tonta” isika, hoy i João Lourenço, araka ny voalazan'ny masoivohom-baovao Angoley.

Any Afrika Andrefana, avy amin'i Faure Gnassingbé, filohan'i Togo ny hafatra fiarahabana an'i Tshisekedi. Nanoratra tao amin'ny kaontiny X izy hoe:

Arahabaina miketriketrika ny rahalahiko sady namako, Andriamatoa Félix Tshisekedi Tshilombo, @Fatshi20, taorian'ny nahavoafidy azy indray ho eo amin'ny toerana faratampony ao #RDC, taorian'ny voka-pifidianan'ny Vaomieran'ny Fifidianana.

Resy lahatra aho fa manome antsika fahafahana hanohy hanamafy orina ny fifandraisana mana-tantaran'ny fisakaizana, ny firahalahiana ary ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenentsika ity fe-potoam-piasana vaovao ity. Maneho firarian-tsoa aho mba hisian'ny fandriampahalemana, fitoniana ary firindrana ho an'ireo vahoakan'i #Congo.

Tsy mahatonga hanadino ireo hafatra ireo fa ny tena mampanahy eo anivon'ny faritra dia ny famahana ny ady ao atsinanan'ny firenena izay ifanandrinan'ireo mpikomin'ny Hetsika 23 mars amin'ny Tafika mitam-piadian'ny RDC nanomboka tamin'ny taona 2012. Tsy azo isalasalana fa ny famerenana indray ny fandriampahalemana ao amin'ity faritra ity no iray amin'ireo laharam-pahamehan'ny fe-potoam-piasana vaovaon'i Tshisekedi.

Raha te-ahafantatra bebe kokoa momba ny RDC, vakio ny fitantarana manokana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.