Anaty rindrina efatra: Feom-pandriampahalemana ao Azerbaijan voafafa

Sary avy amin'i Alex Shah

Ao afovoan'i Kaokazy Atsimo, ifampikasokasohan'ny tantara sy ny jeopolitika, hitan'ny fiarahamonim-pirenena ao Azerbaijan fa ao anivon'ny tafio-drivotra ry zareo. Niaritra ny mafy nandritra ny taona maro teo ambany fitondrana tsirefesimandidin'ny taranaka Aliyev ireo mpiaro ny zon'olombelona, mpanao gazety ary mpisinta-kevitra. Tsy vitan'ny nanakona ny zo fototra tokony ho an-dry zareo ny politika fanjakatokan'ity fitondrana ity fa nampitondrainy ny lafiny maizina indrindra amin'ny famoretana koa ry zareo.

Loa-bava kely monja dia efa izakàna sandany mihoa-pampana, eo amin'ny fahafoizan-tena manokana sy eo amin'ny tsindry tsy mitsahatra atrehan-dry zareo.

Nahazo laza tsy azo tsinontsinoavina teo anivon'ny vahoaka Azerbaijani i Ilham Aliyev taorian'ny nahazoan'ny firenena fandresena tamin'ny Adin'i Karabakh faharoa ka nahazoana indray ny fifehezana ireo faritany teo ambany fifehezan'i Armenia teo aloha.

Notakonan'ny fandresena ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy misy ao amin'ny firenena.

Telo taona taorian'ny ady naharitra 44 andro sy taorian'ny hetsika ara-miaramila tao Nagorno-Karabakh tamin'ny 19 septambra 2023, tapa-kevitra ny hitazona ny fahefany ny filoha Aliyev. Tohizan'ny fanjakana amin'ny alàlan'ny politika tsirefesimandidy henjana ny fanakatsakanana ireo hetsiky ny fiarahamonim-pirenena, mametraka fameperana amin'ny mpanao gazety, ary managadra tsy ara-dalàna ny mpikatroka. Nesorina tamin’ny vahoaka ny zony hivory, hiteny, haneho hevitra ary hanangana fikambanana malalaka.

Famoretana ireo feo misandratra

Fotoana fohy taorian'izay, nanambara i Azerbaijan tamin'ny Septambra 2023 fa nanomboka ny hetsika “iadiana amin'ny fampihorohoroana” ao Nagorno-Karabakh, ary nifanesy ny fisamborana mpikatroka. Nobedesina ireo mpanao gazety sy mpikatroka naneho ampahibemaso ny heviny manohitra ny ady sy mitaky fandriampahalemana noho ny tsikeran-dry zareo ka niatrehana fanagadrana ara-panjakana.

Anisan'ireo mpikatroka lasibatra i Afiaddin Mammadov tamin'izany fotoana izany. Niatrika fisamborana imbetsaka nandritra ny taona i Mammadov noho ny fikirizany hanao hetsi-panoherana. Tamin'ny 20 Septambra, nosamborina i Mammadov ary nalefa tany am-ponja vonjimaika noho ny fiampangana ho manao fihetsika jiolahimboto mpanimba zavatra. Raha meloka izy dia mety higadra valo taona.

Nilaza tamin'ny Global Voices i Ahmad Mammadli, mpikambana ao amin'ny Democracy 18, hetsika ara-politikan'ny mpanohitra, mpiaro ny zon'olombelona, ary efa gadra politika teo aloha, fa tsy vaovao ny fanindriana ireo mpikatroky ny fandriampahalemana ary nanomboka tamin'ny ady tany Karabakh faharoa tamin'ny taona 2020 izany.

“Efa tsikaritra hatramin'ny Septambra 2020 ny fanagadrana faobe sy fanenjehana ireo mpikatroka ‘Tsy mila ady’, izay nanohitra ny ady. Mbola nitohy izany tamin'ireo taona nanaraka, ary mitovy tamin'izay nitranga tamin'ny Septambra [2023]. Tanjon'ny governemanta ny manafoana sy minoka-monina ireo mpikatroka ara-politika sy ara-tsosialy.”

Tsaroan'i Mammadli ny fomba niatrehany sy ny hetsika “Democracy 18″ ny fanerena tsy nampoizina sy ny naha-lasibatra azy ireo taorian'ny fanambaràny manohana ny fandriampahalemana.

“Tamin'ny Septambra 2022, rehefa nanao antso aho hitondrana an'i Ilham Aliyev eny amin'ny fitsarana iraisampirenena noho ny zavatra nataony tamin'ny vahoaka Azerbaijani sy Armeniana, dia nogadraina. Handeha hanohy fianarana any ivelany aho  saingy voarara ny fialako ny firenena, voahitsakitsaka ny zoko hianatra, nogadraina nandritra ny 30 andro aho, ary nisy raharaha heloka bevava sandoka natao tamiko, nitarika ny fampiatoana ahy tamin'ny anjerimanontolo izany,” hoy i Mammadli tamin'ny Global Voices.

Hatramin'ny ady naharitra 44 andro tamin'ny taona 2020, mpikatroka maherin'ny 20 no nosamborin'ny manampahefana, araka ny antontan-taratasy sy ny fanaraha-mason'i Mammadli .

Ali Malikov, an LGBTQ+ activist and blogger, also faced harassment at the hands of the state due to their anti-war sentiments. Ali Malikov, mpikatroka LGBTQ+ sady bilaogera, dia niatrika fanorisorenana teo am-pelatanan'ny fanjakana ihany koa noho ny fihetseham-pony manohitra ny ady.

“Tsaroako nahazo sary an-jatony ahitana vatana Armeniana tapa-doha avy amin'ny nomeraon-telefaonina vahiny aho. Niatrika andrana fijirika imbetsaka tao amin'ny mombamomba ahy manokana tao amin'ny Facebook aho. Nizara ny mombamomba ahy manokana ny fampitam-baovaom-panjakana sy ireo pejy fanta-daza mifandray amin'ny fanjakana, ary niantso ahy ho ‘pro- Armeniana ‘satria nanohitra ny ady aho. Nisy seha-baovao iray nandefa lahatsary iray ahitana ahy avy amin'ny fihetsiketsehana iray. Namoaka ny sariko manokana ny fantsona Telegram ‘Xainləri tanıyaq’ [fantaro ireo mpamadika]. Izany rehetra izany dia noho ny fandraisako anjara tamin'ny fanentanana fanangonan-tsonia miantso ny hisian'ny  fandriampahalemana. Vao haingana indrindra, ny gazety anjotra Yeni Musavat namoaka ny anarako tao amin'ny tranokalany, nilaza fa nanatrika hetsika manohitra ny ady aho, saingy tsy marina izany satria tsy nanao izany mihitsy aho.”

Ao amin'ny tontolon'i Azerbaijan, nampivily ny saina hiala amin'ny resaka zon'olombelona ao amin'ny firenena ihany koa ny ady, hoy ireo mpikatroka nitafatafa tamin'ny Global Voices. Nandritra izany fotoana izany, nanamafy ny fahefany bebe kokoa ny filoha Aliyev, nahazo ny fanohanan'ny nasionalista mafana fo eny ifotony. Raha nisy zavatra iray iraisan'ny fanjakana sy ny mpanohitra hevitra dia ny raharaha Nagorno-Karabakh. Nanamafy ny herin'i Aliyev ny fandresena nanaraka ny ady faharoa ; raha nanadino ny fahoriany ny vahoaka, ny mpanohitra zatra nandrisika nanohana (lasa) manohitra ny filoha sy ny governemanta. Nanampy ny filoha Aliyev sy ny governemanta izany hamafana sy hanilikilihana ireo vondrona tsy mitovy hevitra, anisan'izany ireo vondrona mpanohitra mahazatra, tamin'ny fametahana anarana azy ireo ho mpamadika, ka nampangina tamin'ny fomba mahomby ny hetsi-panoherana sy ny fitarainany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.