
Vahoaka milahatra hifidy eo amin'ny biraom-pifidianana iray tao Banqiao, New Taipei City, Taiwan, 13 Janoary 2024. Sary: HKFP.
Ity tatitra ity, nosoratan'i Irene Chan, dia navoaka voalohany tao anatin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 13 Janoary 2024. Dika iray nasiam-panovàna no avoaka etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty miaraka amin'ny HKFP.
Ny Sabotsy, zavatra tsy mbola nataon'i Bryan velively tany aloha tany no nataony: nandrotsaka ny vatony izy hifidy izay ho filoha manaraka ao Taiwan.
“Taiwanais aho izao ary antenaiko fa hiova i Taiwan — na tsy nofafàko aza ny maha-teratany avy any Hong Kong ahy, tena mbola manaraka akaiky ny vaovao avy any Hong Kong aho,” hoy i Bryan tamin'ny HKFP tao anatin'ny Ximending ao Taipei, toerana iray itantanany trano fisakafoanana manolotra ireo fomba fahandro cantonais, ny vary ahorona.
Mpiasam-birao fahiny tao Hong Kong, nifindra nankany Taiwan i Bryan sy ny ankohonany tamin'ny faramparan'ny 2019, taorian'ny nipoahan'ireo korontana sy hetsika mpandala ny demaokrasia. Hoy i Bryan:
Nandramanay ny nanandratra ny feonay tamin'ny alàlan'ireo diabe am-pilaminana, saingy tsy niraharaha tsotra izao fotsiny anay ny governemanta [ao Hong Kong]. Noho ny tsy fisian'ny fanovàna, tsy manana safidy afa-tsy ny miala izahay.
Nipoaka tao Hong Kong tamin'ny Jona 2019 ireo hetsipanoherana ny tolodalàna iray fampodiana olona nohelohina izay mety hamela an'i Shina hampody olona any Hong Kong tsy mandalo dingam-pitsaràna araka ny tokony ho izy. Niharatsy ireo hetsipanoherana ka lasa indraindray hetsika nahery setra fanoherana ny fitondrantenan'ny pôlisy, noravahan'ireo antso fitakiana demaokrasia sy hatezerana nanoloana ny fitsabatsabahan'i Beijing. Herintaona taorian'izay, nisy lalàna fiarovam-pirenena napetraka tao an-tanàna, ary nandritra ireo volana nanaraka izany, an'aliny maro ireo mpanohitra no nifidy tamin'ny alàlan'ny tongony ka nandao an'i Hong Kong.
Ao Taiwan, izay amin'ny alàlan'ny fifidianana demaokratika no hanehoany ny feony, nomen'i Bryan lanja goavana ny fifidianana tsirairay. Nandrotsaka ny vatony izy nandritra ireo fitsapankevi-bahoaka niisa efatra tamin'ny 2021 sy ireo fifidianana tao an-toerana tamin'ny 2022. Ho an'ny 2024, nilaza izy fa “tsy nanana safidy betsaka” satria tsy maintsy nisafidy tamin'ireo kandidà izay nijoro tamin'ny fanapahankeviny matotra manoloana an'i Shina. Nampiany hoe:
Kanefa, amin'ny sehatra marobe dia afaka ny ho tsaratsara kokoa i Taiwan. Heveriko fa ny antoko eo amin'ny fitondràna no nitondra an'i Taiwan ho eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, saingy ilainay ihany koa ny mitandrina tsara manoloana ireo olana anatiny toy ny fitaterana, ny resaka trano fonenana ary ny rafitry ny lalàna.
Araka ny Masoivohom-pirenena misahana ny fifindrana monina ao anivon'ny Ministeran'ny Atitany, nitombo nalaky be ny isan'ireo teratany avy ao Hong Kong nahazo sertifika fonenana maharitra ao Taiwan teo anelanelan'ny 2020 sy 2021 raha ampitahaina amin'ny 2019.
Na izany aza, marobe ireo avy ao Hong Kong no nandao an'i Taiwan nankany Kanadà sy ny Fanjakana Mitambatra rehefa tsy nahavita nahazo sertifika hahazoana mipetraka maharitra tao, izay ahafahan'ireo manana izany mahazo pasipaoro, karapanondro taiwanais sy fahafahana mifidy.
Teratany 7.000 teo ho eo avy any Hong Kong no nahazo sertifika honenana maharitra teo anelanelan'ny 2019 sy 2023, ary ny sasany ho afaka hifidy mandritra ny fifidianana 2024. Tsy nampahafantarin'ny governemanta ao Taiwan ny isan'ireo mpifidy avy any Hong Kong.
Telo taona lasa izay no nifindra nankao Taiwan niaraka tamin'ny ankohonany i Jeremy (solonanarana), teratany avy any Hong Kong, eo amin'ny faha-60 taonany, izay tany am-boalohany dia niasa teo amin'ny sehatry ny fampianarana tao an-tanàna. Tamin'ny 2022, nanoratra ny adiresy fonenany amin'ny maha-olompirenen'i Taiwan azy izy, ary sambany nandatsa-bato nandritra ireo fifidianana teo an-toerana.
Ny Sabotsy maraina, nifoha tamin'ny 6:10 ora maraina i Jeremy handeha hamonjy birao fandatsaham-bato iray. Hoy izy tamin'ny HKFP amin'ny fiteny Kantôney:
Ora iray no laniko nitondràna fiara nankao Taoyuan, toerana nisy ny adiresiko teo aloha talohan'ny nifindrako ho amin'ny tranoko amin'izao fotoana izao. Tamin'ny fotoana nahatongavako tamin'ny 7 ora teo ho eo, efa nisy olona 20 niandry sahady teo. Nizotra nilamina ny dingana rehetra, telo minitra aho dia efa avy nifidy.
Nandritra ny an'arivo taona nisian'ny sivilizasiôna shinoa, tao [Taiwan] irery no toerana nahafahan'ny tsirairay nanana zo hifidy izay mpitarika faratampony. Tsara vintana aho mba afaka mandray anjara amin'ny fifidianana.
Sambany i Jeremy no nanatri-maso fifidianana solombavambahoaka tao Taiwan tamin'ny 2016, saingy tsy azony an-tsaina velively ny hoe ho lasa iray amin'ireo olona 19,5 tapitrisa mpifidy ao amin'ilay nosy izy. “Taorian'ny 2019 fotsiny aho vao nihevitra hoe tokony hiala [an'i Hong Kong],” hoy i Jeremy.
Amin'ny maha-vitsy an'isa an-dry zareo ao Taiwan, tena lalain'ireo avy any Hong Kong ny fanànan-dry zareo zo hifidy. Andro roa nialoha ny fifidianana, trano “live music house” iray tantanina fianakaviana avy any Hong Kong no nikarakara seminera iray ho fanampiana ireo teratany avy any Hong Kong hahafantatra ireo dingana fifidianana ao Taiwan.

Amin'izao fotoana izao, Pamela sy Gerald, teratany avy any Hong Kong, dia mitantana “live house” iray ao Taipei ary tamin'ny 11 Janoary 2024 dia nampiantrano seminera iray nanazavàny ho an'ireo avy any Hong Kong momba ny Fifidianana 2024 tao Taiwan. Sary: Kyle Lam/HKFP.
Pamela Yuen, teratany iray avy any Hong Kong, eo amin'ny faha-60 taonany, nilaza tamin'ny HKFP fa mitantana trano “live music house” iray ny fianakaviany hatramin'ny nifindràny ho ao Taiwan:
Tonga teto izahay tamin'ny alàlan'ilay fandaharanasa fifindràmonina, ka ny vadiko no tonga aloha ary izaho tamin'ny 2018. Roa taona lasa izay no tonga ny zanakay lahy. Fa malahelo foana an'i Hong Kong aho ary manontany tena tsy tapaka hoe nahoana aho no namela an'i Hong Kong… mbola miady saina mafy aho [amin'ilay fanapahankevitro].
Tamin'ny 2022, lasa isan'ireo afaka ny hifidy i Pamela ary nialohan'ny fifidianana izay ho filohampirenena ao Taiwan dia efa am-bolana maro no nanaraka akaiky ireo vaovao momba ny fifidianana:
Mampiasa loha ahy ny fifidianana, satria nokorontanin'i Ko Wen-je avy amin'ny TPP tamin'ny fampielezankevitra nataony ilay fifidianana… Tamin'ny herinandro lasa, nisy namana vitsivitsy avy any Hong Kong nisotro tao amin'ny “live music house”-nay, dia tonga tao an-tsaiko ny hoe tokony hikarakara hetsika izahay mba hiresahana momba ny fifidianana.
Samy nampiasa saina anay rehetra ny amin'io fifidianana io sy ny pôlitikan'ny governemanta manoloana an'i Hong Kong. Fanampin'izay, tsy mbola niainanay tany aloha tany, na indray mandeha aza, ny fifidianana tahaka io. Tao Hong Kong, fifidianana anaty faribolana kely no mba nanananay.
Roa taona lasa izay, sambany i Pamela no nandatsabato tamina fifidianana ben'ny tanàna tao Taiwan. Tsy toy ny ao Hong Kong, izay mazàna tonga hatramin'ny 10 ora alina ny fifidianana, fa amin'ny ankapobeny dia amin'ny 4 ora tolakandro ny fifidianana ao Taiwan no mifarana. Tsaroan'i Pamela fa tara izy tamin'ny andron'ny fifidianana:
Minitra iray talohan'ny tamin'ny 4 ora tolakandro aho no tafiditra ny birao fandatsaham-bato, ary, soa ihany, tena tia manampy tokoa ireo mpikarakara tao. Araka izany, vitako ny fifidianana voalohany nataoko taty Taiwan!
Ny 13 Janoary, tamin'ny 8 ora maraina no nisokatra ireo birao fandatsaham-bato tao Taiwan, mpifidy niisa 19,5 tapitrisa manan-jo ho afaka mifidy tao amin'ilay nosy no nanapa-kevitra ny hoe iza no tian-dry zareo ho filohany manaraka sy solombavambahoakany. Vao mikatona amin'ny 4 ora tolakandro ny birao fifidianana dia manomboka ny fanisàna vato.