Tantara mikasika ny Lalàna tamin'ny Desambra, 2018
Lahatsary: Mankalaza ny firodanan'ny rindrin'i Berlin izao tontolo izao
Androany ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny firodanan'ny Rindrin'i Berlinthe, rafitra fiarovana izay nanasaraka an'i Berlin Atsinanana sy Andrefana any Alemaina. Androany isika dia mampiseho ny sasany amin'ireo lahatsary manerana izao tontolo izao izay nakarina ho fankalazana ity daty ity.
Manao fihetsiketsehana ho amin'ny fahalalahan'ny oniversite ny mpianatra taorian'ny fandroahana ny Oniversite Eoropeana Afovoany ao Hongria
Nibodo ny kianja teo anoloan'ny Parlemanta ireo mpianatra voakasiky ny fandroahana ny oniversiteny mba hiaro ny fahalalahana akademika ao Hongria.
Rosia: Politika Sy Fanakona-masoandro Tao Samara
Ny 1 Aogositra 2008, andron'ny fanakonana tanteraka ny masoandro, tao an-tananàn'i Samara i Oleg Klimov, ilay Rosiana mpaka sary fanao an-gazety mba hihaona amin'ireo solontenan'ny mpanohitra eo an-toerana.
Serbia: Maneho hevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Radovan Karadzic Ireo Blaogera Serba
Voasambotra i Radovan Karadzic, Filoham-pirenen'ny Repoblika Serba ao Bosnia, andro vitsivitsy taorian'ny tsingerintaona faha-13n'ilay fandripahana olona tao Srebrenica , izay nitarika fahafatesan'olona 7 000, ka sivily miozolomana ny ankamaroan'izy ireo tamin'izany.
Karohina ao Ejipta i Erin Brockovich
Nisy nitory ho anano fanalam-baraka sy fitenitenenana foana ny bilaogera Ejypsiana iray. Io mpanoratra ny bilaogy “El Hakika” io dia tsy maintsy mandoa L.E 2500 ho onitra sy L.E 40.000 ho onitra ho an'ny orinasa iray hita sary mandoto tontolo iainana !!