Mariky ny rariny tamin'ny lasa misamboaravoara tao Suriname ve ny didim-pitsarana an'i Bouterse?

Sary nasongadina tamin'ny alalan'ny Canva Pro.

Any Suriname, zanatany kelin'i Holandy teo aloha izay miorina manamorona ny morontsiraka avaratr'i Amerika Atsimo, nandrehitra adihevitra mavaivay ny fanamelohana vao haingana an'i Desi Bouterse — olo-malaza ara-politika mampiady hevitra, sady filoha ary lehiben'ny miaramila teo aloha.

Taorian'ny fanamafisan'ny Fitsarana Surinamey ny fanamelohana ny filoha teo aloha, izay notanterahana tao Paramaribo tamin'ny 20 Desambra 2023, miatrika toe-javatra izay tsy vitan'ny hoe mihantsy ny lovany manokana manahirana, fa hatramin'ny tantara iombonan'ny firenena ihany koa i Bouterse, olo-malaza matanjaka taloha. Araka ny nosoritan’ireo vehivavy mpitsara telo ireo, “Famonoana olona ny vono olona”.

Fampahatsiahivana mivaingana momba ny Famonoana olona tamin'ny volana Desambra izany, izay famonoana ireo mpanohitra 15 tamin'ny taona 1982 nitranga nandritra ny fitondrana miaramilan'i Bouterse, sy ireo taona nisavoritaka namolavola an'i Suriname maoderina izany. Mbola azo tsapain-tanana hatrany eo amin'ny mponina na ao anatiny na ivelan'ny firenena ny ratra lalina navelan'ity tantara mahatsiravina ity: raha Surinamey ianao, dia na mpanohana na manohitra an'i Bouterse.

Ho an'ity farany, mitondra fahatsapana ny rariny efa tara loatra ny fanamelohana farany an'i Bouterse. Tamin'ny taona 2019, voaheloka higadra 20 taona an-tranomaizina izy noho ireo vono olona, ary tamin'ny 31 Aogositra 2021, na dia teo aza ny fampiakarana ambony ny raharaha, dia nomelohin'ny fitsarana tamin'izany ihany izy noho ny fandraisany anjara tamin'ny famonoana olona.

Manome mihoatra noho ny fanakatonana ny raharaham-pitsarana ity didim-pitsarana farany ity noho izany, maneho fandresena manan-danja amin'ny hery tsy voafehy ary dingana lehibe mankany amin'ny fanasitranam-pirenena. Araka ny famariparitan'ny fianakavian'ny iray tamin'ireo niharam-boina, tsapa ny “fietanam-po eo noho eo sy fahatsapana fialan'ny fihenjanana rehetra niaraka tamin'izany.”

Any Holandy, manana fihetseham-po mahery vaika momba ilay didim-pitsarana koa ireo am-pielezan'i Suriname. Ramon, 41 taona, tompon-trano fisakafoana iray, nilaza tamin'ny Global Voices fa maivamaivana izy: “Nihalehibe niaraka tamin'ny fanaintainan'ny ray aman-dreniko momba an'i Bouterse aho ary matetika izy no lohahevitra resahana teo amin'ny latabatra fisakafoana. Voadona ny iray tamin'ireo zokiko nandritra izany fotoana izany, ary namela marika ho an'ny fianakavianay izany, sy ho an'i Suriname amin'ny maha-firenena azy. Lehibe tany Holandy aho, saingy mbola nahatsapa ny vesatry ny zava-drehetra aho.”

Rosanna, talen'ny fanovana ara-kolontsaina 55 taona, mizara ny senton'i Ramon: “Faly aho fa voaheloka ihany i Bouterse. Nihalehibe niaraka tamin'ireo olona niharan'ny vono olona mivantana koa aho. Na izany aza, ny tena zava-dehibe dia hitako fa hafatra ho an'ny tanora izany fanamelohana izany. Mila fantatr'izy ireo fa firenena manaja ny rariny i Suriname ka afaka miantehitra amin'ny rafitra izy ireo amin'ny farany.”

Na izany aza, nahatonga ny maro hanana fisalasalana ny tolona nandritra ny 40 taona mahery. Nilaza i Hawa, vehivavy mpikarakara tokantrano, 55 taona ihany koa, fa nahatonga azy tsy ho be fanantenana loatra momba ny ho tohiny ny fanapahan-kevitry ny fitsarana: “Hampiakatra fitsarana ambony toy ny fanaony hatrany izy”, hoy izy. Na dia efa nanazava aza izy fa tsy azo atao intsony ny mampiakatra fitsarana ambony araka ny rafi-pitsarana, mbola tapa-kevitra izy amin’ny fisalasalany hino hoe: “Nahoana izy no tsy any am-ponja?”

Fanontaniana izay mbola tsy voavaly amin'izao fotoana izao.

Mandritra izany fotoana izany, hafa ny fanehoan-kevitry ny mpanohana an'i Bouterse. Heverin'izy ireo ho toy ny tetika politika ny didim-pitsarana, hetsika namboambolarina hanilihana mpitondra iray izay, eo imason'izy ireo, niaro ny mahantra sy niady tamin'ny sisa tavela tamin'ny fanjanahantany. Raha ny marina, ny fijoroan'i Bouterse amin'ny fanoherana ny fanjanahantany no zavatra neken'ny mpomba azy sy ny mpanohitra azy tanteraka.

Vao haingana indrindra, taorian'ny nanambaran'i Astrid Roemer, mpanoratra malaza sady mpandresy tamin'ny Loka Literatiora Holandey 2021 nampiadi-hevitra fa “nila” an'i Bouterse i Suriname, izay nofaritany ho “be herim-po tsy hay hadinoina”, dia nofoanan'ny mpikarakara ny lanonana fanomezana ny lokany.

Samy manana ny fihetseham-pony ny fianakavian'ireo niharam-boina sy ireo mpanohana ny zon'olombelona, ary ireo mpanaraka an'i Bouterse, manomboka amin'ny sento afaka vesatra sy fanamarinan-tena ka hatramin'ny fahadisoam-panantenana sy ny tsi-fitokisana. Sehon'ny fizarazarana lalina kokoa ao amin'ny fiaraha-monina ao Suriname izany ary fanamby mbola atrehin'ny firenena eo amin'ny resaka tantarany sarotra sy manahirana, izay mifamatotra mafy amin'ny lova Holandey ao amin'ny faritra.

Namela tantara sarotra tetezina ny lasan'ny fanjanahantany tany Suriname teo ambany fanjanahan'ny Holandey sy ny fifandraisany taorian'ny fahaleovantena. Samy manondro ny fiantraka maharitra amin'ity fifandraisana ara-tantara ity avokoa ny valintenin'i Holandy tamin'ny fitsarana, ny fifandraisany ara-diplaomatika tamin'i Suriname, ary ny tombotsoan'ny vondrom-piarahamonina Holandey-Surinamese.

Lasa lehibe kokoa noho i Bouterse ity fitsarana ity sy ny tohiny, mandrakotra ny maha-izy azy an'i Suriname sy ny karazana hoavy tiany hosoratana ho azy. Manome topi-maso momba ny firenena eo amin'ny sehatry ny tantarany sy miezaka ny handroso, noho izany ireo fanehoan-kevitra isan-karazany sy feno fihetseham-po,  .

Hanolo-tena amin'ny soatoavina demaokratika ve i Suriname vaovao? Hanohana ny fahamarinana ara-dalàna ve izany? Satria mitety rano misamboaravoara ny firenena, mijery izao tontolo izao, ka maro no manantena hoavy ahafahan'ny rariny sy ny fampihavanana miara-dalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.