Ny adin'ny praiminisitr'i Nouvelle Zelande amin'ny media

Minister Winston Peters being interviewed by the media.

Ny minisitra Winston Peters nitafatafa tamin'ny fampitam-baovao. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny Newshub

Nilaza ny praiminisitra lefitra ao Nouvelle-Zélande sady minisitry ny raharaham-bahiny Winston Peters fa ao anatin'ny “ady” amin'ny media izy ary niampanga ireo fampielezam-baovam-panjakana ho tsy manana fahaleovantena.

Peters, izay lefitry ny praiminisitra Christopher Luxon amin'izao fotoana izao, no mpanorina sy mpitarika ny antoko mpandrendri-bahoaka sady nasionalista New Zealand First. Nanomboka ny asany izy tamin'ny fanakianana ampahibemaso ny media andro vitsivitsy taorian'ny nananganana ny governemanta vaovao tao amin'ny firenena tamin'ny 27 Novambra 2023. Nanontaniany manokana ny famatsiam-bola mitentina 55 tapitrisa dolara US ho an'ny asa fanaovan-gazety ho amin'ny tombotsoa daholobe nomen'ny governemanta teo aloha nandritra ny valan'aretina COVID-19 tamin'ny taona 2020, izay nambarany fa nampiasaina mba “hanakolikolena” ny media.

Niangavy ny mpanao gazety izy mba tsy ho “adala ara-matematika”, ary, tamin'ny fotoana iray nandritra ny fivorian'ny kabinetra, nihaika ny mpanao gazety izy mba “hangarahara”:

Before you go, can you possibly tell the public what you had to sign up to to get the money? Before you ask one more question, tell the public what you signed up to to get the money.

Alohan'ny handehananao, azonao atao ve ny milaza amin'ny besinimaro hoe inona no tsy maintsy nosoniavina mba hahazoana ilay vola? Alohan'ny hanontanianao fanontaniana iray hafa dia lazao amin'ny besinimaro hoe inona no nisoratanao mba hahazoana ilay vola.

Politisiana menavazana resy tamin'ny fifidianan'ny taona 2020 ny antokony i Peters. Nandritra ny fanentanam-pifidianana Oktobra 2023, noheringeroniny ny mpanao gazety sasany ho “voakolikoly” sy “mpivarotra masiso”. Naverimberiny ny fiampangany ny media ho mitanila nandritra ny fotoam-pivorian'ny parlemanta nandritra ny herinandro voalohan'ny volana Desambra.

Nanangana fiaraha-mitantana hampijoroana governemanta ireo Antoko mpandala ny nentin-drazana telo, anisan'izany New Zealand First antokon'i Peters. Nanome toky ny governemanta vaovao hampihena ny hetra, hampihenana ny fanjakambirao, hampiofana polisy bebe kokoa, ary hanamaivana ny fisondrotry ny vidim-piainana. Voaisotr'izy ireo ny Antokon'ny Mpiasa teo amin'ny fitondrana teo aloha, izay noderaina maneran-tany noho ny fikarakarana ny valan'aretina COVID-19 saingy niatrika fanakianana teo an-toerana noho ny fiakaran'ny vidim-piainana.

Tamin'ny fitsipahany ny tahirim-bolan'ny asa fanaovan-gazety mahasoa ny daholobe, tsy nomarihan'i Peters fa kinendry ny hanohanana ireo orinasam-pampahalalam-baovao eo an-toerana izay very fidiram-bola tamin'ny dokambarotra nandritra ny valan'aretina. Notantanin'ny New Zealand on Air, fikambanana tsy miankina iray, ny tahirim-bola. Nofariparitan‘i Andrew Shaw, mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana, ho “ratsy fanahy” sy “tsy mahitsy” ny fanambaràn’i Peters. Niala tamin'ny toerany izy taorian'izay rehefa nanimba ny tsy fitongilanan'ny andry-fikambanana ny fanambaràny.

Nanoratra ny Sir Ian Taylor, mpanorina sady talen'ny Animation Research ary mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana taloha tao amin'ny New Zealand on Air, fa tokony hiala tsiny amin'ny fanamarihany i Peters. Niaro ny fitokisana sy ny fahaleovantenan'ny andry-fikambanana ihany koa izy.

The only way journalists could access those funds was to have their applications approved by the New Zealand on Air board, a completely independent organisation. By making the claim that “you can’t defend USD 55 million of bribery” our Deputy Prime Minister just accused the full board of being complicit in his bribery claim and they, quite justifiably, should expect an apology for such an unwarranted, and potentially defamatory, claim. He certainly deserved much more than the slap over the wrist he got.

Ny hany fomba ahafahan'ny mpanao gazety mahazo ireo vola ireo dia ny fankatoavan'ny New Zealand on Air board, fikambanana mahaleo tena tanteraka, ny fangatahan'izy ireo. Tamin'ny filazany fa “tsy afaka miaro amin'ny kolikoly 55 tapitrisa dolara ianao” dia niampanga ny filankevi-pitantanana manontolo ho mpiray tsikombakomba amin'ny fitakiana tsolotra ny praiminisitra lefitra ary tokony hanantena hahazo fialan-tsiny amin'izany zava-tsy mitombina izany izy ireo, izay mety ho raisina ho fanalam-baraka. Mendrika ny hahazo mihoatra noho ny tehamaina teo amin’ny hato-tanana azony izy.

Nanoratra i Tracy Watkins, tonian-dahatsoratra ao amin'ny Sunday Star-Times, fa miditra amin'ny “lalana diso sy zarahay diso” i Peters ary mampiasa ny biraony “hanimbana ny fitokisana sy ny fanajana ny fampitam-baovao.” Notsikerainy ihany koa ny manetsika ireo manampahefana namerina ny filazana tsy mitombina nataon'i Peters momba ny fampitam-baovao:

Why have so many powerful people bought into this argument? Because it muddies the boundary between truth and lies. Because a weakened media is good for them. What politician wouldn’t want that? They don’t particularly like being answerable to the media and they like even less the scrutiny that comes with public office.

Nahoana no olona matanjaka maro no nividy an'io fandresen-dahatra io? Satria mandoto ny sisin-tany misy ny marina sy ny lainga. Satria tsara ho azy ireo ny fampitam-baovao nohalemena. Iza no mpanao politika tsy te hanao izany? Tsy tian'izy ireo manokana ny fampahalalam-baovao mitady valiny ary tsy tiany kokoa ny araha-maso akaiky rehefa ao amin'ny biraom-panjakana.

Nanentana an'i Christopher Luxon, praiminisitr'i Nouvelle-Zélande, i Cédric Alviani, talen'ny biraon'ny Reporters Sans Frontières any Azia-Pasifika, mba hanamafy ny fanohanan'ny governemanta ny asa fanaovan-gazety malalaka. Nanameloka ny fanambaràn'i Peters koa izy:

By making irresponsible comments about journalists in a context of growing mistrust of the New Zealand public towards the media, Deputy Prime Minister Peters is sending out a worrying signal about the newly-appointed government’s attitude towards the press.

Amin'ny fanehoana hevitra tsy tompon'andraikitra momba ny mpanao gazety ao anaty fitomboan'ny tsi-fitokisan'ny vahoaka ao Nouvelle Zélande ny media, mandefa famantarana mampanahy ny praiminisitra lefitra Peters momba ny fihetsiky ny governemanta vao notendrena manoloana ny mpanao gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.